- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manameloka Ny Praiminisitra Ho Mihatsaravelatsihy Tamin'ny  ‘Eritreriny Sy Ny Vavaka’  Nataony Ho An'i Orlando Ny Fiarahamonina LGBTQ  Ao India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona
Bengaluru Queer Pride Parade 2009 Image from Flickr by Vinayak Das. CC BY 2.0 [1]

Paradim-pireharehana pelaka Bengaluru 2009. Sary ao amin'ny Flickr avy amin'ny Vinayak Das. CC BY 2.0

Nahafatesana olona 49 sy naharatrana 53 ny famonoana [2] tao amin'ny klioban'ny sarimbavy tao an-tanànan'i Orlando ao Amerika tamin'ny 12 Jona 2016.  Nikarakara diabe am-pilaminana [3] ny vondrona maro mpiaro ny zo ao India ho firaisankina miaraka amin'ireo niharam-boina noho ny herisetra famonoan'olona mihatra  amin'ireo sarindahy sy sarimbavy, ny sady lahy no vavy, ny lahy tia lahy, vavy tia vavy sy ny nanova fitaovam-pananahana (LGBTQ) any Etazonia .

Naneho ny fiaraha-miory tamin'izy ireo ihany koa ny Praiminisitra Indiana Narendra Modi, ary nanameloka ny fitifirana tao amin'ny sioka iray, fahagagana ho an'ny fiaraha-monina LGBTQ , izay tsy mahita azy ho mpanohana izany.

Nanamarika tsara ireo mpikatroka maro, na izany aza, fa nifehy tena tsy nilaza ny teny hoe LGBTQ tao amin'ny sioka i Modi :

Tohina tamin'ny fitifirana tao Orlando Etazonia aho. Any amin'ireo fianakaviana nidonam-pahoriana sy ireo naratra ny eritreritro sy ny vavaka ataoko.

Olana lehibe Ao India ny herisetra atao amin'ireo vondron'olona mpitia fananahana mitovy, izay miatrika fandrahonana ho faty [5],herisetra sy fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina. Tamin'ny 2009, nanaisotra ho tsy ho heloka [6] ny fifandraisana ifanarahan'ny samy lahy hiaraka samy olon-dehibe ny didim-pitsarana manan-tantara nataon'ny Fitsarana Ambonin'i Delhi, ary nanafoana ny andininy faha 377 [7] tamin'ny Fehezan-dalàna indiana famaizana izay lany tao anatin'ny Lalàmpanorenana Indiana  tamin'ny  fitondrana faha-panjaka Britanika tamin'ny 1861. Mametraka ny firaisan'ny lahy sy ny lahy ho tsy “voajanahary” na “mifanohitra amin'ny lalànan'ny natiora” izany.

Noho izany, maro ny antso teo anivon'ny Fitsarana Tampony tao India, tsy nanaiky ny didim-pitsarana nataon'ny Fitsarana Ambony tao Delhi [8]. Nanafoana ny  didim-pitsaran'ny Fitsarana Ambony tao Delhi ny Fitsarana Tampony ny 11 Desambra 2013, ary namoaka didy [9] fa diso ny didim-pitsarana. Mbola mihantona eo anivon'ny fitsarana sy ny parlemanta ny olana nateraky ny didim-pitsarana.  Tsy nanaiky hanova ny lalàna ny governemanta elatra havanana Bharatiya Janata Party (BJP) [10].

‘Mihevitra ve ianao fa miaina milamina ny olona LGBT ao India?’

Nanenjika an'i Modi ireo mpisera amin'ny media sosialy noho ny fandavany fa ireo fiaraha-monina LGBTQ no lasibatra tamin'ny fanafihana tao Orlando  .

Tompoko, trano fandihizan'ny sarimbavy ilay izy.

Niady hevitra i Rachita fa tsy tamin'ny fo madio ny siokan'i Modi.

@narendramodi [11] nanao izany ianao, tsy manana zo haneho firaisankina amin'ireo ny fiaraha-monina tany Orlando ianao . # scrap377

@narendramodi [11] tsy misy antony tokony hanomezana ” eritreritra sy vavaka ” ho an'ny fianakavian'ny fiaraha-monina LGBTQ tao Orlando raha toa ka tsy mandalo amin'ny resaka voalohany

Nanameloka an'i Modi tamin'ny tsy fahampian'ny fahaiza miara-miory ny fiarahamonina LGBTQ ny sasany:

@narendramodi tsy misy vavaka mandaitra raha tsy mandà ny 377 na mivavaka in- 2002 . Mazotoa😃

Nefa tsy tohina fa mbola mametraka ho jiolahy ao amin'ny fireneny ny pelaka. https://t.co/hdmEV8KJ3R [17]

Andriamatoa PM @narendramodi [11] ji, mihevitra ve ianao fa miaina milamina ny olona LGBT ao India ? Tahaka izany koa ny ao amin'ny governemantaNAO ?

Fa ny hafa  kosa niantso azy ho mpihatsaravelatsihy .

Noheverina ho mpanao heloka bevava noho ny Lalàna misy ao India ireo mpikambana ao amin'ny fiarahamonina sarimbavy  izay maty tany #Orlando . Sambory ny 22 ho an'i Modi .

‘Tsy mbola nahatsapa ho voafitaka bebe kokoa aho hatrizay’

Nilaza [22] tao amin'ny Facebook i Sakshan Bhatnagar ny halehiben'ny fandratrana tamin'ny siokan'i Modi :

Narendra Modi, you murder the victims of the Orlando shooting a second time by refusing to acknowledge that they were killed because they were LGBT. Would it have reduced your shock or sorrow to speak of the root cause of shooting, the homophobia we in india still call our culture?

Narendra Modi, mamono fanindroany ireo niharam-boina tamin'ny fitifirana tao Orlando ianao  amin'ny fandavana tsy hiaiky fa novonoina izy ireo satria  LGBT. Moa ve mampihena ny fahatairanao na ny alahelonao ny hilaza ny antony fototra nahatonga ny fitifirana, mbola miantso antsika eto India ny kolontsaina mankahala pelaka ?

Nanoratra taratasy misokatra ho an'i Modi ilay mpanatontosa sarimihetsika sady mpanoratra tantara Apurva Asrani izay nanantontosa sarimihetsika farany mikasika ny fiarahan'ny lahy samy lahy mitondra ny lohateny hoe Aligarh [23]. Ka nanontany [24] azy hoe:

While your words seemed kind and compassionate, I would like you to know, sir, that they shook me up. I have never felt more betrayed. Your 110 character tweet was missing five important characters. Five characters that would reveal a truth that your government is refusing to acknowledge-LGBTQ’!

The Orlando shooting took place in a gay club. Those that perished were all members of the LGBTQ community. You surely know sir, that LGBTQ stands for Lesbian, Gay, Bisexual, Transgender and Queer people. It is an umbrella term for a people with an alternative sexual orientation. We exist not just in the United States and the rest of the world, but in India too.

Raha toa tsara fanahy sy mangoraka ilay teninao, tiako ny mampahafantatra anao, tompoko, fa nanaitra ahy ilay izy. Tsy mbola nahatsiaro voafitaka toy izany aho.  Tsy ampy litera dimy manan-danja ny siokanao 110 litera. Endri-tsoratra dimy izay manambara ny marina fa ny governemantanao dia tsy mety mankato ny fisian'ny LGBTQ!

Niseho tao amin'ny klioban'ny pelaka ny fitifirana tao Orlando. Mpikambana  ao amin'ny fiaraha- monina LGBTQ daholo ireo rehetra maty. Ianao mahalala tokoa tompoko, fa ny LGBTQ dia midika hoe vavy tia vavy, lahy tia lahy, sady lahy no vavy, nanova fananahana ary ireo tsy lahy tia vavy na vavy tia lahy. Teny manaloka ireo olona manana fironana ara-pananahana hafa izany. Tsy any Etazonia ihany no misy anay na any amin'ny faritra sisa amin'izao tontolo izao, fa eto India ihany koa.

Niresaka tamin'ny tranonkalam-baovao First Post ilay mpikatroka mpiaro ny zon'ireo nanova fananahana Laxmi Narayan Tripathi ary nitsikera [25] ny governemanta Indiana ka nanao hoe: “Miteny amin'i Narendra Modi [26]indray aho mba hanao asa mifanaraka amin'ny fototra manontolo nanorenana ny demokrasia ao India natao ho an'ny vahoakany eto amin'ny taniny ary hanome azy ireo fiainana milamina. “