- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miresaka Fahalalaham-Pitenenana Amin'ny Alalan'ny Mini-Video Ny Tanora Makedoniana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Frantsa, Makedonia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
Participants in the "Freedom of Expression Through Mini-Video" Competition. Photo: L’Institut français de Skopje. [1]

Mpandray anjara amin'ny Fifaninanana “Fahalalaham-pitenenana amin'ny alalan'ny Mini-Video”. Saripika: L’Institut français de Skopje, nahazoana alalana.

Nandray anjara tamin'ny resaka fahalalaham-pitenenana tamin'ny lahatsary fohy, izay tafiditra amin'ny fifaninanana misokatra ho an'ny rehetra [2] ary nojerena nandritra ny Fetiben'ny Filma Frantsay tao Skopje [1] ny tanora artistan'ny video. Na ny fetibe na ny fifaninanana dia samy ao anatin'ny fiaraha-miasa ara-kolontsaina maharitra misy eo amin'i Frantsa sy i Makedonia.

Ny iditra roa voalohany dia tafiditra ao amin'ny sarimihetsika mangina mahazatra, izay mipaka avy hatrany any amin'ny mpijery tsy mila mamantatra ny fiteny. Ny lahatsary izay voafantina ho mpandresy ihany tamin'ny fifaninanana dia i “Shhh…” [3] nataon'i Bruno Veljanovski:

Ny “On and Off” [4], izay fohy vita tamim-pahaizana nataon'i Natalija Stanojevikj no nahazo ny toerana faharoa:

Miaraka amin'ny fahalalaham-pitenenana indray, ny lahatsary amin'ny teny anglisy nataon'i Elion Jashari, “Speak louder” [5] [mitenena mafy kokoa] no niresaka pollution in Tetovo [6], tanandehibe iray ao avaratra andrefan'i Makedonia:

Samy azon'ny daholobe jerena ao amin'ny Rakitsary YouTube iray lisitra [7] avokoa ny iditra fito nandray anjara tamin'izany.

Ny Ivontoerana Frantsay ao Skopje [8] sy ny Orina Mpanasoa Metamorphosis [9], izay efa nanome fanazarana amin'ny fanitsiana lahatsary ihany koa ho an'ny kandidà sasantsasany, no nanomana ny fifaninanana. Ny mpandresy dia handray anjara amin'ny Fetibe Off-Courts [10] ao Trouville any Normandy amin'ny Septambra ho avy io. Nanomboka tamin'ny taona 2000 ity lanonana fanao isan-taona ity [11], ary mampiranty sarimihetsika fohy, mozika, zavakanto ara-maso ary fampitan-kevitra amin'ny endrika vaovao novokarina tao Frantsa sy Quebec ao anatin'ny herinandro.