Olona 36 no maty raha kely indrindra taorian'ny fitifirana sy fanaovana viveriniainy tamin'ny baomba roa tao Atatürk, Istanbul, iray amin'ireo seranam-piaramanidina be mpivezivezy indrindra ao Eoropa sady fihaonamben'ny sidina iraisampirenena.
Mpanafika telo fara fahakeliny no nanao ny fanafihana nanomboka ny alin'ny 29 Jona ary nanondro ireo vondrona ekstremista ISIS ho tompon'andraikitra tamin'izany ny Praiminisitra Binali Yıldırım ao Torkia .
Midika ny fisehon'ny fanafihana tao amin'ny iray amin'ireo seranampiaramanidina iraisampirenena manana fivezivezena be indrindra fa haingana dia haingana ny fampitam-baovao sy ny mediam-bahoaka miresaka ny taorian'ny zava-nitranga :
1st photo from Istanbul's Ataturk airport where 2 major blasts rocked int'l terminal, leaving multiple casualties.pic.twitter.com/xhu1uMfzTS [1]
— Mustafa Edib Yılmaz (@MustafaEdib) June 28, 2016 [2]
Nahitana fipoahana 2 lehibe nidaroka ny fitodiana iraisampirenena ny sary voalohany avy any amin'ny seranam-piaramanidin'i Atatürk Istanbul, ary naharatrana olona maro pic.twitter.com/xhu1uMfzTS [1]
TURKEY – Children & relatives embrace as they leave Ataturk airport after Istanbul suicide attack. By @ozannkosee [3] pic.twitter.com/nTGunVnOJe [4]
— Frédérique Geffard (@fgeffardAFP) June 28, 2016 [5]
TORKIA – Nifamihina ireo ankizy sy ireo ray aman-dreniny rehefa niala ny seranam-piaramanidin'ny Atatürk taorian'ny fanafihan'ny mpanao viveriniainy tao Istanbul . Avy amin'i @ozannkosee [3] pic.twitter.com/nTGunVnOJe [4]
Namoaka didy hitsivolana vonjimaika mampihomehy hamerana ny fampitam-baovao ao an-toerana ny manampahefana rehefa nivoatra ny toe-draharaha, satria efa nahazatra an'i Torkia rehefa mandalo fotoanan'ny krizy ny fanaovana izany:
Text of the temporary gag order on Istanbul Ataturk twin suicide bomb attack issued by PM.https://t.co/N0sHNhKJ4l [6] pic.twitter.com/ph7zKFgzzd [7]
— efe kerem sozeri (@efekerem) June 28, 2016 [8]
Ny lahatsoratry ny didy hitsivolana vonjimaika navoakan'ny PM manoloana ny fanafihan'ny mpanao viveriniaina roa sosona tao Atatürk Istanbul .https://t.co/N0sHNhKJ4l [6] pic.twitter.com/ph7zKFgzzd [7]
Nanolotra fanadihadiana haingana momba ny fikasan'ny governemanta hanakana ny fampitam-baovao sy ny media sosialy tao amin'ny Vocativ [9] i Efe Kerem Sozeri, mpiara-miasa ato amin'ny Global Voices, ary nanamarika fa manakana ny olona tsy hahafantatra ny vaovao amin'ny fotoana manandanja izany.
Raha nanararaotra ny krizy tamin'ny fanaovana taingim-be ny mpamily fiarakaretsaka sasany, nanokatra maimaim-poana ny varavarany ho an'ireo mpandeha tafahitsoka avy amin'ny firenena maro samihafa kosa ireo trano fandraisam- bahiny sy ny olon-tsotra Istamboliana manerana ny tanàna lehibe indrindra ao Torkia.
16 guests are resting in their rooms. We have one room left! #taksim [10] #istanbul [11] #PrayForTurkey [12] #prayforistanbul [13] https://t.co/TvGt0okaz6 [14]
— Suite Begonia (@BegoniaIstanbul) June 29, 2016 [15]
Maka aina ao amin'ny efi-tranony ny vahiny 16. Iray sisa ny efitra malalaka ato aminay! #taksim [10] #istanbul [11] #PrayForTurkey [12] #prayforistanbul [13] https://t.co/TvGt0okaz6 [14]
Amazing: Turkish student living near airport offers to let stranded passengers stay at his home. #istanbulattack [16] https://t.co/EVoF9SjqxF [17]
— Borzou Daragahi (@borzou) June 28, 2016 [18]
Mahavariana : namela ireo mpandeha tafahitsoka hijanona tao an-tranony ireo Tiorka mpianatra mipetraka akaikin'ny seranam-piaramanidina. #istanbulattack [16] https://t.co/EVoF9SjqxF [17]
Fampahatsiahivana mahatsiravina izay nantsoin'ireo mpaneho hevitra sasany tamin'ny teny mampalahelo hoe ny “vaovao mahazatra” an'i Tiorkia ny fanafihana tao amin'ny seranam-piaramanidina – tranga mahazatra amin'ny herisetran'ny ekstremista mikendry ny mponina sivily ao amin'ny firenena ary tsy noeritreretina tao anatin'ny fotoanan'ny filaminana vao roa taona lasa izay.
Major recent attacks.. And the conflict in Southeast #Turkey [19]… Hundreds… Hundreds died… https://t.co/nlJd4u1ZbU [20] pic.twitter.com/cArfrHOhO3 [21]
— Cagil M. Kasapoglu (@CagilKasapoglu) June 29, 2016 [22]
Ireo fanafihana lehibe vao haingana .. Sy ny ady any Atsimo-atsinanan'i #Turkey [19] …an-jatony … an-jatony no maty … https://t.co/nlJd4u1ZbU [20] pic.twitter.com/cArfrHOhO3 [21]
Nitranga roa taona katroka taorian'ny nanambaran'i mpitarika ISIS Abou Bakr al-Baghdadi ny kalifà tao an-tanànan'i Mosul Irakiana ny fanafihana, kanefa tsy mbola nilaza ny fanafihana tao Atatürk ho nataony ilay vondrona.