Tanzaniana Iray Notoriana Noho Ny  ‘Fanevatevana’ Ny Filoha Tao Amin'ny WhatsApp

Statement of offence shared on Twitter by @samirasawlani.

Fanambarana fisian'ny fanevatevana nozaraina tao amin'ny Twitter avy amin'ny @samirasawlani.

Nohelohina tamin'ny 22 Jona eo ambanin'ny Lalànan'ny Elektronika sy ny Paositra ary ny Fifandraisandavitra ao Tanzania ny Olom-pirenena Tanzaniana Leonard Mulokoz noho ny hafatra iray tao amin'ny WhatsApp izay nolazain'ny manam-pahefana ho “fanevatevana” ny filoha Tanzania, John Magufuli. Nandà ny fiampangana azy tao amin'ny Tribonalin'ny Kisutu i Mulokozi ka noafahana vonjimaika. Hiakatra fitsarana amin'ny 18 Jolay ny raharaha .

Voalaza fa nandefa ity hafatra manaraka ity, tamin'ny teny swahili, tao amin'ny WhatsApp, i Mulokozi tamin'ny 2 Jona:

Hivi huyu Pombe nd'o kwamba hana washauri? Hashauriki? Au ni zuzu? Bwege sana huyu jamaa; he doesn't consider the law in the place before opening his mouth au na yeye anaumwa ugonjwa wa Mnyika?

Midika ve izany fa tsy manana mpanolon-tsaina ny [filoha Tanzaniana ] Pombe  Magufuli? Tsy azo toloran-kevitra ve izy? Sa izy adala fotsiny? Tena adala, ilehio: tsy mandinika ny lalàna azo ampiharina alohan'ny hanokafany ny vavany; sa koa izy mijaly amin'ny aretina toy ny an'i [mpanao politika mpanohitra ] Mnyika?

Mulokozi no olona tratra farany tao Tanzania tamin'ny fandikana ny Lalàna vaovaon'ny Jiolahin-tserasera [mg], izay nolanian'ny Parlemanta tamin'ny Aprily 2015 hiatrehana ny olana toy ny sary mamoafadin'ny zaza , ny fandrahonana an-tserasera, ny fisolokiana an-tserasera, fakana tsy ara-dalàna ny fifandraisana, sy ny famoahana vaovao tsy marina.

Natositosika ho lany tao amin'ny parlemanta tanatin'ny fifanakalozan-kevitra na adihevitra kely monja ​​ilay volavolan-dalàna na dia teo aza ny fanoherana miely patrana avy amin'ny mpanao politika, ny manam-pahaizana momba ny media sosialy, ary ny mpikatroka ny zon'olombelona. Nanao sonia izany ho lalàna manan-kery tamin'ny Mey 2015 ny Filoha teo aloha Jakaya Kikwete.

Nilaza  ireo mpanohitra ny lalànan'ny jiolahin-tserasera fa manome fahefana tafahoatra — tsy misy fanaraha-maso voalanjalanja akory — ho an'ny polisy ilay lalàna, manome azy ireo ny fahafahana hikaroka ny tranon'ireo izay ahiahiana ho mandika ny lalàna, maka ny fitaovana elektronika-ny , ary mangataka ny lahatahiriny avy amin'ny mpanome tolotra aterineto . Nampitandrina ihany koa izy ireo fa afaka mampiasa hery ny polisy na ny fanjakana mba hanenjehana ireo mpikatroka an-tserasera, na ny mpisera amin'ny media sosialy.

Nohelohin'ny [mg] Tribonalin'ny Arusha ho manevateva ny Filoha Tanzaniana John Magufuli tao amin'ny pejy Facebook ilay olom-pirenena Tanzaniana Isaac Abakuki Emily tamin'ity volana ity.

Mety hisazy telo taona an-tranomaizina i Emily, na koa handoa lamandy dimy tapitrisa shillings ( 2300$ Amerikana), vola be ao Tanzania, izay ahitana harin-karena faobe isan'olona eo ambanin'ny 1000$ Amerikana isan-taona fotsiny. Nahena ho fito tapitrisa izany noho ny fampakarana ny raharaha nataon'ny mpisolovavany araka ny tranonkalam-baovao tao an-toerana The Citizen. Tsy maintsy mandoa ny lamandy izy amin'ny 8 Aogositra na mamita ny sazy any an-tranomaizina.

Tamin'ny Oktobra 2015, Tanzaniana roa no voalohany lasibatry [mg] ny lalàna vaovao. Benedict Angelo Ngonyani, 24 taona, mpianatra ao amin'ny Sekoly Dar es Salaam Momba ny Teknolojia, izay voampanga ho namoaka fitaovana ” hosoka na tsy voamarin'ny manam-pahefana tompon'andraikitra.”  Voalaza fa nandefa lahatsoratra Facebook izy milaza fa nampidirina hopitaly rehefa avy nihinana sakafo misy poizina ny Lehiben'ny Tafika ao Tanzania, ny Jeneraly Davis Mwamunyange.

Tamin'ny volana Novambra 2015, voampanga tamin'ny Andininy faha 16 amin'ny lalànan'ny heloka an-tserasera 2015 ny Tanzaniana efatra – Leila Sinare, Godfrey Soka, Deo Soka ary Monica Gaspary Soka – noho ny famoahana vaovao diso mifandraika amin'ny fifidianana tao amin'ny sehatra fampitan-kafatra ara-tsosialy WhatsApp. Nandalo Fampanoavana tao Dar Es Salaam izy efatra tamin'ny 6 Novambra 2015. Nilaza ny Lehiben'ny Fampanoavana fa namoaka vaovao amim-peo, izay natao mba hamitahana ny vahoaka nandritra ny fifidianana Tanzaniana  tamin'ny Oktobra 2015 izay nisian'ny fiampangana ho manao hosoka tamin'ny fifidianana, tao amin'ny vondrona WhatsApp antsoina hoe “Soka Group” ireo voampanga.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.