Mitaky ny “Fanatsaharana Ny Fankahalana Ary Hampanjaka Ny Fitiavana” Ny Diabem-Pireharehana Ao Manila

The term 'LGBTindig' refers to LGBT standing up for their rights. It also demands an end to discrimination. Photo from the Facebook page of University of the Philippine Manila Student Council; used with permission.

Ny teny ‘LGBTindig’ dia manondro ny LGBT mijoro ho amin'ny zon'izy ireo. Mitaky ny fanatsaharana ny fanavakavahana ihany koa izy. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Filankevitry ny Mpianatra Oniversiteran'ny Philippine Manila; nahazoan-dalana.

Nitarika ny fankalazana ny faha-22n'ny Diabem-Pireharehana ireo mpikambana, fianakaviana sy mpanohana ny fiarahamonina LGBT Filipiana mba hankalaza ny fitiavana, ny fandeferana, sy ny zon'olombelona. Notontosaina tamin'ny taona 1994 ny Diabem-Pireharehana voalohany tao Filipina .

Source: Facebook

Sary: Facebook

Nandrisika ny tsirairay mba hanaparitaka fitiavana eo amin'ny fiarahamonina ny lohahevitra amin'ny Diabem-Pireharehana amin'ity taona ity:

This year, we need everyone to come together and advance the campaign for love. We call on all Filipinos to let love into their homes, their communities, and the whole country.

We want a future where all LGBTQIA+ people are able to freely live their authentic selves and love without fear of persecution. To achieve this, everyone inside and outside the LGBTQIA+ community needs to end the hate and let love in.

Amin'ity taona ity, mila ny rehetra izahay mba hiaraka hoavy sy hampandroso ny fampielezankevitra ho an'ny fitiavana. Miantso ny Filipiana rehetra izahay mba hamela ny fitiavana hiditra ao an-tranony, ho ao amin'ny fiarahamonina, sy ny firenena iray manontolo.

Mila isika hoavy ahafahan'ny LGBTQIA+ mampiaina amin'ny mahaizy ny tenan'izy ireo sy mitia tsy misy tahotra fanenjehana. Ho fanatanterahana izany, mila manatsahatra ny fankahalana sy hamela hampanjaka ny fitiavana ny olona rehetra na ao anatiny na eo ivelan'ny fiarahamonina LGBTQIA+.

Ny LGBTQIA + fanafohezan-teny dia ahitana olona hita ho vavy tia vavy, lahy tia lahy, sady lahy no vavy, nanova fananahana ary ireo tsy lahy tia vavy na vavy tia lahy, tsy lahy tsy vavy sy ny maro hafa.

Notontosaina andro vitsivitsy talohan'ny fametrahana ho amin'ny toerany ny filoha vaovao ao amin'ny firenena ny hetsika – hetsika ara-potoana, satria nihantsy ny governemanta vaovao ireo vondrona sasany mba hanohana ny fankatoavana ny ny lalàna manohitra ny fanavakavahana. Na dia teo aza ny fanambaran'ireo mpitarika ny firenena fa fiarahamonina malalaka sy demaokratika i Filipina maro an'isa Katolika, mbola misy hatrany ny fitsarana an-tendrony mihatra amin'ny LGBT.

Mitohy hatrany ny famonoana nateraky ny fankahalàna, kanefa tsy mba taterina ny ankamaroan'ny zava-nitranga. Iray amin'ireo tranga malaza vao haingana ny raharaha naha-voarohirohy tatsambo Amerikana iray voampanga ho namono olona nanova taovam-pananahana. Nanoratra momba ny daroka sy vono nihatra tamin'ny vondrom-piarahamonina LGBT i Ivanka Custodio, mpitarika ny vondrom-piarahamonina LGBT, mitanisa ny raharaha goavana tahaka ny Olongapo (toerana namonoana ilay olona nanova taovam-pananahana) sy Orlando (toerana nisian'ny fitifirana faobe nahafaty olona LGBT 50):

We have barely recovered from the shock and grief caused by the Orlando shooting which cut short lives of LGBT people of color. 50 died that day. But they only foreshadow the millions of other LGBT lives that have been extinguished due to hate and violence. Lives lived in constant struggle for survival and finally punctuated by gunshots, or drowned in a toilet bowl, or slashed and stuffed in a luggage. In the process of building a community, we saw that there are people like us whose lives are deemed more dispensable than others and are treated as such.

Zara raha sitrana tamin'ny fahatairana sy ny alahelo nateraky ny fitifirana tao Orlando izay nahafaty olona LGBT tsy fotsy hoditra isika. 50 no maty tamin'izany andro izany. Saingy manambara fotsiny ny fiainan'ireo LGBT an-tapitrisany maro hafa izay efa maty noho ny fankahalana sy ny herisetra izy ireo. Fiainana niainana tao anatin'ny tolona goavana ho amin'ny fahavelomana indray ary nampiatoan'ny fitifirana nony farany, na rendrika tao an-kabone, na nitriatra ary nasisika tany anaty entana. Amin'ny dingana fanorenana fiarahamonina, nahita izahay fa misy olona toa antsika heverina fa zava-dehibe kokoa ny fiainany noho ny hafa ary noraisina ho tahaka izany.

Sary tamin'ny Diabem-Pireharehana 2016 tao Manila mampiseho ny olona ao amin'ny fiarahamonina LGBT:

Students of the University of the Philippines join the Pride March. Source: Facebook

Mpianatry ny Oniversiten'i Filipina manatevin-daharana ny Diabem-pireharehana. Loharanon-tsary: Facebook

Notontosaina teo anoloan'ny sarivongan'i Lapu-Lapu, olom-pirenena mahery fo nitolona tamin'ny mpanjanaka Espaniola ny fandaharana lehibe indrindra:

#LetLoveIn (Hampanjakao ny fitiavana)

Mahavariana fa nanatevin-daharana ny hetsika ihany koa ny vondrona ara-pivavahana ary niala-tsiny noho ny tsy fahateren-tsain'ireo vondrona ara-pivavahana sasany:

Miala tsiny aho raha nitsara anao.

Nandray anjara tamin'ny diabe ihany koa ny mpiasan'ny masoivoho Aostraliana:

Manatevin-daharana ny masoivoho Aostraliana

Farany, amin'ny hetsika mampiditra ny rehetra, nomena voninahitra sy nankasitrahana ho anisan'ny vondrom-piarahamonina ireo olom-pirenena pelaka zokiny – izay maro tamin'izy ireo no niaina mangina hatrany tao anatin'ny fanafenana ny fironana ara-pananahan'izy ireo:

Fantaro ireo Pelaka Golden tamin'ny taona ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.