Noporofoin'ny Vondrona Mpiaro Ny Zon'Olombelona Ao India  Fa Tsy Voatery Hidika Fahaverezam-Panantenana Hatrany Ny Tsy Fahampian'isan'ny Mpampianatra

A Primary Education In Chennai, India. Image from Flickr by GlobalPartnership for Education. CC BY-NC-ND 2.0

Fianarana ambaratonga voalohany ao Chennai, India. Sary ao amin'ny  Flickr avy amin'ny GlobalPartnership ho an'ny Fampianarana . CC BY-NC-ND 2.0

Olana manerana an'i India ny tsy fahampian'isan'ny mpampianatra sy ny foto-drafitrasa ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra. Araka ny tatitra tamin'ny 2015, nisy ny tsy fahampian'ny mpampianatra miisa 1,2 tapitrisa, ary efa ho dimy hetsy ny toerana tsy misy mpampianatra. Ny famoahan'olompirenena iray lahatsary iray vao haingana nampiseho ny tsy fahampian'isan'ny mpampianatra ao amin'ny sekoly fanabeazana fototra ao Bengal Andrefana ao India no nahatonga ireo manam-pahefana hametraka ireo mpampianatra ilaina ho amin'izany.

Voafariparitry ny Lalànan'ny Zon'ny Ankizy Hahazo Fanabeazana tsy maintsy Atrehina sy Maimaim-poana, nolaniana tamin'ny 2009, fa ny tahan'isan'ny mpampianatra dia tokony ho iray isaky ny isan'ny mpianatra 30 noho ny maha zava-dehibe ny fanabeazana tsy maintsy hatao sy maimaim-poana ho an'ny ankizy eo anelanelan'ny enina ka hatramin'ny 14 taona ao India. Hitan'ny tatitra  vao haingana nataon'ny Oxfam fa tsy ampy mpampianatra ny 37 isanjaton'ny sekolim-panjakana fanabeazana fototra Indiana noho ny tsy fahampian'ny famatsiam-bola, izay antony mandrisika ireo mpianatra hiala an-daharana eny an-tsekoly. Hitan'ny Oxfam fa maherin'ny 600.000 ireo mpampianatra am-perinasa no tsy voaofana, ary ny tena ratsy – sekoly miisa 6404 amin'ny tokotokony ho eo amin'ny 760.000 amin'ireo sekoly fanabeazana fototra ao India no tsy manana mpampianatra akory .

Volana vitsy lasa izay, nahita i Soriya Banu (mpikambana ao amin'ny fiaraha-monin'ny fampitam-baovao iraisam-pirenena sy ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Video Volunteers )  fa samy tsy maintsy manara-maso eo eo amin'ny ankizy 200 eo,manomboka amin'ny  enina ka hatramin'ny 12 taona ny mpampianatra telo (anisan'izany ny mpampianatra vonjimaika sy ny tale) ao amin'ny sekoly iray ao Andrefan'i Bengal. Araka ny taha voalaza ao amin'ny Lalànan'ny Zo Hahazo Fanabeazana tamin'ny 2009, mila mpampianatra dimy fanampiny fara fahakeliny ny sekoly. Nanoratra i Soriya hoe:

Could the apathy towards the school be because only dalit and muslim children attend? One certainly hopes not. Yet the response from the Sub-Inspector of Schools sounds rather casual. “If the Head Master asks us for more teachers we will send him some from other schools.” Surely the Head Master has already made several such requests. And does this imply that other schools in the district are adequately staffed?

Hita ny tsy firaharahiana sekoly satria ny ankizy Dalit sy ny Silamo ihany no manatrika izany? Misy manantena fa tsy izany. Somary maivana anefa ny valinteny avy amin'ny mpanara-maso lefitry ny Sekoly. “Raha  mangataka aminay mpampianatra bebe kokoa ny Tale, dia handefa any aminy mpampianatra maromaro avy amin'ny sekoly hafa izahay.” Azo antoka fa efa nanao fangatahana maro toy izany ilay Tale. Midika ve izany fa ampy mpiasa araka ny tokony ho izy ireo sekoly hafa any amin'ny distrika ?

Afaka mijery ny horonantsary fohin'ny “Video Volunteers” voalaza etsy ambony eto ambany eto ianareo.

Nandeha tany amin'ireo manampahefam-panjakana maro tao an-toerana i Soriya ka nampiseho azy ireo ny lahatsary. Tonga hatrany Manas Chowbay, mpanara-mason'ny sekoly avy any Kaliachak, ny ezaka nataony. Novaliany tamin'ny fandefasana fangatahana ho any amin'ny filohan'ny Vaomieran'ny Sekoly Fanabeazana Fototry ny Distrika izany, ka nanosika ny manam-pahefana handefa mpampianatra any Uttar Dariyapur mba hameno ny toerana banga. Tao anatin'ny enimbolana taorian'ny tatitra, nahazo mpampianatra maharitra iray sy lehiben'ny mpampianatra ny sekoly, izay nametraka ny fizaran'ny sampam-pianarana tao amin'ny sekoly ho efatra .

Nanoratra momba ny anton'ny tsy fahampian'ny mpampianatra any India i Akashi Tripathi :

The government run schools are reluctant towards filling up the vacant permanent posts of teachers for cutting up the costs. They do this by appointing teachers temporarily on an ‘ad hoc basis’. [..] By the time the ad hoc teachers understand the needs of the students, they have to leave their jobs in the same school or move to the next school. In a situation like this, teachers themselves also look for other opportunities which are more of a ‘permanent nature’ and when they can’t find them, they move in a different direction altogether.

Miahotra ny sekolim-panjakana amin'ny famenoana ny banga maharitra amin'ny toeran'ny mpampianatra mba tsy hizarazan'ny vola. Manao izany amin'ny alalan'ny fanendrena mpampianatra vonjimaika [..]. Rehefa  takatry ny mpampianatra vonjimaika ny zavatra ilain'ny mpianatra, dia tsy maintsy nandao ny asany ao amin ‘ny sekoly na nifindra any amin'ny sekoly manaraka ry zareo. Amin'ny toe-javatra toy izany, mitady zavatra manana endrika ‘maharitra ‘ ihany koa ireo mpampianatra, ary mifindra any amin'ny lalam-[pitadiavana] hafa mihitsy izy ireo rehefa tsy mahita .

Lasa miteraka aingam-panahy ho an'ny olona maro manerana ny firenena ny mahatratra ny sata maha mpiasam-panjakana sy ny hahazo tombony amin'ny fanabeazana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.