- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpanao Gazety Rosiana Milaza Amin'ny Lehilahy Iray Hiasa Mafy, Raha Tsy Afaka Mandeha Vakansy

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Politika, Tsidika, Akon'ny RuNet
Image by Kevin Rothrock. [1]

Vladimir Soloviev miaraka amin'ny volabe azony tao anatin'ny asa mafy. Sary avy amin'i Kevin Rothrock.

Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, tamin'ny 10 Jiona, nahasarika ny sain'ilay mpanao gazety Vladimir Soloviev, izay tazana tao amin'ny seranam-piaramanidina tao Moskoa niditra ny fiaramanidina handeha ho any Roma ny kaonty maka tahaka iray malaza indrindra ao amin'ny aterineto Rosiana. Nisioka [2]ilay kaonty maka tahaka hoe “hisidina hamonjy ny trano raitrany ao Italia, firenena ao anatin'ny vondrona mahery setra OTAN  ilay mpanao propagandy Vladimir Soloviev. Fa ianao no mpamadika firenena!”

Iray amin'ireo mpanolotra fandaharana malaza indrindra amin'ny onjam-peo sy fahitalavitra ao Rosia i Soloviev. Tahaka ny ankamaroan'ny rehetra malaza amin'ny haino aman-jery Rosiana, manohana an'i Kremlin izy amin'ny ankapobeny, nanatontosa ny antsafa [3] voalohany tamin'i Vladimir Putin izy ohatra taorian'ny fanombohan'ny fanafihana an'habakabaka Rosiana tao Syria tamin'ny fararano farany teo.

Amin'ireo mpanjohy miisa 1,42 tapitrisa [4] ao amin'ny Twitter, miavaka amin'ny fahavononany hiresaka amin'ireo olona sendra azy ao amin'ny aterineto ihany koa i Soloviev, matetika miditra amin'ny hevitra lavabe miaraka amin'ny olona mitady ho tsy faly tanteraka aminy.

Tamin'ny faran'ny herinandro lasa tamin'ny 19 Jona, nanoratra hafatra am-polony izy fara fahakeliny ho an'ny lehilahy iray atao hoe Petr Zamkovoi, izay milaza fa monina ao Rostov-on-Don, tanàna seranan-tsambo akaikin'ny Ranomasin'i Azov. Manana mpanjohy 111 [5]monja i Zamkovoi (raha 33 izany tamin'ny herinandro lasa), saingy naka fotoana nampianatra azy momba ny fahamendrehan'ny asa mafy sy ny fanomezana zavatra ho an'ny fianakaviana i Soloviev.

Nadikan'ny RuNet Echo tamin'ny teny Anglisy ireo fifanakalozan-kevitra miavaka [6]:

Vladimir Soloviev [addressing all his Twitter followers]: Where do you like to go on vacation and why?

Petr Zamkovoi: I stay at home because there’s only enough money for food and the utilities, but you hang in there… [This is a reference to a recent meme inspired by awkward comments [7] by Russian Prime Minister Dmitry Medvedev.]

Vladimir Soloviev: How old are you?

Petr Zamkovoi: I’m 38 years old. I live in Rostov, and I work as a manager for 25,000 rubles ($390) a month. My wife is on maternity leave. My mom is 75, and her monthly pension is 8,500 rubles ($132).

Vladimir Soloviev: So work more, and provide your mom with dignity in her old age. But you’d rather play at “oops,” instead of working up a sweat.

Petr Zamkovoi: Yeah, not really, Vladimir. I had my own business, and I worked my butt off 24 hours a day, but the guys from the OBEP [Russia’s police department that combats economic crimes] didn’t like it too much. They saw to some things…

Vladimir Soloviev: And these guys just showed up? Or did they have a reason to come? Or is this now your excuse for not earning more money and not supporting your family?

Petr Zamkovoi: In this regime, there’s always some reason. On one side, you’ve got serfs, and on the other, there are the lords.

Vladimir Soloviev: Now you’re just babbling. So you were working “in the gray” [declaring only part of one’s earnings to the government for tax purposes]

Petr Zamkovoi: And these conditions were created specially—so everyone would be holding [cash] and handing it out to everyone.

Vladimir Soloviev: Created by whom? The choice [to report your earning] is always yours.

Petr Zamkovoi: Vladimir Vladimirovich Putin personally, and his team. But Yeltsin’s to blame for everything, you slave away saying. And [you say my] position is wrong…

Vladimir Soloviev: Funny. It’s immediately clear that you weren’t working in the 1990s. And when you were working “in the gray,” you were fine with everything. You could have come clean.

Petr Zamkovoi: I finished school in 1995, and graduated from college in 2000. I didn’t work in the 90s. […]

Vladimir Soloviev: Well that’s why it’s funny to read [you write] about the “system created by Putin.”

Petr Zamkovoi: Vladimir, the idea that everyone is a freeloader and just needs to get off their butts is wrong at its core!!! I think you understand this, but your job requires you [to say otherwise].

Vladimir Soloviev: I’m moved by all these assumptions about me. You think you don’t need to work your butt off? Your position is that they’re all to blame for everything, and I’m just a silly dummy.

Petr Zamkovoi: I don’t like the Putin regime. Do I have the right to see a new government by legal means?! And I’ve worked my ass off since I was 16. I grew up in a village, and I never stop.

Vladimir Soloviev: You’ve got the legal means. But this won’t help you. The alternatives [to Putin] in the opposition are hopelessly bad. It’s just a bunch of crooks and clowns.

Vladimir Soloviev [miresaka amin'ny mpanjohiny rehetra ao amin'ny Twitter]: Aiza no tianao handehanana amin'ny vakansy ary nahoana?

Petr Zamkovoi: Mijanona ato an-trano aho satria ampy ho an'ny sakafo sy ny zavatra ilaina ihany ny vola, saingy mifikira mafy eo ihany ianao… [Manondro ny sary-sy-soratra vao haingana nalaina tamin'ny fanehoan-kevitra hafahafa [7] avy amin'ny Praiminisitra Rosiana Dmitry Medvedev izany.]

Vladimir Soloviev: Firy taona ianao?

Petr Zamkovoi: 38 taona aho. Monina ao Rostov, ary mpitantan-draharaha mahazo 25000 robla (390 dolara) isam-bolana ny asako. Ao anatin'ny fialan-tsasatra noho ny fitondrana vohoka ny vadiko. 75 taona ny reniko, ary ny vola fisotroan-drononony isam-bolana dia 8500 robla (132 dolara).

Vladimir Soloviev: Ka miasà mafy, ary omeo fahamendrehana ny reninao ao anatin'ny fahanterana. Saingy tsara ianao raha miasa sady “milalao”,  fa tsy miasa amin'ny hatsembohana.

Petr Zamkovoi: Eny, tsy dia izany loatra, Vladimir. Manana ny orinasako manokana aho, ary mampiasa ny fitombenako 24 ora isan'andro aho, saingy tsy tia izany mihitsy ireo lehilahy ao amin'ny OBEP [departemantan'ny polisy miady amin'ny heloka ara-toekarena ao Rosia ]. Nahita zavatra sasantsasany izy ireo…

Vladimir Soloviev: Nipoitra fotsiny ve ireo lehilahy ireo? Sa misy antony no nahatongavan'izy ireo? Sa fialan-tsininao fotsiny noho ny tsy fahazoana volabe sy tsy fahazakana ny fianakavianao izany?

Petr Zamkovoi: Amin'ity fitondrana ity, misy foana ny antony sasany. Etsy andaniny, nahazo andevo ianao, etsy ankilany, misy ireo andriana.

Vladimir Soloviev: Ankehitriny, mibadabada fotsiny ianao. Avy niasa tamin'ny “tsy ara-dalàna” ianao [milaza fotsiny ny ampahan'ny vola miditra aminao any amin'ny fitondram-panjakana noho ny hetra]

Petr Zamkovoi: Noforonina ireo fepetra ireo indrindra —mba hananan'ny tsirairay [vola] ary hanolotra izany ho an'ny rehetra.

Vladimir Soloviev: Noforonin'iza? Anao foana ny safidy [mitatitra ny vola miditra aminao].

Petr Zamkovoi: Vladimir Vladimirovich Putin manokana, sy ny ekipany. Saingy i Yeltsin no omena tsiny amin'ny zava-drehetra, miasa mafy ianao hoy ianao. Ary [milaza ianao] fa ratsy toerana aho…

Vladimir Soloviev: Mampihomehy. Mazava avy hatrany fa mbola tsy niasa ianao tamin'ny taompolo 1990s. Ary raha niasa tany amin'ny “tsy ara-dalàna ianao,” tsara taminao avokoa ny zava-drehetra. Tokony hanana fahadiovana ianao.

Petr Zamkovoi: Nahavita fianarana aho tamin'ny taona 1995, ary nahazo diplaoma tamin'ny kolejy tamin'ny taona 2000. Tsy niasa aho tamin'ny taompolo 90. […]

Vladimir Soloviev: Eny, izany no mampahatsikaiky ny mamaky [ny soratrao] momba ny “rafitra noforonin'i Putin”.

Petr Zamkovoi: Vladimir, diso tanteraka ny hevitra hoe mpanambaka ny rehetra sy ny mila mandeha miasa fotsiny!!! Mino aho fa mazava aminao izany, saingy manery anao ny asanao [mba hilaza izany amin'ny fomba hafa].

Vladimir Soloviev: Mihetsipo tamin'ireo tombatombana momba ahy ireo aho. Mino ianao fa tsy mila mampiasa ny fitombenanao ianao? Hevitrao ny manome tsiny ny zavatra rehetra, ary nandra velona fotsiny aho.

Petr Zamkovoi: Tsy tiako ny fitondrana Putin. Manana zo hahita ny governemantako vaovao amin'ny alalan'ny fomba ara-dalàna ve aho?! Nampiasa ny fitombenako aho fony aho 16 taona. Lehibe tany ambanivohitra aho ary mbola tsy nijanona mihitsy.

Vladimir Soloviev: Nahazo ny fomba ara-dalàna ianao. Saingy tsy hanampy anao izany. Ny safidy hafa [ankoatra an'i Putin] dia ao amin'ny mpanohitra tsy ahitana fanantenana. Andiana mpisoloky sy mpanao hatsikana fotsiny ireo.