- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitohy ny Sivana Ao Myanmar Satria Tsy Navelan'ny Governemanta Alefa Ny Horonantsary Mitsikera Ny Tafika

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Fanampenam-bava, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Sarimihetsika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
Film poster of 'Twilight Over Burma'. Source: Facebook page of the Human Rights Human Dignity International Film Festival [1]

Afisin'ny Horonantsary ‘Twilight (Maizimaizina) Manerana an'i Burma’. Sary: pejy Facebook-n'ny Fetiben'ny Filma Iraisam-pirenena Momba ny Zon'Olombelona, Fahamendrehana Maha-olona

Voaràra [2] tsy mahazo alefa nandritra ny Fetiben'ny Filma Iraisam-pirenena momba ny Zon'Olombelona sy ny Fahamendrehana Maha-olona fanao isan-taona tao Yangon, renivohim-pirenena ny sarimihetsika mitsikera ny fanonganam-panjakana 1962 tany Myanmar Yangon, renivohitry ny firenena.

Nilaza ny Biraom-panjakana Misahana ny  Fisokajiana Ny Sary Mihetsika fa mety hanohintohina ny ezaka hampiroboroboana ny fampihavanam-pirenena [3]ny sarimihetsika “Twilight Ao Burma: Ny Fiainako Amin'ny Maha Printsesy Shan” noho ny fandokoana miiba ny tafika.

Fantatra tamin'ny anarana hoe Burma i Myanmar taloha.

Mifototra amin'ny tantara tena marina momba an'i Inge Sargent teraka Aotrishiana izay nanambady printsy Hsipaw, Sao Kya Seng ny sarimihetsika.

Anisan'ireo mpitarika ara-poko nosamborin'ny tafika nandritra ny fanonganam-panjakana 1962 ny printsy. Mijanona ho misitery ny fahafatesany.

Ny Fetiben'ny Filma Iraisam-pirenena momba ny Zon'Olombelona sy ny Fahamendrehana Maha-olona dia navoaka voalohany [4] tamin'ny taona 2012 mba

promote human rights awareness in Myanmar by using the power of film, the persuasive strength of audiovisual communication and to create a space for encouraging human rights discussions amongst the general public in Myanmar.

hampiroboroboana ny fanentanana momba ny zon'olombelona ao Myanmar amin'ny alalan'ny fampiasana ny herin'ny sarimihetsika, ny tanjaky ny fandresen-dahatra amin'ny fampitan-kafatry ny haino aman-jery ary hamoronana sehatra handrisihana ny fifanakalozan-kevitra momba ny zon'olombelona eo amin'ny vahoaka ankapobeny ao Myanmar.

Mahery ny 40 ireo sarimihetsika tafiditra [5]ao amin'ny fetibe maharitra enina andro tamin'ity taona ity.

Nitondra tao Myanmar ny fitondrana miaramila mandrapahatonga ny taona 2010.

Nosoloina governemanta sivily tohanan'ny miaramila izany taty aoriana izay nametraka fanavaozana sasany tahaka ny famotsorana gadra politika, fanafoanana ny sivana amin'ny haino aman-jery, sy fanatontosana  fifidianana malalaka.

Resy [6] [mg] tamin'ny fifidianana tamin'ny taona lasa ny antoko tohanan'ny miaramila, izay nampiroborobo ny tetezamitan'i Myanmar nankany amin'ny demaokrasia maoderina.

Manana vondrona ara-poko maherin'ny 100 i Myanmar izay nitolona ho amin'ny fahaleovantena ny sasany tamin'izy ireo tato anatin'ny taompolo vitsivitsy.

Nanasonia fampitsaharana ady miaraka amin'ireo vondrona ara-poko mitam-piadiana ny governemanta tamin'ny herintaona saingy nitohy nanohintohina ny dingana ho amin'ny filaminana ny fifandonana tsy mitsahatra.

Mikasa hanatontosa fihaonambem-pirenena hanasana ireo vondrona ara-poko rehetra mba hiresahana momba ny filaminana ny fitondram-panjakana vaovao, notarihan'ny [7] antokon'i Aung San Suu Kyi, efa nahazo Loka Nobel.

Niahiahy ny governemanta fa ny fandefasana ny horonantsary ‘Twilight over Burma’ dia mety hanohintohina ny fihaonambe hiresahana ny filaminanam-pirenena satria mety hiteraka fankahalana miaramila izany.

Niala tsiny [8]tamin'ny vahoaka ny mpikarakara ny fetiben'ny filma noho ny tsy fandefasana ny horonantsary ‘Twilight over Burma’ (Maizimaizina Manerana an'i Burma).

Maro no tsy nanampo ny fanapahan-kevitry ny biraon'ny fandinihana ny horonantsary tamin'ny minitra farany satria tarihan'ny antoko iray izay niady ny famoretana ara-miaramila sy ny sivana amin'ny haino aman-jery ny governemanta vaovao.

Nampahatsiahy [9] ny manampahefana ao Myanmar i Igor Blaževič, mpanentana momba ny zon'olombelona sy anisan'ny mpitsara amin'ny fetiben'ny sarimihetsika fa tsy azo tanterahana amin'ny fanafoanana ny marina ny fampihavanana:

If Myanmar genuinely wants to address human rights abuses, culture, art and media should be encouraged to bring truth, painful stories and wrongdoings—both past and present—into the open.

Raha te hiady amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona marina i Myanmar, dia tokony amporisihana ny kolontsaina, ny zavakanto sy ny haino aman-jery mba hitondra ny fahamarinana, ny tantara mampalahelo sy ny fahadisoana – taloha sy ankehitriny – ho hitan'ny rehetra.

Diso fanantenana ny talen'ny Sarimihetsika Waing raha nahafantatra [10]fa mbola ampiharina ao amin'ny firenena ny sivana:

This act is very ugly under a civilian government. The new information minister clearly doesn’t understand the film. The censorship board remains the same as under the previous government. It shows that there is no freedom for filmmakers.

Tena ratsy izany fihetsika izany eo ambanin'ny governemanta sivily. Mazava fa tsy mahatakatra momba ny sarimihetsika ny minisitra vaovao misahana ny fampahalalam-baovao. Tsy miova ny biraon'ny sivana fa mitovy amin'ny fitondrana teo aloha ihany. Mampiseho izany fa tsy misy ny fahalalahana ho an'ny mpamokatra sarimihetsika.