Oganda, Tany Iray Amin'ireo Fialokalofana Tena Tsara Fandray Indrindra Eran'izao Tontolo Izao.

Blogueurs Ougandais lors du FABY - Dakar (avec la permission de FABY)

Ireo bilaogera Ogandey nandritra ny FABY – Dakar (nahazoana alalana tamin'ny FABY)

Toa ho sarotra kokoa ho an'ireo solontena 6000 avy amin'ireo firenena 135, izay nandray anjara tamin'ny fihaonana an-tampony momba ny maha-olombelona, natao tao Istambul, Gresy ny 23 sy 24 may lasa teo, ny handeha hihoatra nylisitra iray misy ireo fikasàna tsara. Nefa, io fihaonambe io no hahafahana mampahatsiahy hoe zavadehibe ny ataon'ireo firenena sasany. Nefa ireo haino aman-jery iraisam-pirenena dia zara raha manasongadina izany, eo amin'ny lafiny fandraisana sy fampidirana ireo mpifindramonina. Amin'ireo rehetra voalaza ireo, i Oganda no anisany iray amin'ireo firenena malaza indrindra nandritra ilay fihaonambe noho ny politikany mikasika ny fandraisana ireo mpialokaloka.

Nandritra ny fivoriana fanomanana isam-paritra mikasika ny fihaonambe an-tampony momba ny maha-olona, izay natao tao Kampala, nanome toromarika ho an'ireo mpandray anjara ny Praiminisitra Ougande Apolo Nsibambi hoe

Tsy azo leferina ny hoe i Afrika izay firenena afaka tamin'ireo hery matanjaka eoropeana mpanjanaka  mandritra ny 50 taona no mitohy ho ny tena mpamokatra mpialokaloka sy  fifindràmonina anatiny be indrindra. “Mametraka loza mitatao amin'ny  fampandrosoana an'i Afrika ny tsy fahafahana miaro sy miatrika tsara ary koa mitondra ireo vahaolana amin'ny fotoana ilaina azy amin'ireo olana niteraka ireny trangana fifandràmonina ireny… ary misy voka-dratsiny henjana eo amin'ny filaminana sy ny fahamarinan-toerana

Raha nilaza ireo teny ireo izy, fantany tsara izay nambarany satria ny fireneny, mandray mpialokaloka 700 000, izay manana mpifanila vodirindrina isian'ny tebka fiaingàn'ny tsy fahamarinan-toerana sy ny ady, ahitana ireo mponina avy ao Sodàna atsimo, ireo somaliana, Roandey, Borondey ary ireo Kongoley.

Na eo aza ny isa maroben'ireo mpialokaloka, ankatoavin'ireo mpiara-dia aminy ny politikan'i Ogandà momba ireo mpialokaloka. Ny tobin'i Nakivale, noforonina tamin'ny taona 1958 mba handraisana ireo tutsis nandositra ny revolisiona hutu teo amin'ny fireneny, dia hita any amin'ny 6 ora miala an'i Kampala, renivohitr'i Oganda. Mivelatra eo amin'ny faritra mirefy maherin'ny 184 km² izy, misy farihy, havoana, renirano maro sy ireo saha lonaka, izy araka ny lazain'ny tambajotra caritasgoma.org amintsika hoe:

“Tena azo ambara ho tokana ny modely omen'i Oganda momba izay omeny ho an'ireo mpialokaloka.” Araka ny voalazan'ireo mpanaramaso, ny fandraisany andraikitra avy hatrany amin'ireo mpialokaloka sy ny fanampiana entiny ho azy ireo no maha-tokana an'i Oganda,. “Ao Oganda, afaka mandray anjara amin'ny toekarena eo an-toerana ireo mpialokaloka”, hoy ny fanamafisan'ny mpitondra teny iray avy ao amin'ny HCR.

Nitsidika io toby io ny mpikaroka iray, M. Will Jones, avy ao amin'ny Ivontoerana Fandalinana momba ireo mpialokaloka avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Oxford, telo taona lasa izay. Nofaritany toy izao izany teo amin'ny tambajotra fmreview.org :

Noho izany, inona ary no ataon'ireo mpialokalaka mba hivelomany? Mamboly izy ireo, marina mihintsy, ary tsy ny amin'ireo toerana any ambanivohitra ihany. Efa ho antsasak'ireo mpialokaloka Kongoley, Roandey ary Sodaney atsimo, nanontanian'ireo mpikaroka no mamboly ireo faritra kely ananany. Ireo hafa mpikarama amin'ny asa fambolena. Ireo Somaliana irery no tsy dia liana loatra, na tsy misy mihintsy aza, amin'ny fambolena.

Tsy ny fambolena ho fivelomana irery ihany akory

Manatitra tsy tapaka ireo vokatra novidiany ireo Ogandey ho any amin'ireo toerana fametrahana azy ary miverina miaraka amin'ireo fiarabe feno vokatr'i Kyangwali, mankany amin'ny tsenan'ny tanànan'i Hoima. Nanontany mpivarotra iray tao Hoima ireo mpikaroka, izay nilaza fa katsaka efa ho 500 taonina sy tsaramaso no novidiany tamin'ireo mpialokaloka tamin'ny taona lasa, izay heverina ho ny 60% n'ny tahiriny. Namidiny tamin'ireo faritra hafa tao Ogandà ny katsaka, any ivelan'ny firenena ihany koa; ao Tanzania sy ao Sodàna atsimo.

Ankehitriny, mikasa ny hanafoana ireo mpanelanelana ireo mpamokatra ao Kyangwali amin'ny alalan'ny famarotana mivantana eny an-tsena ireo vokatra vokariny, amin'ny alalan'ny fampiasana kaoperativa iray misy mpikambana maherin'ny 500 izay misy ireo Ougandey mpamboly ao amin'ireo faritra eo an-toerana. Fiarahamonina iray manana petra-bola ny Fikambanan'ireo mpamboly mivoatra an'i Kyangwali (Kyangwali Progressive Farmers), izay ankehitriny manao rangopohy ireo fifanarahana mba hivarotana mivantana ireo vokatra amin'ireo orinasa mpanodina.

Tao amin'ny tanànan'i Rwamwanja, fandaharan'asa iray mikasika ny fitehirizana sy findramam-bola, antsoina hoe Solo Effort, no napetraka mba hanampy ireo mpialokaloka sy ireo olom-pirenena hanao fiompiana na hanangana karazana orinasa hafa. Misy mpikambana 139 izy io, nitsangana efa ho roa taona izao. Ao anatin’ity lahatsary ity, Ramatoa Rebecca, iray amin'ireo mpikambana no manazava ny fomba naha-tafavoaka azy tao anaty fahantrana vokatr'io fandaharan'asa io.

Na izany aza, tsy foana akory ireo fahasarotana mikasika ny fampiharana io politika fandraisana sy fampidirana ireo mpialokaloka io. Ho ohatra amin'izany, ny tambajotra caritasgoma.org, efa notanisaina, dia mampatsiahy fa:

Fa miorina akaiky an'ireo tanàna ogandey ny toby Nakivale izay ampiharan'ireo tantsaha ny voly fototra. Raha mijery ny governemanta izay manala aminy ny tanin'izy ireo mba hametrahana ireo mpialokaloka, tsy faly iretsy voalohany amin'ny fanampiana iretsy faharoa. Noho izany, mametraka ahiahy kely ireo mpialokaloka.

Manohana hevitra ny governemanta fa efa nomanina ho an'ireo mpangataka fialokafolana ireo tany ireo. Ao anaty firenena iray izay firenena iray amin'ireo manana mponina tanora sy mavitrika indrindra eto amin'izao tontolo izao, ny fahazoana tany no fanamby izay tsy maintsy atrehan'ireo politika momba ny mpialokaloka ao Ougandà. Saingy hatreto aloha, ny governemanta sy ireo mponina eo an-toerana dia tapa-kevitra hikarakara ireo izay mila fanampiana sy manao izany amin'ny fomba tsara indrindra azo atao.

Raha tiana ny hampiharana hatrany io politika io, dia etsy ankilany, tsy maintsy atsofok'ireo tompon'andraikitra ho ao anatin'ny fandaharanasa napetraka ho an'ireo mpialokaloka ireo mponina teratany manamorona ireo toby ireo, fa etsy andaniny,  mba hazavaina antsakany sy andavany amin'izy ireo tsara ireo politika ireo mba hisorohana ireo hevi-diso, matetika mpiteraka ireo fifandirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.