Tantara tamin'ny Jona, 2016
Mariky Ny Fanombohan'ny Hazalambo Manaraka Hanjo Ny Media Ao Rosia
Raha mbola mitaingin-tsoavaly hiatrika fanafihana iray hafa hanohitra "ireo mpiasa vahiny" i Maosko, tsy afaka naka fotoana tsara akory i Ilya Ukhov raha fony nilaza fa mahazo famatsiambola miafina avy amin'ny governemanta Amerikàna ny Dozhd.
Mpanao Gazety Mpivady Voatafika Tao Makassar, Indonezia
Mpitranga ao Indonezia ny famelezana mpanao gazety. Tsy misy mpitatitra amin'ny fampitam-baovao ny fanafihana toy izao ary afaka tsy mahazo fanasaziana matetika ireo mpanafika.
Matin'ny Fahasemporana Tao Anatin'ny Kontenera Kamiao Ny Mpifindra-monina 15 Ahiahiana Ho Tsy Manana Taratasy Tany Zambia
Ny mpandalo izay nandre ny kapokapoka avy tao anatin'ny kôntenera sy ny feo niantsoantso vonjy no nampilaza ny mpamily mba hanokatra ilay kamiao .
Mitady Tonian-dahatsoratra Manana Zotom-po Hitarika Ny Fitantaram-baovao Ao Afovoany Atsinanana Ny Global Voices
Mahay tenim-pirenena roa ve ianao- na tsara kokoa, mahay tenim-pirenena maromaro-manam-pahaizana momba ny Atsinanana Afovoany sy Afrika Avaratra izay manome lanja ny rariny, ny fitoviana, ny finamanana miampita sisintany ary hita fa tsy leo aterineto? Tia miasa ao an-trano ve ianao? Mitady anao ny Global Voices!
Bilaogera Notorian'ny Bankim-pirenena ao Kenya Noho Ny Lahatsoratra Bilaogy “Manala-baraka”
Notorian'ny banky ilay bilaogera mampiady hevitra Cyprian Nyakundi tamin'ity volana ity noho ny andian-dahatsoratra momba ny banky. Mamaritra ny tenany toy ny "bilaogera Kenyana liana amin'ny politika, fitantanana, hosoka amin'ny orinasa sy tantara mahaliana momba ny olombelona i Nyakundi."
Fasana Maro Sosona Ao An-tanànan'i Douma, Syria
Nampianatra anay ny fasan'ny Douma fa manana ny endrika kantony manokana amin'ity ady ity ny fahafatesana.
‘Ilay Andro Nahalasa Ahy Ho Tarehimarika Adaladala': Ny Dian'ny Siriana Iray Mpialokaloka Ho Any Eoropa
"Zavatra tsy irinao hiainana velively mihitsy raha tsy hoe tena efa tsy mahita hiantorahana intsony ianao," hoy Zozan Khaled Musa manoratra momba ny diany hikaroka fialofana namakivaky ny Atsinanan'i Eoropa.
‘Neny, Aza Mitomany Raha Tsy Hitan'Izy Ireo Ny Fatiko': Fahatsiarovana Ireo Mpitsoa-Ponenana Syriana 4000 Maty Teny An-Dalana Ho Any Eoropa
Namoy ny ainy tany an-dranomasina ireo mpitsoa-ponenana Syriana maherin'ny 4000 anisan'izany ny ankizy maro. Maro tamin'izy ireo no tsy fantatra, ary tsy hita. Ary ny ranomasina no toerana fitsaharany farany. Ny ranomasina no fasany. Ny ranomasina fasana.
Manao Ny Tononkalo Persiana Ho Manana Endrika Politika Ny Mpisera Facebook Tajik
Nandao aho, satria tsy misy toerana ho an'ny fitiavana intsony any amin'izao, Lasa aho ,satria tsy misy antony tokony hijanonako any intsony, Lasa aho, satria mihoatra ny fetra ny fampahoriana sy ny fanaintainana.
Mampanantena Hamaly Fankahalàna Amin'ny Fitiavana Bebe Kokoa Ireo Miari-Tory Tao San Francisco Ho An'ireo Niharam-boinan'i Orlando
"Tsy amin'ny anaranay" hoy izy ireo. Vonona tsy hamela ity zava-nitranga (fanafihana) ity ho ampiasaina amin'ny fanaovana ho lasibatra bebe kokoa ny Silamo any Amerika sy manerana izao tontolo izao ny tsirairay tamin'ireo mpandray fitenenana..'