Tsy Misy Firenena Ho An'ny Fampihomehezana? Manenjika Ilay Indiana Mpanao Hatsikana Amin'ny Lahatsary Snapchat Ireo Mpanao Politika

Screenshot from Tanmay bhat's controversial snapchat video about sachin tendulkar and Lata Mangeshkar

Dikasary avy tamin'ilay lahatsary Snapchat an'i Tanmay Bhat nbiteraka resabe, mikasika an'i sachin tendulkar sy Lata Mangeshkar

Amin'ny azo lazaina ho fihetsika faran-tampony taorian'ny zava-nitranga, nametraka fitoriana tany amin'ny polisy ary nandrahona an'ilay mpanao hatsikana, noho ny nandefasany lahatsary mananihany miresaka ireo olo-malaza Indiana roa ireo antoko politika avy amin'ny elatra havanana Indiana. Mazava ho azy, tsy fomba tena feno fahatsorampo hanehoana fandokafana any India ny fakàna tàhaka.

Ao amin'ilay lahatsary, Naka tàhaka niaro hanihany an'ilay Indiana mpilalao cricket fanta-daza, Sachin Tendulkar, sy ilay mpihira Bollywood tsy misy toa azy, 86 taona, Lata Mangeshkar, i Bhat ; nampiseho teny mifamaly eo amin'ireo olona roa ireo. Tao anatin'izany, nampiasa ny “Game of Thrones” (Kilalaon'ny Satroboninahitra) izy, ary namaritra ilay mpihira antitra ho “5000 taona,” nilaza tamin'ny hanihany hoe efa tokony ho faty izy.

Lasa nalaza be tao amin'ireo sehatra media sosialy ilay lahatsary, izay raisin'ireo maro ho toy ny mampietry ary tsy mampihomehy.

Naharay fitarainana roa nikasika ilay lahatsary ny polisin'i Mumbai, renivohitra ara-bola any India, ny iray avy tamin'i Narendra Modià mpanao politika eo an-toerana iray, avy ao amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana “Bhartiya Janata Party” (BJP), izay nilaza fa manala baràka ilay lahatsary. Ny iray hafa avy tamin'ny vondrona Shiv Sena mpomba ny BJP sady namana akaiky azy avy any Maharashtra, izay nandrahona ny hikasi-tànana an'i Bhat noho ny fananihaniany ireo olo-malaza roa ireo.

Jereo eto ambany  ilay lahatsary

Ny 31 May, nangataka ny Google, Facebook ary Orkut izay sehatra efa maty ankehitriny ny polisy Indiana, mba hibahana ilay lahatsary navoakan'ilay mpanao hatsikana Tanmay Bhat. Tsy nanao fanambaràna ofisialy tamin'ilay raharaha ireo orinasa, fa nanipika tamin'ireo media hafa kosa fa hoesorina ilay votoaty rehefa aroso miaraka amin'ny didy avy any amin'ny fitsaràna manankery manaporofo ny tsy maha ara-dalàna azy araka ny lalàna eo an-toerana. Hatreto aloha, tsy misy marika hoe nisy izany didy izany navoaka, ary tsy nandray fepetra araka ny lalàna tamin'i Tanmay Bhat ny polisy.

Tsy voalohany izao no nifandonan'i Bhat tamin'ireo olo-malaza matanjaka. Teo aloha, efa teo anivon'ny resabe ilay vondrona mpanao hatsikana Indiana “All India Bakchod” (AIB), izay anisany mpanorina azy i Bhat, noho ny fanehoany mamaivay ireo mpilalao sarimihetsika Bollywood-n'ny indostrian'ny sarimihetsika Indiana, tafiditra amin'izany i Deepika Padukone, Ranveer Singh, Alia Bhatt, Arjun Kapoor ary Karan Johar. Nisy fitoriana napetraka, ary nisy fikarohana nataon'ny polisy mikasika ireo hanihany miaro resaka firaisana ara-nofo mivantambantana..

Tamin'io volana Janoary io, niteny ireo polisin'ny tanàna tsy hameno taratasy fitoriana ireo mpilalao ary mpampihomehy rehetra ao amin'ny AIB, amin'ny ‘raharaha heloka bevava’ ny Fitsaràna Antampon'i Bombay. Avy eo, nametraka fangatahana tany amin'ny fitsaràna antampon'i Bombay ireo mpilalao sy mpanao hatsikana, nangataka ny hanafoanana ireo fitorian'ny polisy azy ireo.

Fahalalahana miteny vs. Votoaty Manitatra

Nahatonga resaka mikasika ny laharana farany misy an'i India amin'ny fahalalahana miteny ilay lahatsary; nanjohy izany koa ireo mpilalao sarimihetsika, mpanao politika, ary ireo vondrona voahilikilika, nandray anjara tamin'ilay adihevitra.

Tokony atao mankeo an-tongotr'i Latajis ilay lahatsary an'ny AIB – #TanmayBhat, ary mamoaka fialantsiny ampahibemaso. Maharikoriko.

Nanohana ny #AIB aho nandritra ilay resabe mahamay iny satria nanaiky ny ho hadrohadroina ireo olona ireo. Ito tena tsy hanihany, tena fanompàna mihitsy ito. #TanmayBhat

Afaka tsy mitia ny hanihaniny ianareo, miantso ny anarany, tsy manaraka azy, fa aza saziana amin'ny zavatra ataony ilay lehilahy..ny asany amin'ny maha mpanao hatsikana azy!#tanmaybhat

Tatitry ny fahapotehana noho ilay lahatsary #TanmayBhat, hatreto:
Fahavoazana = 0
Fandatsahan-drà = 0
Fahapotehana tamin'ny fananam-bahoaka = 0
Fotoana lany tamin'ilay resaka = tsy voatanisa

Ilay koperativa Amul, marika ronono Indiana, fantatra amin'ny fananihaniany ny raharaha mitranga sy ireo hetsika malaza, namehy ilay tranga tamin'ny petadrindrina mifanaraka tsara taminy.

Fotokevitra #Amul : Lahatsary nahatonga resabe nahazo kiana be. pic.twitter.com/Vp52LpinZw

(‘Joke se Jokhim tak Firse Amul Khao’ midika amin'ny teny Anglisy hoe ‘Amin'ny hanihany ka hatramin'ny mampidi-doza, misotroa Amul Indray’.)

Manoratra izao i Amit Varma, mpanoratra tsy miankina avy any Mumbai:

Raha nosoloin'i Bhat ho endrika masina tsy azo hanihaniana ny hoe Sachin sy Lata, te-hiteny amintsika fotsiny izy ny mba hihomehy amin'ny tenantsika. ‘Jereo isika, tena mampihomehy sy mampalahelo. Hahaha.’ Mieritreritra aho hoe nataony tsara mihitsy iny — hoe fahaizana mandinika tsara ilay hatsikan'i Mangeshkar ‘tarehy ao anaty rano’— fa na  tsy nisaina toy izay aza ianao, tsy tokony ho olana izany. Mitombo hatrany ny heriny, na eo aza izany.

Manoratra izao i Kaushik Moitra avy any Quint:

Na ampangaintsika ho mpanelilngelina fiarahamonina aza ilay mpanao hatsikana, izay heloka tsy hita ao amin'ny Lalànan'ny Indiana momba ny Heloka Bevava, tsy feno ny zavatra takiana amin'izany ary ny sazy farany ambony mety ho azony amin'izany dia Rs 200.

Nanoratra lahatsoratra Fecebook manohana ny fahalalahana miteny ny Kongresin'ny antoko mpanohitra misy an'ilay mpanao politika Shashi Tharoor:

“Zavatra tsy misy dikany koa ny famaritana ny olona azo na tsy azo hanihaniana. Nisokatra tamin'ny fahafahana nihomehy ireo tompointsika foana isika hatrizay. Aleo tsy atao andriamanitra kely ny olona ka ho ambony sy lavitry ny tsikera, sarimiaina na hanihany.”

Ito no nosoratan'ilay mpamoaka lahatsoratra Indiana, The Hindu, taminà matoandahatsoratra nomeny ny lohateny hoe “Tsy misy hanihany: Indiana isika”:

Mazava be sy voaomana ny hoe natao hanemporana ny fahalalahana maneho hevitra io, hanerena ny olona manaraka eo mba hijery tsara ny eo an-kilany mialoha ny hananihaniany olo-malaza manaraka. Fomba iray tena mafy amin'ny tsikera ny novazivaziana. Afaka tsy raharahianao izay fanetrena anao ho ambany — fa tsy ny hanihany maneho anao mampivanitika ny vahoaka. Mba hiatrehana ny fananihaniana ao anatin'ny fiarahamonina demokratika, mila miditra amin'ny kolontsaina ifandrimbonan'ny besinimaro, kolontsain'ny fisokafana amin'ireo resaka rehetra. Hita mazava fa tsy mbola amin'izany mihitsy ireo olo-malazan'i India. Nandetika an'i India ireo mpanao politika sy ireo olo-malaza (indrindra ireo malaza mpilalao sarimihetsika sy cricket ), tsy hoe tamin'ny fampiasàna ny fitaovana mahery indrindran'ny lalàna mba hiadiana amin'ireo fomba fiteny amin'ny hatsikana atao azy ireo, mba hanerena ny fanivanan-tena momba izay mety hampihomehy antsika. [..] Ao amin'ny fiarahamonina izay mety ho hatao porofon'ny fisavàna sy hetsiky ny polisy izay zavatra mety ho ataonao hanihany ho anao manokana, tsy misy toerana afaka atokana ho an'ny hanihany zaraina amin'ny hafa, ho an'ny hatsikana mba hiroboroboany tsara, mahatonga ny ankamaroan'ny fiarahamonina hikombona ny tena mahatsikaiky marina sy ny tena mahalatsaka aza, na mety hoe mampihomehy sy ny tsy mampandroso.

Ito no namehezan'i Ranjita Ganesan, ao amin'ny Rediff, ilay adihevitra:

Ao amin'ny sehatry ny hatsikana Indiana, mbola misahotakotaka ny resaka mikasika ny hoe azo ekena. Raisina tena matotra be foana ny hanihany, miaraka amin'ireo olona mitady ny hanaovana fepetra faran'izay mafy, tafiditra amin'izany ny fisamborana sy ny fibahanana. Feno votoaty be resaka be foana ny AIB na tsy tena mbola ao tsara aza ny kalitao indraindray.

Milaza ny fitrotroana ny fitoviana sy fahamaroan'ny kolontsaina i India eo amin'ny tontolo manerantany, satria maro ireo karazana vondrompiarahamoninà ara-poko mipetraka any amin'ilay firenena Aziatika Atsimo. Fa ireo karazana zava-nitranga farany, hatrany amin'ny fanafihana fandoroan'olona noho ny ny fihinanana henomby tany Dadri, fanafihana ireo vehivavy mpikatroka mafana fo, ary ireo fitarainan'ny polisy manohitra ny mpanao hatsikana, dia samy manamarika ny fiovàna eo amin'ny fironana ara-piarahamonina, mety hoe avy amin'ilay fiovàn'ny mpitondra ara-politika ny taona 2014.

Tsy ilaina ny miteny hoe vao mainka nampitombo ny fijerena sy ny fifantohana noho ny tokony ho azony ilay resabe tamin'ilay lahatsary, raha oharina amin'ny hoe raha nangina ireo mpitsikera an'i Bhat.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.