Mpanao Gazety Mpivady Voatafika Tao Makassar, Indonezia

Arpan Rachman and Icha Lamboge covering security during elections in Makassar.

Arpan Rachman sy Icha Lamboge mitatitra ny filaminana mandritra ny fifidianana ao Makassar. Sary nampindramin'i Arpan Rachman.

Mpanao gazety nomerika roa monina ao Makassar, any amin'ny faritra Sulawesi Atsimo, Indonezia no voatafika tamin'ny 5 Jona 2016, raha nanatrika ny lanonana nokarakarain'ny sampana maintimolalin'ny mpianatra islamika ao Makassar (KAHMI Makassar) tao amin'ny lapan'ny ben'ny tanànan'i Makassar.

Arpan Rachman mpanoratra ato amin'ny Global Voices sy ny vadiny Icha Lamboge, izay mpanao gazety ihany koa, no niteny tamin'ny Global Voices fa lehilahy roa manao fanamiana mainty – fa tsy fanamiana mahazatra fahita amin'ny mpitandro filaminan'ny tanàna – no nanakana azy ireo ary nanontany ny karatra maha-mpanao gazety azy ireo. Nentin'ireo lehilahy ireo tao amin'ny efitra kely iray ambadiky ny trano ry zareo avy eo ka tao no nanontanian'i Arpan ny fanondroana azy ireo, saingy nandà tsy nety nanao izany izy ireo. Norombahin'ny iray amin'ireo lehilahy ireo avy eo ny findain'i Lamboge, nefa iny no fitaovana voalohany fanangonany vaovao. Raha niditra an-tsehatra i Rachman hiezaka hamerina ny findainy, namely totohondry azy teo amin'ny tratrany ny lehilahy iray raha nanakenda azy kosa ilay iray hafa.

Nitatitra ny tranga tany amin'ny polisy izy roa, ary nojeren'ny dokotera i Rachman. Sitrana tamin'ny nahazo azy izy, saingy samy matahotra ny ainy izy roa.

Efa nahangona trangam-pihoaram-pefy natao tamin'ny mpanao gazety miisa 12 ny Fikambanana Miaro ny Mpanao gazety Mahaleotena ao Makassar tamin'ity taona 2016 ity, ary tafiditra amin'izany ny fanohintohinana mandritra ny fanangonam-baovao, famotehana fitaovam-panangonam-baovao, fandrahonana, ary famelezana ara-batana. Samy tsy namoaka fanambarana momba ity fanafihana nahazo an'i Rachman sy i Lamboge ity na ny KAHMI, AJI, na ny manampahefana ao Makassar.

Arpan Rachman and Icha Lamboge covering the aftermath of elections, when the Palopo Mayor's office was burned. Photo courtesy of Arpan Rachman.

Arpan Rachman sy i Icha Lamboge mitatitra ny taorian'ny fifidianana, raha may nandoro ny biraon'ny Ben'ny tanànan'i Palopo. Sary nampindramin'i Arpan Rachman.

Taorian'ny tranga, naneho ny ahiahiny i Lamboge fa “notsipahina sy noadinoina ny raharaha na namboamboarina ny porofom-pandraisam-peo.” Nanomboka tamin'io fotoana io ry zareo no nahazo fisoloan-tena ara-pitsarana [mpisolovava] avy amin'ny Legal Aid Foundation Makassar, saingy mbola betsaka ny tsy fantatra momba ny raharahan'izy ireo. Mbola manahy ny amin'ny ainy ry zareo.

Samy mpanao gazety mavitrika izy roa, ka i Lamboge amin'ny ankapobeny dia miasa miaraka amin'i SINDO Trijaya FM, fantsona radio iray miorina ao Jakarta, ary i Rachman kosa miasa ho mpanao gazety fanadihadiana amin'ireo seha-baovao maro ka anisan'izany ny BaKTINews, inspiratifnews, Membunuh Indonesia ary Media Lingkungan.

Niasa niaraka ry zareo tamin'ny tantara izay heverin-dry zareo nahatonga ny trangan-javatra nahazo azy ireo. Tamin'ny dika pirinty nivoaka vao haingana tao amin'ny gazetiboky mpandala ny zon'olombelona iray Torture: Asian and Global Perspectives, tao ry zareo nanoratra ny fanesorana olona maro tao amin'ny faritra Bulogading afovoan-tanànan'i Makassar. Tsy indray mandeha fotsiny no nilazana ny tantaran'izao fanesorana olona izao rehefa nihahenjana ny toe-draharaha.

Mpitranga ao Indonezia ny famelezana mpanao gazety. Tsy misy mpitatitra amin'ny fampitam-baovao ny fanafihana toy izao ary afaka tsy mahazo fanasaziana matetika ireo mpanafika.

Notaterina tao amin'ny tranonkalam-baovao iray tao an-toerana ity tranga nahazo an'i Arpan sy i Icha, saingy nesorina noho ny antony tsy fantatra ny tantara avy eo.

Manameloka ny herisetra amin'ny endriny rehetra atao amin'ny mpanao gazety ao Indonezia sy any amin'ny toerana hafa rehetra manerana izao tontolo izao ny fikambanana Global Voices. Amin'ny maha fikambanana anay, dia miara-mijoro amin'ny mpiara-miasa aminay Arpan sy ny antson'ny fianakaviany hitady ny rariny sy ny hitsiny izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.