Ny Tompondaka An-tsary: Ny Fitsidihan'i Muhammad Ali Tao Iran Tamin'ny Taona 1993

Ali 15

Muhammad Ali tao Iran tamin'ny 1993, avy amin'ny mediam-panjakana ao Iran: IRNA

Misy dika iray amin'ity lahatsoratra ity navoaka voalohany tao amin'ny  Medium.

Tamin'ny taona 1993, nanao fitsidihana tao Iran i Muhammad Ali, mpanao ady totohondry nahomby indrindra nandritra ny fotoana maro. Ny fivadihany ho silamo tamin'ny taona 1964 sy ny fandavan'ilay mahery hanao ady totohondry tao Vietnam no nitondra ny fifantohantsain'izao tontolo izao taminy. Lasa mahery fo tao Iran izy, ilay firenena nantsoiny hoe “ny ngeza indrindra”.

Ali 17

Tamin'ny fahafetsan'i Muhammad Ali tamin'ny 3 Jona 2016 teo, teo amin'ny faha-74 taonany, nandefa antontan-tsary iray tety anaty tambajotra ny Masoivohom-baovaon'ny Fanjakana Silamo ao Iran (IRNA). Sary nalaina tao Iran tamin'ny 1993 nandritry ny fitsidihana in-telo nataon'ilay Tompondaka Eran-tany amin'ny lalao Ady Totohondry sokajy mavesatra izy ireo.

Ny maha-olona no antony iray tamin'ny fitsidihan'ilay Tompondaka. Notsidihany avokoa i Iran sy Iràka mba hahafahany mitondra fanampiana amin'ny ezaka ho famotsorana ireo gadra vokatry ny ady. Maro no mbola voatazona an-taonany maro tao am-ponja taorian'ny nitsaharan'ilay ady naharitra valo taona nifanaovan'ny firenena roa nitranga tany amin'ny taona 1980 tany.

Ao anatin'ireny sary ireny, hita mitsidika ireo toerana fivavahana i Ali sady mivory miaraka amin'ireo mpiasam-panjakana isan-karazany tao Iran.

Ali 4 Ali 5 ali 6 Ali 7 Ali 8 Ali 9 Ali 10 Ali 11 Ali 12 Ali 13 Ali 14
Ali 16
Ali 1 Ali 2 Ali 3

Muhammad Ali tao amin'ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny boky tao Téhéran tamin'ny taona 1993. Nandeha tany Iran sy Iràka izy mba hanampy amin'ny famotsorana ireo gadra an'ady.

Sary iray hafa an'i Muhammad Ali tao amin'ny Foara Iraisam-pirenena ho an'ny boky tao Téhéran. Nandeha tany Iran sy Iràka izy mba hanampy amin'ny famotsorana ireo gadra an'ady

Muhammad Ali miaraka amin'ilay lehilahy matanjaka mpisava làlan'ny Revolisiona an-dalamben'ny Iran, Shaban (Bimokh) Jafari AKA “ilay tsisy atidoha.” pic.twitter.com/fP57bfbyq5

Tsy ny taona 1993 akory no fotoana voalohany nitsidihan'i Ali an'i Iran. Nitsidika ny firenena ihany koa izy taloha, tamin'ny faramparan'ny taona 1970 nandritra ny fitondran'ny mpanjaka Mohammad Reza Pahlavi, ny Shah farany tao Iran.

Tsy mikasika ny fandraisana anjara amin'ny maha-olombelona ihany ny fitsidihana tao Iran ny taona 1993. Nandefa taratasy tamin'ny anaran'ilay mpanao gazety, Jason Rezaian, koa izy. Rezaiain izay voafonja tao Iran nandritra ny 2 taona sy tapany.

Nampahatsiahivin'i Rezaian izany tao anatin'ny lahatsorany ho an'ny Washington nanamarika ny fahafatesan'i Ali:

Iray tamin'ireo olona andavitrisany voakitika ara-bakiteny tamin'ny fiainany sy ireo asan'i Muhammad Ali aho.
Tamin'ny 14 Martsa 2015, rehefa nitsidika ahy tao amin'ny fonjan'i Evin ny vadiko, nitsiky noho ny tsy fahitako azy nanomboka teo amin'ny nisamborana anay efa ho valo volana sahady izay, izy.

Namoaka fanambaràna iray nitakiana ny famotsorana anareo i Muhammad Ali,” hoy izy, nidehadehaka.

Ny Martsa 2015, nobitsihan'i Ali ireo fanantenany fa ho afaka tsy ho ela i Rezaian.

Fanantenako ny hamaranan'ny governemanta ny fitazonana lavareny an'i Jason Rezaian #FreeJason#AliTweet

Nisaotra an'i Ali tao anaty bitsika iray i Rezaian nony tafavoaka, herintaona taty aoriana.

Fisaorana lehibe no atolotra ho an'ny olona rehetra eran'izao tontolo izao noho ireo ezaka fanohanana ho #fahafahan'ijason. Indrindra indrindra ho an'i @MuhammadAli, satria izy no Ilay Tompondaka @RealALI_me

Mitomoera amin'ny Hery ry Ali.

Ali car

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.