Fifandraisana Sy Fanondroana An-tsarintany Ny Herisetra Misy Aty Afrika Atsimon'i Sahara

A screenshot of the Sub-Saharan Security Tracker (SST) .

Pikantsary avy amin'ny fitaovana Fanondroana sy Fiarovana ny Afrika Atsimon'i Sahara na Security Tracker (SST) .

Ny Vaomieran'ny Fifandraisana Ivelany dia mpandini-draharaham-pirenena tsy mitady tombontsoa sy famoahana iray mifampiraharaha amin'ny politika ivelan'i Etazonia sy ny raharaha  iraisampirenena. Eo ambany fitarihan'i John Campbell, ilay Zokiolona Sakaiza Ralph Bunche misahana ny Fianarana Politika Afrikana (manana traikefa betsaka amin'ny politikan'ny Etazonia manoloana an'i Afrika i Campbell  ary nandray anjara tamin'ny fanasongadinana ny ady amin'ny VIH/SIDA tao amin'ny kaontinanta), no namoahan'ny Vaomiera ilay fitaovana lehibe antsoina hoe Sub-Saharan Security Tracker (SST) na ny Fitsongoan-dia Fiarovana an'i Afrika Atsimon'i Sahara hanaraha-maso ny fironana herisetra ara-politika ao amin'ny firenena 48 manerana an'i Afrika Atsimon'i Sahara.

Novolavolain'i Allen Grane sy i Asch Harwood ilay fitsongoan-dia ary manovo ny lahatahiry avy any amin'ny Lahatahirin'ny Toerana sy Toejavatra Misy Disadisa Mitam-piadiana (ACLED) , sy mametraka ho tahirin-kevitra ny herisetra aty Afrika amin'ny alàlan'ny fanarahamaso ireo loharanom-baovao misokatra, ny tatitra avy amin'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana, ary ny lahatahiry azon'ny rehetra jerena. Efa  tany amin'ny 1 Jona 2011 ny antontanisa no nanomboka ary havaozina isam-bolana. Tsy tahaka ny angondrakitry ny ACLED anefa ilay fitaovana fa mampifandray sy manivana ny vaovao mikasika an'i Afrika Atsimon'i Sahara. Tena ilaina indrindra izy io satria maharakotra firenena 60 aty Afrika sy Azia ny angondrakitra ACLED .

Zavamisy any amin'ny firenena maro aty Afrika Atsimon'i Sahara amin'izao fotoana izao ny herisetra atao amin'ny daholobe – Sodana Atsimo, Somalia , Repoblika Demokratikan'i Congo, Tchad , Repoblika Afrika Afovoany, Nizeria ary Mali, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo vitsivitsy. Sady misy olom-panjakana no misy olon-tsotra ihany koa ireo tompon'andraikitra amin'izany, ao anatin'izany ny vondrona ekstremista toy i Boko Haram, Al Shabaab, ary Anti-Balaka .

Araka ny fanambarana an-gazety iray,  mampiasa teboka lahatahiry maherin'ny telo tapitrisa ny fitsongoan-dia hanondroana an-tsarintany ny fahafatesana vokatry ny herisetra ara-politika, ary manasokajy azy ireo amin'ny alalan'ny sokajy ara-jeografia, ny fironana manavatsava fotoana, ary ny mpandray anjara tafiditra amin'izany.

Toy izao ny fanazavan'ilay fanambarana :

The data reveals meaningful trends over the past five years. For instance, a plurality of deaths associated with political violence are caused by state forces, rather than rebel forces or other militias. The group responsible for the most deaths, however, is Boko Haram, and it is followed by the military forces of Sudan and Nigeria. Consequently, Nigeria has been site of the most political violence.

The data is presented in five easily understandable charts:

  • a map of sub-Saharan Africa indicating quantity of deaths in each country
  • a breakdown of deaths by the category of perpetrator
  • a line graph tracking incidents between armed actors and incidents against civilians
  • a line graph tracking overall politically related deaths since 2011
  • a tally of death caused by the most active state and nonstate groups in the region

Maneho ny fironana miseho matetika tato anatin'ny dimy taona ny angondrakitra. Ohatra, ny fahafatesana maro mifandraika amin'ny herisetra ara-politika nataon'ny tafi-panjakana, fa tsy nataon'ny tafika mpikomy na vondrona milisy. Na izany aza ny an'i Boko Haram no tompon'andraikitry ny fahafatesana olona betsaka indrindra, manaraka azy ny tafika Sodàney sy Nizeriana. Noho izany, Nizeria no toerana ahitana ny herisetra ara-politika maro indrindra.

Aseho amin'ny tabilao dimy mora takarina ny lahatahiry:

- Sarintanin'i Afrika atsimon'i Sahara manondro ny isan'ny maty isaky ny firenena
– Ny fizarazaran'ireo maty voasokajy arakaraky ny nahavanon-doza
– Ny tsipika an-tsoritra mitsongo dia ny tranga ifanandrinan'ireo olona mitam-piadiana sy mamely sivily
– Ny tsipika an-tsoritra manondro ny isan'ny maty ankapobeny mifandraika amin'ny politika hatramin'ny 2011
– Ny fanisana ireo maty nataon'ny vondrona ara-panjakana na tsia ao amin'ny faritra

Mampiseho ny fahafatesana  vokatry ny herisetra ara-politika nandritra izay fotoana izay ny sary (soritra) eto ambany:

A screenshot of a graph from the tracker.

Pikantsarin'ny kisary avy amin'ny fanondroana.

Mamela ny mpikaroka, ny mpanao gazety sy ny mpanao lalàna mba hamantatra ny fironana herisetra ankehitriny sy rahampitso ao amin'ny faritra ny fitsongoana dia. Na izany aza, nanamarika  ny Vaomieran'ny Fifandraisana amin'ny any Ivelany fa :

The ACLED data [which is the source of their information] has limitations. The quality of reporting across sub-Saharan Africa varies, as do incident accounts. Political manipulation may affect media accounts. Such limitations make the SST figures indicative rather than definitive.

Misy fetra ny lahatahiry ACLED [izay loharanon'ny torohain'izy ireo]. Miovaova ny toetry ny tatitra manerana an'i Afrika atsimon'i Sahara, tahaka izany ny kaonty mpitatitra zava-nitranga. Mety hisy fiantraikany amin'ny kaontin'ny fampitam-baovao ny fanodinkodinana ara-politika. Ny fetra toy izany no mametraka ny tarehimariky ny SST ho fanondroana tsotra ihany fa tsy ofisialy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.