- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Tonian-dahatsoratra Manana Zotom-po Hitarika Ny Fitantaram-baovao Ao Afovoany Atsinanana Ny Global Voices

Sokajy: Mediam-bahoaka

Mahay tenim-pirenena roa ve ianao- na tsara kokoa, mahay tenim-pirenena maromaro- manam-pahaizana momba ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra izay manome lanja ny rariny, ny fitoviana, ny finamanana miampita sisintany ary tsy leo aterineto? Tia miasa ao an-trano ve ianao? Mitady anao ny Global Voices!

Ny tonian-dahatsoratry ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra (MENA) ao amin'ny Global Voices dia mitantana isan'andro ny fanangonam-baovao avy any amin'ny faritra, manoratra sy mandamina ireo tantara avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanoratra, mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo tsy voasakan-tsisintany, ary mampivelatra ireo andiana loharanom-baovao goavana amin'ny aterineto mba hitazonana ny lohalaharana ao an-toerana amin'ny vaovao ara-tsosialy, ara-politika sy ny fikatrohana amin'ny aterineto.

Tokamanantany ny efitra fanoratana sy famoahanay vaovao – virtoaly tanteraka, mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ireo mpanoratra, amin'ny teny marobe ny loharanom-baovao ary mivantana amin'ny aterineto. Ny ifantohan'ny fanangonam-baovao dia mikasika ny vaovao malaza, ny olan'ny fahalalaham-pitenenana, ny sivana amin'ny aterineto, ny fikatrohana sy ny vaovao izay zara raha voatatitra na taterina diso amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Ny andraikitry ny tonian-dahatsoratry ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra dia:

Ny kandida mahomby dia:

 

Raha handefa fangatahana:

Alefaso ny mombamomba anao (CV) sy taratasy famantarana manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho sahaza tanteraka hoan'ny Global Voices. Alefaso ao amin'ny adminjob@globalvoicesonline.org ny fangatahanao hatramin'ny 4 Jolay 2016. Apetraho ny anaranao sy ny lohateny “Tonian-dahatsoratra MENA”.

Alohan'ny andefasana fangatahana, tsara ny mamaky ny Antony Lehibe 8 raha hiasa ato amin'ny Global Voices [4]..