Lasa manana fahaiza-mamorona kokoa ireo Thai mpikatroka mafàna fo amin'ny fanentanan-dry zareo handàvana ilay volavolan-tsatan'ny governemanta tohanan'ny tafika.
Taorian'ny nisamborana mpikatroka efa maherin'ny ampolony izay tsy nanao afa-tsy ny nizara taratasy kely momba ilay sata, marobe ireo vondrona nanerana ny firenena no nandefa karazana hetsika samihafa ho entina manao tantara be amin'ilay antso hisian'ny demaokrasia, toy ny fampiasàna kilalao sy saribakoly mba ‘hitenenana’ momba ny fahalalahana maneho hevitra, ary fandefasana balaonina misy hafatra voasoratra mivaky hoe ‘tsy heloka bevava ny fanentanana’.
Tamin'ny 2014, nanao fanonganam-panjakana ny tafika Thai ary nijanona eo amin'ny fahefana na dia nanome toky aza fa hamerina izany ho an'ny sivily vantany vao vitany ny fanavaozana politika sy toekarena. Nanao volavolanà sata iray izy, izay ho apetraka hanaovana fitsapankevibahoaka manerana ny firenena amin'ny volana Aogositra. Faritan'ireo mpikatroka mafàna fo sy ireo antoko politika ho toy ny loza mitatao ho an'ny demaokrasia ilay volavolanà sata satria voalaza ho miaty andàlana manome fahefana tsy refesimandidy bebe kokoa ho an'ny tafika.
Hatramin'ny 2014, voarara tao Thailand ireo hetsipanoherana sy fivorivorian'olona dimy na mihoatra. Tsy ela akory izay, noraràn'ny Junta (fitondrà-miaramila) ireo vondrona tsy hanao fanentanana fanohanana na tsy fankasitrahana ilay sata ary ilay fitsampankevibahoaka hoavy.
Navoakan'ny polisy ireny lalàna ireny rehefa nisambotra ireo mpikambana avy amin'ny New Democracy Movement (NDM) – Hetsika Vaovao ho an'ny Demaokrasia – izay tratra nizara fanambaràna manohitra ilay sata.
Ntsidika ireo mpikamban'ny NDM voatàna am-ponja ny sasany tamin'ireo mpanohana azy sady nitondra balaonina mavokely misy hafatra hoe “tsy heloka bevava ny fanentanana”. Nogiazan'ny manampahefana ireo balaonina.
Pink balloons confiscated from student activists. Latest item on #Thailand junta's list of security threats. pic.twitter.com/2BHQ9MecNf
— Sunai (@sunaibkk) June 27, 2016
Nalaina tamin'ireo mpianatra mpikatroka mafàna fo ny balaonina mavokely. Lohateny farany ao anatin'ny lisitry ny Junta #Thailand momba ireo loza mitatao ho an'ny filaminana
Nanome aingam-panahy ho an'ireo mpianatra avy amin'ny Anjerimanontolon'ny Chaing Mai io mba hamotsorana ireo balaonina volomparasy ho fanohanana ny zon'ny olona ho afaka miteny momba ilay sata.
Saribakoly afaka ho an'ny Fahalalahana
Mandritra izany fotoana izany, ny Ligy Liberaly Thammasat ho an'ny Demaokrasia dia nanomboka ny fanentanana ‘Saribakoly Afaka ho an'ny FAHALALAHANA: Aleo ny saribakoly no hiteny ho antsika’, izay ampivondronana ny olona hizara ny fomba fijeriny momba ilay fitsapankevibahoaka sy ilay sata, amin'ny alàlan'ny fandefasana sarinà saribakoly sy kilalao. Kendren'ilay fanentanana ny hanaporofo ny tsy rariny ataon'ny lalàna, izay mandràra ny vahoaka tsy ho afaka manentana manohitra ireo politikan'ny Junta. Afaka arahana amin'ny tenifototra #FreeDollsForFREEDOM ilay fanentanana.