- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ondry 120 Maty Noho Ny Tselatra Tao Kyrgyzstan, Niteraka Fampitahana Parlemantera

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kyrgyzstan, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka
Sheep in the long grass. Wikipedia image.

Osy ao anaty bozaka lavabe. Sary Wikipedia.

Namely ny tselatra ka nahafaty ondry 120 tany ambanivohitr'i Kyrgyzstan tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, miantso ity zava-mitranga ity ho “fampitandremana” ho an'ny parlemanta mahatsiravina  ao amin'ny firenena, mpanao lalàna 120 – (matetika hiantsoana hitsikerana azy ireo toy ny ‘osy’ na ‘ondry) ireo mpisera media sosialy ao an-toerana.

Araka ny filazan'ny fampahalalam-baovao ao an-toerana [1] Turmush.kg:

Помимо 120 убитых молнией овец на пастбище Суук-Добо Аксыйского района, с обрыва выбросились 145 овец.Об

этом сообщили в областном управлении МЧС КР. По его данным, когда ударила молния, овцы испугавшись начали разбегаться, и 145 животных упали в обрыв. Чабан вел скот на пастбище Кашка-Суу. А на перевале Суук-Добо был организован временный ночлег, так как стемнело. В общем чабан с помощниками перегонял около 600 голов мелкой домашней скотины. Найдены туши 115 упавших в обрыв овец, которые отданы владельцам. Туши остальных еще не найдены. Комиссия гражданской защиты района и Аксыйское райуправление МЧС проводят уточняющие работы.

Ankoatra ireo ondry 120 matin'ny tselatra tao amin'ny tanety lavan'i Suuk Dobo ao amin'ny distrikan'i Aksy, ondry 145 fanampiny no nananjera tena tany anaty hantsana [taorian'ny tselatra]. Notaterin'ny sampan-draharahan'ny faritra ao amin'ny Minisiteran'ny Vonjy Taitra ao amin'ny Repoblikan'i Kyrgyz [MES] izany. Araka ny lahatahirin'izy ireo, nanomboka nihahaka ireo ondry raiki-tahotra [taorian'ny tselatra], ka biby 145 no nianjera tany anaty hantsana […] Eo am-panatanterahana ny tombana eny ifotony ny Komitim-piarovana ny Sivily sy ny sampan-draharahan'ny distrika Aksy ao amin'ny Minisiteran'ny Vonjy Taitra.

Tamin'ny lahatsoratra Facebook-n'ilay mpanao hatsikana Nurlan Anarbayev mikasika ny lohahevitra, nandeha ny vazivazy:

Евгения Бердникова [2] Это знак того, что просьбы к Мирозданию должны быть максимально четкими. Наверняка ведь кто-то просил космос избавить страну от 120 баранов.

Evgenniya Berdikova [2] Famantarana izao fa tokony miavaka kokoa ny fangatahana nalefa ho an'izao tontolo izao. Nangataka mazava tsara ho an'izao tontolo izao ny olona iray [ao Kyrgyzstan] mba hoesorina amintsika ireo ondry 120.

Azamat Mamytkhan [3] не тех!! не тех баранов! Их тоже 120!

Azamat Mamytkhan [3] Tsy ireo ondry 120 ireo, fa ondry 120 hafa!

Бакыт Молдожанов [4] эт типа – это вам предупреждение. В следующий раз на месте баранов окажитесь вы?

Bakyt Moldozhanov [4] Karazana fampitandremana avy any ambony ve izany? Tahaka ny, amin'ny fotoana manaraka, tsy ho ondry intsony fa [Solombavambahoaka]?

Manaitra ny tsy fisian'ny fiaraha-miory ho an'ny ondry sy ny mpiandry azy ireo, saingy mora takarina tsara kosa ny fankahalana [5] ireo mpanao lalàna.

Ao anatin'ny enin-taona niasàna teo ambanin'ny rafitra izay efa nohalavaina ny fehim-potoam-piasan'izy ireo ao amin'ny lalàmpanorenana, zara raha nanao zavatra mba hanintona ny vahoaka ny mpanao lalàna, miaraka amin'ny solombavambahoaka tompon-daka amin'ny lalàna tsy misy dikany [6]ary koa ireo karazany goavana kokoa [6] izay manindry ny zo fototra.

Raha inoana ireo mpanao lalàna dia efa nieritreritra tsara izy ireo mba hanao sorona ondry maro tamin'ny taona 2011 [7] handroahana ny fanahy ratsy hiala amin'ny governemanta, saingy tsy nahomby izany. Mbola mieli-patrana amin'ny ambaratonga rehetra ny kolikoly ao amin'ny firenena.

Tao amin'ny faritanin'i Xinjiang ao Shina, izay miray sisintany amin'i Kyrgyzstan ary miara-mampiantrano ny tandavan-tendrombohitra Tien Shan, ondry 143 no namoy ny ainy noho ny tselatra izay nahitana [8] ondry 30 fanampiny nalentiky ny rano tamin'ny 2012.