- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tena Tsy Resy Lahatra Amin'ilay Hevitra Fitsangatsanganana Soca An-dRanomasina Soca avy amin'ny Ministeran'ny Fizahantany Ny Olona Sasany Ao Trinite Sy Tobago

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tsidika, Zavakanto & Kolontsaina
A Royal Caribbean cruise ship at sea. Photo by David Spinks, used under a CC BY 2.0 license. [1]

Sambo fitsangatsanganana an-dranomasina Royal Caribbean. Sary avy amin'i David Spinks, nampiasaina ambany fahazoandalana CC BY 2.0.

Tao anatin'ny fitontonganana ara-toekarena, niditra an-tsambo ny Ministeran'ny Fampandrosoana ny vondrom-piarahamonina sy ny fizahantany any Trinite sy Tobago — mitentina 450.000 TT$ (tokony ho 67.500 US$) — fotokevitra iray natao mba hisarihana mpizahatany mandritra ny fankalazàna ny Carnaval [2] ao amin'ny firenena tamin'ny alalan'ny zotra fitsangantsanganana an-dranomasina Royal Caribbean.

Nomena ny anaram-bosotra hoe ‘Soca an-dranomasina’ [3], vehivavy Trinidadiana iray mpandraharaha any am-pielezana no nandroso ny hevitra [4] “Fetibe eny afovoan-dranomasina” hampihaonana ireo mpanakanton'ny mozika soca [5], ireo  tarika mpamorona endrika rehefa Fetibe ary ireo mpanakanto hafa any Trinite sy Tobago.

Na teo aza ny Minisitry ny Fizahantany Shamfa Cudjoe [6] izay miantso ilay fandraisana fanapahan-kevitra [7] ho “tena mahatalanjona sy tsy manam-paharoa tsotra izao”, maro ny mpampiasa aterineto no mbola tsy resy lahatra momba ny tamberina avy amin'ny fampiasambola. Naneho hevitra [8] ny mpampiasa Facebook sy mpaneho hevitra ara-politika Rhoda Bharath:

Andrasako amim-paharetana ny hihaino an'i Shamfa manazava ny fomba ampifanarahana io sambo fitsangantsanganana io amin'ny drafitra midadasika kokoa nataony ho an'ny Fizahantany…satria hatramin'izao tsy nahare teny mihitsy aho momba ny fandaharam-potoanany ho an'ny Fizahantany.
Ho lasa E.P.I.C. izany.

Ny Politikam-Pirenena momba ny Fizahantany any Trinite sy Tobago [9] — izay nisy talohan'ny nandraisan'i Cudjoe ny asany — dia manome lanja ny fizahantany fitsangantsanganana an-dranomasina ao anatin'ny fizaràn'ny votoaty ara-politika. Manamarika izany fa “nampiseho fitomboana misongadina” ilay sehatra ary heverina ho iray amin'ireo tena matanjaka amin'ny indostrian'ny fizahantany noho ny  […] fahafany [azy] manome fialamboly maro isan-karazany eny ambony sambo.” Ahitana ny “[fanaovana] an'i Trinite sy Tobago ho fitsangantsanganana an-dranomasina mahasarika kokoa ary toerana faleha ara-pialamboly” ny ampahany amin'ny tanjona ara-toekaren'ny firenena.

 

Fanavaozana: 30 May 2016 —  Zico Cozier, mpampiasa media sosialy ary miasa ho toy ny mpamokatra ao amin'ny fahitalavitra iray ao an-toerana, nizara ny feo avy amin'ilay tafa tsy nampiasaina mihitsy [10] nifanaovany tamin'i Dr. Nyan Gadsby-Dolly, mi nisitry ny Fampivoarana ny Vondrom-piarahamonina, ny Kolontsaina ary ny Taokanto, izay io minisitra io no niaraka nanohana ilay fitsangantsanganana. Ratsyratsy ihany ny kalitaon'ny feo, araka izany dia tsy afaka natsofoka eto, saingy nampitahain'i Dr. Gadsby-Dolly ilay hevitra Soca eny an-dranomasina sy ny “fitsangantsanganana reggae izay notohanan'ny governemanta Jamaikàna”, manazava izy :

Migadona ao Jamaika ilay izy ary […] manao fanohanana sy mamela marika maro iraisana amin'izany fitsangantsanganana an-dranomasina izany ry zareo, ary dia amin'izay fijery izay no ijerentsika azy hoe […] ny asiana tsindrimpeo dia ny sary amantarana an'i Trinite sy Tobago, ka na tsy hiantsona eto Trinite sy Tobago aza ry zareo dia hanana hevitra mazava tsara momba ny hoe iza no nanohana ity fitsangantsanganana an-dranomasina ity ary avy aiza ireo mozika sy haingo ary ny zavatra rehetra sy ny sisa hita ao.

Fa mijanona ho very ny lojikan'ny Soca amin'ny fitsangantsanganana an-dRanomasina ho an'ny mpampiasa Facebook toa an'i Jonathan Ali, izay nizara rohy momba ilay hetsika ary namazivazy hoe [11]:

Sambon'Adala.

Tao amin'ny lahatsoratra Facebook ho an'ny besinimaro, nanaiky [12] i Zico Cozier:

Ahazoana tombony ny fampiasambola. Inona no tamberina azo avy amin'io?

Mandritra izany fotoana izany, ny pejy Facebook [13]-n'ilay tetikasa efa nahazo tiako maherin'ny 3.000 sahady ary ao anatin'ny firoboroboany tanteraka [14] ny fampahafantarana [15] ilay hetsika.

Nihevitra [16] i Iain Waller, tao amin'ny lahatsoratra Facebook ho an'ny besinimaro, fa fandaniana fahatany ny volam-bahoaka tanteraka izany:

Ny volan-tsika nisasarana mafy tamin'ny asa. Mety tsara. Afaka ampiasain-dry zareo handoavana ny hofan-trano amin'ny 1 lalana Alexandra izany vola izany!

Ny tiany ho lazaina momba ny 1 Lalana Alexandra dia anondroana ilay tranobe ara-barotra iray misy rihana maro izay mijanona ho foana nefa ny governemanta mandoa dolara an-tapitrisany amin'ny hofantrano [17] any amin'ny tompony.

Naneho hevitra [18] ihany koa i Rhoda Bharath:

Sambo iray fitsangatsanganana mba hamonjena ny Fizahantany!
Fanontaniana vitsivitsy izay miverimberina ao an-dohako:
Nahoana no i Yuma [tarika iray mpanao Fetibe] irery?
Nahoana no tsy santionany amin'ny vondrona roa, nentin-drazana sy ny amin'izao vanim-potoana izao? Amin'izay dia miseho ny hamaroan'endriky ny Fetibentsika?
Ary nahoana fitsangantsanganana an-tsambo mandeha eo anelanelan'i Miami sy ny Bahamas?
Ahoana no ahazoan'ny TT Carnival 2017 tombony avy amin'io ? Raha tsorina, tsy misy kabary mandresy lahatra avy amin'ny Minisitry ny Governemanta.
Ahoana no ataon'io hetsika io amin'ny drafitry ny fizahantany mivelatra kokoa?
Fa tena adala toa inona no iheveranareo  anay? Averina indray, amin'ny teny tsotra, tsy misy kabary mandresy lahatra avy amin'ny Minisitry ny Governemanta.
‪#‎TreasureQueen [19]
‪#‎TourismHasCoralVision [20]
‪#‎DeViceCyahDone‬ [21]

Farany, ny vohikala mpanesoeso The Late O'Clock News dia voadona [22] tamin'ilay hevitra manontolo  nandritra ny Fankalazàna ny Andro Fahatongavan'ny Indiana, izay natao ny 30 May:

Nanambara ny fahombiazan'ny fanombohan'ny ‘Indian Arrival Cruise’ ny Minisitry ny Fizahantany, Shamfa Cudjoe. Manantena ny governemanta fa ny fitsangantsanganana an-dranomasina dia manintona mpizahatany izay hankasitraka an'i Trinite rehefa tsy manao fety isika. Tsy toy ilay Fetibe Fitsangatsanganana an-dranomasina anefa, izay tsy naharesy lahatra, fa tsy nisy vola lany tamin'io sambo io, fa fahamarinana kely monja.