‘Ao Tsara Bakou'?: Nametraka Mafy Ny Tsy Fitoviana Tao amin'ny Sezan'ny Mpamily Ilay Fandalovana Miseran'ny F1 Tao Azerbaijan

Baku F1 street circuit. Wikipedia image.

Làlan'ny fifaninanana F1 ao Bakou. Sary Wikipedia.

Raha teraka zaza kabana telo ny 21 Jona, i Mirzabite Abdullayeva, reny 21 taona, kely ny fanahiany fa ho faty ao anatin'ireo koveta fanadiovana haingana azy ireo ny roa amin'ireo zanany telo vao teraka, ora vitsy taorian'ny nahaterahany, noho ny fahatapahan'ny herinaratry ny hopitaly sy ny fahasimban'ny fitaovana mpihary herinaratra.

Araka ny media tsy miankina ao Azerbaijan manankarena amin'ny resaka solika, nafindra tany amin'ny hopitaly tany Bakou ilay zaza velona, ary mbola atahorana be ny toe-pahasalamàny tany, sady vao avy nanapitra ny fampiantranoany seho iray anà “Grand Prix de Formule Un”, nitentina an-jato tapitrisany dolara, tao anatin'ny kirizy ara-toekarena lehibe, ilay firenena.

Raha toa ka tokony niaiky ny andraikiny ny fanjakana tamin'ny tsy fahatomombanana nahafatesana zaza roa vao teraka, nilaza indray ny Minisitry ny Fahasalamana fa maty talohan'ny nahatapahan'ny herinaratra ireo zaza roa vao teraka, ary araka izany dia tsy manana andraikitra amin'izany ny hopitaly.

Laharampahamehana amin'ny Fandaniana

Araka ny tarehimarika an-tsary  navoakan'ny RFE/RL eto ambany, ny taona 2016, nanokana vola eo amin'ny 500 tapitrisa dolara tamin'ny tetibolany ho an'ny fahasalamana i Azerbaijan, nihena 4.2% noho ny tamin'ny taona lasa.

Ny taona lasa sy tamin'ity taona ity, raha nanomboka nanaikitra ny olana ara-toekarena nifandray tamin'ny fitotonganan'ny vidin-tsolika manerantany, vola be no nolaniana tamin'ny fampiantranoana ny Kilalao Eorôpeana sy ny Grand Prix de la Formule 1.

Mbola ny ao amin'ny fiarovana ihany no mbola mahazo ny ampahany betsaka indrindra amin'ny sombi-mofon'ny tetibola, ao anatin'ny fifandirana miha-mitombo hatrany momba ny arintany fandrehitra, eo amin'ilay faritra  Nagorno-Karabakh ifanolanany amin'i Armenbia mpifanila vodirindrina aminy.

Infographic

Toa tsy manakorontana ireo tomponandraikitry ny governemanta, na ilay nitondra ela ny F1 Bernie Ecclestone, akory ireo tsy fitovian'ny laharampahamehan'ny fandaniana ireo, io farany izay nilaza fa manana eritreritra madio “100 isan-jato” ny ekipany, mikasika ny zon'olombelona ao Azerbaijan, ny hariva nialohan'ny fanokafana ilay hetsika, ny 18 Jona.

Nozarain'ny Ambasadaoron'i Azerbaijan any Etazonia io fomba fijeriny io:

#WellDoneBaku izay indrindra! Fankalazàna ny @BakuCityCircuit #Formula1 #EuropeanGP ao #Azerbaijan #F1

ilay Azerbaijan hafa

Gunduz Aghayev

Sariitatra nataon'ny mpanao sariitatra Azeri, Gunduz Aghayev, mampiseho ny tsy fitoviana eo anatrehan'ny “Grand Prix de la  F1″.

Manana fomba hafa andraisany azy ireo media tsy miankina sy ireo mpiaro ny zon'olombelona ao amin'ny firenena.

Meydan TV, media mpanohitra mitoetra any Alemaina, mametraka làlana iray hafa izoran'ny F1, ho an'ireo mpamaky, izay mandavaka ao ambanin'ilay rendrarendran'i Bakou derain'i Ecclestone.

Nomena lohateny hoe “Fifaninanana ho an'ny Marina: Zahao ireo Tantara Ao Ambadiky ny Làlana hizoran'ny F1”, ny endriky ny fitantaràna maro lafik'i Meydan dia mitondra ho an'ireo mpamaky ireo tantara ho toy ny “Fotoana Mafy Ho an'ireo Mpisotro ronono”, “Endrika Roa an'i Bakou”, “Anganonà Sekoly Roa” ary “Ivon'ny Tanànan'i Bakou: Toerana filalaovan'ny Mpanankarena”, samy milaza ny tsy fitoviana sy ny tsy rariny eo amin'ny lafiny sosialy, izay mandevilevy ilay firenena ao Kaokazy, eo ambany fitondràna lavan'i Aliyev.

Mpanao gazety fanadihadiana vao navotsotra vao haingana, Khadija Ismayilova, nandeha lavidavitra kokoa taminà lahatsoratra iray ho an'ny OCCRP tamin'ny taona lasa, nampiditra ny fianakavian'ny Filoha Ilham Aliyev taminà kolikoly izay nomen'ny fifaninanana F1 vahana tsara mihitsy:

Raha ireo mpandoa hetra no mandoa ny vola lany amin'io ny farany, olompirenena roa mahazo vahana kosa tena lasa nanankarena be tamin'ireo kilalao ireo: ireo zanakavavin'ny filoha. Izany no miseho satria izy ireo no manaramaso ny ampahany be amin'ireo trano fandraisam-bahiny avo lenta any Bakou. Mitoetra eny amin'ireo toerana tsara ao amin'ny tanàna ireo hotelin'izy ireo, izay ara-panatanjahantena sy mifanahatsahana tsara amin'ireo marika Tandrefana, toy ny Four Seasons, Sheraton ary ny Mariott.

 Mijery #Formula1? Te-hijery hoe ahoana no ahazoan'i #Aliyev tombontsoa avy amin'ny #BakuGP?

Feo mahery nampahatsiahy ireo mpankafy F1 ireo fanitsakitsahana zon'olombelona ao Azerbaijan ihany koa ny hetsika “Sport for Rights” (Fanatanjahantena ho an'ireo Zo):

Eo am-panombohana ny #BakuGP! Eny amin'ny làlana daholo ireo maso rehetra, kanefa aza adino ireo gadra noho ny politika ao #Azerbaijan @SportForRights

Mbola mitohy miaina mifanila ihany ireo Azerbaijane roa ireo — ny iray mandroso sy miroborobo, ny iray miady mafy sy voateritery.

Fa amin'izao vidin'ny solika tsy nasiam-panamboarana izao,  izay fanalahidin'ny firenena, lasa antsasaky ny vidiny tamin'ny taona 2014, mitombo hatrany ny ahiahy hoe mandra-pahoviana ny Filoha Ilham Aliyev sy ny fitondràny no hahavita hampandeha izao raharaha roa izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.