- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Tsara Fiafara ny Romeo Sy Juliette-n'i Tajikistana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Tajikistan, Mediam-bahoaka, Tanora
Henri Pierre Picou's Romeo and Juliet painting. Creative commons.

Sary hosodoko maneho an'i Romeo sy Juliette nataon'i Henri Pierre. Creative commons.

Any amin'i Tajikistana Sovietika teo aloha, mpifankatia roa niangaran'ny vintana no nanaparitaka alahelo sy hatezerana manerana ireo tambajotra sosialy satria dia naleon'izy ireo nisafidy ny hanaisotra ny ainy toy izay hankatoa ireo ray aman-dreniny, izay tsy namela azy ireo hivady. Tanteraka ny fikasan'ilay tovovavy kely, 16 taona, hamono tena, raha toa kosa ka nahiditra hopitaly noho ireo ratra goavana nahazo azy ilay sakaizany 20 taona.

Tao Tajikistana, nanapa-kevitra ny hamono tena tamin'ny alalan'ny fitsambikinana avy eny ambony havoana ireo mpifankatia roa. Nanandrana namono tena tamin'ny fitsambikinana avy eny amin'ny haavo 100 metatra ireo mpifankatia roa avy ao amin'ny faritra Dusli ao amin'ny faritanin'i Khatlon. Tovovavy iray 16 taona sy tovolahy 20 taona no nandeha teo amin'io haavo io noho ny tsy famelàn'ireo ray aman-dreniny azy ireo hivady. Araka ny tatitra navoakan'ny vohikala ofisialin'ny Minisiteran'ny Atitany ao Tajikistana dia ny marainan'ny 7 Jona tamin'ny 7:30 no nitranga ny tantara.

Ireo olona roa ireo, izay mbola tsy nomen'ny mpitandro ny filaminana ny anarany hatreto, dia nitarika adihevitra teo anivon'ireo mpampiasa Facebook any Tajikistana anatin'ny saranga antonony an-drenivohitra mikasika ireo soatoavina sy ny vady atolotra, na dia tsy mazava aza raha izany tokoa no nisakana ny fikambanan'izy roa.

Алина Уланова [1] Родителей нужно казнить таких,21 век на дворе и все ж отдают замуж не по любви …идиотизм просто

Alina Ulanova [1]: Mendrika ny hovonoina ho faty ny ray aman-dreny sahala amin'izany! Efa ao anatin'ny taonjato faha-21 isika izao ary mbola manolotra an-janany hovadiana ihany ny olona, fa tsy [mamela] ny fitiavana. Havendranana.

Ольга Шумилина [2] Бедные детки…Очень жаль их: бездушие взрослых и горячность юности вон как обернулись…

Olga Shumilina [2]: Mampalahelo ireo ankizy. Tena malahelo azy ireo aho. Jereo ny zava-mitranga rehefa atambatrao ny hamafisan-dohan'ny olon-dehibe sy ny fitiavan'ny tanora.

Tsy dia naneho fanohanana loatra ny vondrona iray hafa, farafaharatsiny manoloana ilay tsy maty fo aman'aina, izay nanindry fa aloha loatra raha 16 taona razazavavy no handeha hanambady, eo imason'ny lalàna.

Saingy notsenain'ny hevitra mifanohitra ny hevitr'izy ireo, manambara fa ao anatin'ireo vohitr'i Tajikistana, maro no mandositra ireo fanambadiana ara-panjakana ary mivady amin'ny alalan'ny lanonan'ny nikkah silamo.

Nisy mpampiasa Facebook iray nampiseho ny fitoviana [3] amin'ireo tranga hafa izay niseho tao anatin'ny media tao an-toerana tato ho ato, tahaka amin'ireo reny tanora mahantra nitsoraka niaraka tamin'ireo zanany tao anaty renirano teo anivon'ireo disadisam-pianakaviana sy ny hasarotry ny fitadiavam-bola.

Eny tokoa, manomboka mahazatra tsikelikely ireo famonoana tena mahatsiravina, isan'izany ireo fandoroana tena, ao amin'ity firenena anatinà firenena iray hafa ity, izay manana vahoaka maherin'ny 8 tapitrisa sady faritany lehiben'i Azia Afovoany.

Farany, nisy ireo teny notsongaina tsy azo ihodivirana nalaina avy amin'ny iray amin'ireo andalana avy amin'ilay Anglisy mpanoratra teatra, William Shakespeare:

Olim M Shirinov [4]: Нет повести печальнее не свете, чем почесть о Ромео и Джульетте ….” ((((
И ведь это продолжается из покон веков , из века в века, из года в год… Печально..

Olim M Shirinov [4]: Fa tsy nisy tantara nahontsa mihoatra nòho ny an'i Juliette sy ny Romeo-ny.’ ((((
Ary mitohy an-taonany, isantaona isantaona, taonjato mankamin'ny taonjato izany…mampalahelo…