Fihetsiketsehana Manerantany Mitaky Ny Rariny Ho an'ny Mpikatroka Angoley Nogadraina Herintaona Lasa Izay

20 de junho, 2016 assinala-se um ano de prisão dos 15+2 ativistas em Angola. Foto: CentralAngola

“20 Jiona. Andron'ny Fahafahana”. Sary avy amin'ny: CentralAngola

Fihetsiketsehana maro samihafa no kasaina atao hanehoana firaisankina amin'ireo mpikatroka Angoley, antsoina hoe “15+2“, izay nogadraina tamin'ny 20 Jiona 2015 ary avy eo voampanga ho nanomana fikomiana manohitra ny governemanta.

Fantatra fa hotontosaina ao Luanda renivohitra amin'ny 20 Jona ny fihetsiketsehana lehibe, antsoina hoe “Dia da Libertação“ (“Andron'ny Fahafahana”). Misy ireo hetsika hafa karakaraina amin'ny toerana manerana izao tontolo izao izay misy ireo Angoley am-pielezana, ny tanjona dia ny hisarihana ny sain'ny fiarahamonina iraisam-pirenena mikasika izay antsoin'ny mpanao fihetsiketsehana fa fanitsakitsahana ny fahalalaham-pitenenana sy ny zon'olombelona hafa.

Ireto avy ireo mpikatroka 15+2, araka ny navoakan'ny Front Line Defenders:

  • Domingos da Cruz
  • Sedrick de Carvalho
  • Luaty Beirão
  • José Gomes Hata
  • Nito Alves
  • Afonso Matias “Mbanza Hamza”
  • Hitler Samussuko
  • Inocêncio Brito “Drux”
  • Albano Bingo
  • Fernando Tomás “Nicola”
  • Nelson Dibango
  • Arante Kivuvu
  • Nuno Álvaro Dala
  • Benedito Jeremias
  • Osvaldo Caholo
  • Rosa Conde
  • Laurinda Gouveia

Tamin'ny volana Jiona 2015, mpikatroka 13 no voasambotra, voampanga ho nikonokonona fanafihana ny filoha José Eduardo dos Santos. Nilaza izy ireo, na dia izany aza, fa niadihevitra fotsiny momba ny fomba milamina hanoherana ny governemanta mpanao famoretana amin'ny andiana fivoriana, indrindra indrindra ireo hevitra tamin'ny boky “Miala amin'ny Didy Jadona Mankany amin'ny Demaokrasia” nosoratan'i Gene Sharp. Nisy olona roa hafa avy eo voasambotra ary nanatevin-daharana azy ireo, voampanga tsy nisy fitsarana mialoha ny fanagadrana azy  izy ireo, izay nahatonga ny anarana hoe “15+2”.

Avy amin'ireo fikambanana samihafa mpiaro ny zon'olombelona ny tsikera momba ny fanenjehana, anisan'izany ny Amnesty International, ny Federasiona Iraisampirenena ho an'ny Zon'olombelona, sy ny Liberdade Já (“Fahalalahana Izao dia izao”). Na izany aza, nihemotra imbetsaka ny fitsarana azy ireo maharitra ela, ka niafara tamin'ny sazy 2 ka hatramin'ny valo taona sy tapany an-tranomaizina tamin'ny volana Martsa 2016. Tamin'ny volana Aprily 2016, nangataka tamin'ny vahoaka ny fanambaran'ny Amnesty International mba hitaky ny famotsorana ireo “gadra noho ny fanehoan-kevitra” ireo.

Nilaza ny mpanohana ireo mpikatroka fa mifanohitra amin'ny “zo voasoratra ao amin'ny lalàmpanorenana Angoley” ny (fomba) fikarakarana azy ireo eo am-pelatanan'ny manampahefana.

Nanazava ny pejy Facebook ho an'i Luaty Beirão, iray amin'ireo mpikatroka 15+2 nahazo sazy an-tranomaizina:

O caso dos 17 despertou a atenção de grande parte dos Angolanos e da comunidade internacional mas estes e outros ativistas continuam presos ou limitados na sua liberdade. Porque precisamos de todos os que querem contribuir para uma Angola melhor, livres de o poderem fazer, porque manifestar não é guerra, porque não há paz sem justiça e igualdade, porque acreditamos que juntos vamos virar uma página na história do nosso país, apelamos a que, em Angola e na diáspora, cada um, na sua língua, na sua localidade e na sua maneira, se associe.

Nahasarika olona betsaka teo amin'ny Angoley sy teo amin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena ny raharaha mikasika ireo mpikatroka 17, saingy mbola any am-ponja na miatrika sakana amin'ny famotsorana azy ireo ry zareo sy ny mpikatroka hafa. Satria mila ny rehetra te hanampy hanorina Angola tsara kokoa ho afaka hanao izany izahay, satria tsy ady ny fihetsiketsehana, satria tsy misy ny filaminana raha tsy misy ny rariny sy ny fitovian-jo, satria mino izahay fa raha miaraka, afaka mamadika pejy amin'ny tantaran'ny firenentsika isika, miantso anareo tsirairay avy ao Angola sy ny am-pielezana izahay, amin'ny fiteninareo, ao an-tanànanareo, ary amin'ny fombanareo manokana mba hanatevin-daharana anay.

Manoro-hevitra mikasika ireo fomba samihafa hanehoana firaisan-kina amin'ireo mpikatroka amin'ny andro manamarika ny herintaonan'ny fanagadrana azy ireo ny mpikarakara:

Dia 20, porque todos somos reféns, vamos manifestar a nossa solidariedade com os presos e reclamar a nossa “Libertação” prometida há 40 anos! Como?

  • Espalhando a imagem anexa.
  • Utilizando uma peça de roupa branca.
  • Dando opinião nas redes. Com texto ou imagens.
  • Imprimindo este panfleto e/ou este cartaz.
  • Organizando uma ou participando numa das concentrações.

Amin'ny 20 Jiona, satria takalon'aina avokoa isika rehetra, haneho ny firaisankinantsika amin'ireo gadra politika isika ary hitaky ny “fanafahana antsika”, araka ny nampanantenaina 40 taona lasa izay! Amin'ny fomba ahoana?

  • Zarao ny sarin'ny hetsika.
  • Manaova fitafiana fotsy.
  • Alefaso ny hevitrao momba ny fanagadrana ara-politika ao amin'ny media sosialy. Miaraka amin'ny lahatsoratra na sary.
  • Ataovy printy ity bokikely sy/na ity afisy ity.
  • Mikarakara na mandray anjara amin'ny iray amin'ireo fihetsiketsehana.

Nitatitra ny fampahalalam-baovao Central Angola 7311 fa nanomboka tamin'ny Asabotsy 18 Jiona tao Brussels ny hetsika ary niely tany amin'ireo tanàna hafa Eoropeana, anisan'izany i Lisbon (20 Jiona) sy Paris (21 Jiona). Tamin'ny 19 sy 20 Jiona, fivoriana isan-karazany no nomanina tao Angola, ary tamin'ny 21 Jiona, nisy ny fihetsiketsehana tao Pretoria, Afrika Atsimo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.