Mitady Tonian-dahatsoratra Manana Zotom-po Hitarika Ny Fitantaram-baovao Ao Afovoany Atsinanana Ny Global Voices

Mahay tenim-pirenena roa ve ianao- na tsara kokoa, mahay tenim-pirenena maromaro- manam-pahaizana momba ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra izay manome lanja ny rariny, ny fitoviana, ny finamanana miampita sisintany ary tsy leo aterineto? Tia miasa ao an-trano ve ianao? Mitady anao ny Global Voices!

Ny tonian-dahatsoratry ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra (MENA) ao amin'ny Global Voices dia mitantana isan'andro ny fanangonam-baovao avy any amin'ny faritra, manoratra sy mandamina ireo tantara avy amin'ny vondrom-piarahamonin'ny mpanoratra, mpandika teny mpilatsaka an-tsitrapo tsy voasakan-tsisintany, ary mampivelatra ireo andiana loharanom-baovao goavana amin'ny aterineto mba hitazonana ny lohalaharana ao an-toerana amin'ny vaovao ara-tsosialy, ara-politika sy ny fikatrohana amin'ny aterineto.

Tokamanantany ny efitra fanoratana sy famoahanay vaovao – virtoaly tanteraka, mpilatsaka an-tsitrapo avokoa ireo mpanoratra, amin'ny teny marobe ny loharanom-baovao ary mivantana amin'ny aterineto. Ny ifantohan'ny fanangonam-baovao dia mikasika ny vaovao malaza, ny olan'ny fahalalaham-pitenenana, ny sivana amin'ny aterineto, ny fikatrohana sy ny vaovao izay zara raha voatatitra na taterina diso amin'ny fampahalalam-baovao mahazatra.

Ny andraikitry ny tonian-dahatsoratry ny Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra dia:

  • Mitantana sy mampandroso ny ekipa tompon'andraikitra amin'ny fitateram-baovao avy amin'ireto firenena ireto: Alzeria, Bahrain, Ejypta, Iraka, Israel, Jordania, Koety, Libanona, Libya, Maraoka, Oman, Palestina, Katar, Arabia Saodita, Syria, Tonizia, Emirà Arabo Mitambatra, Sahara Andrefana, Yemen
  • Manoratra, manamarina, ary mamoaka ao amin'ny aterineto izay tantara hita fa mandresy lahatra sy manan-danja ao amin'ny faritra misy azy ireo.
  • Mampiditra ireo tranga marim-pototra miseho ao anatin'ny tantara atolotra ho an'ireo mpamaky manerantany.
  • Mitazona ny laharana voalohany amin'ny fivoaran'ny tantara, izay malaza haingana sy ironana ao amin'ny media sosialy sy ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra ao amin'ny faritra misy azy ireo..
  • Mampivelatra ireo lahatahiry misy ny loharanom-baovao antserasera azo antoka sy voamarina manerana ny faritra misy azy ireo.
  • Mitantana ireo mpanoratra mpilatsaka an-tsitrapo sy mpiara-miasa.
  • Manaja ireo fe-potoana sy ny isan-dahatsoratra.
  • Mivonona hiara-hiasa amin'ny vondrom-paritra virtoaly, efitra fanoratam-baovao ary ny fiarahamonina midadasika.
    Miasa amin'ny aterineto miaraka manaraka ny tari-dalana famoahan-dahatsoratra, ny andraikitra sy ny kolontsain'ny vondrom-piarahamonina Global Voices.

Ny kandida mahomby dia:

    • Mahafehy tsara ny teny Anglisy sy ny teny Arabo. Tombony ny fahaizana teny Frantsay.
    • Manana fahaizana mafonja momba ny asa fanaovan-gazety na fikatrohana ny zo nomerika.
    • Manana fahaizana mamoaka lahatsoratra mikasika ny olana ao amin'ny faritra.
    • Mahafantatra izay feon'olom-pirenena sy ny sosialy azo antoka ao amin'ny faritra misy azy ireo.
    • Mahafantatra ny fampahalalam-baovao mahazatra, ny gazetim-paritra, sy ny fahavitrihan'ny media sosialy ao amin'ny faritra misy azy ireo.
    • Mahafantatra ny zo nomerika, ny fahalalaham-pitenenana, sy ny olana mikasika ny fikatrohana ary ny fahavitrihana ao amin'ny faritra misy azy ireo.
    • Manana traikefa amin'ny fikarohana loharanom-baovao sy fanoratam-baovao.
    • Mahavita manoratra am-pihetseham-po sy fahafantarana tsara ny olana rehetra misy ao an-toerana ho an'ny mpamaky rehetra tsy ankanavaka.
    • Manana traikefa mafonja amin'ny fitarihana olona.
    • Manana fifandraisana aterineto matanjaka sy azo antoka.
    • Afaka miasa ao anatin'ny 30 ora isak'herinandro.

 

Raha handefa fangatahana:

Alefaso ny mombamomba anao (CV) sy taratasy famantarana manasongadina ny asanao ary manazava ny antony mahatonga anao ho sahaza tanteraka hoan'ny Global Voices. Alefaso ao amin'ny adminjob@globalvoicesonline.org ny fangatahanao hatramin'ny 4 Jolay 2016. Apetraho ny anaranao sy ny lohateny “Tonian-dahatsoratra MENA”.

Alohan'ny andefasana fangatahana, tsara ny mamaky ny Antony Lehibe 8 raha hiasa ato amin'ny Global Voices..

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.