- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mariky Ny Fanombohan'ny Hazalambo Manaraka Hanjo Ny Media Ao Rosia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Akon'ny RuNet
The witch-hunt against Dozhd television. Image edited by Kevin Rothrock.

Ny hazalambo manjo ny fahitalavitra Dozhd. Sary namboarin'i Kevin Rothrock.

Niaraka tamin'ny fiporitsahan'ireo “Taratasin'i Panama” teo aloha teo, ny famotsiambola no vaovao goavana tato ho ato, ary any amin'ny firenena toa an'i Rosia, izay ny kabary fandresena lahatra hanoherana kolikoly no malaza, miaraka amin'ireo mpanao politika toy ny an'ireo mpanohitra mafana fo ihany koa, mitombo mampihoron-koditra isanandro ny aloky ny vola tsy ara-dalàna. Tamin'ny herinandron'ny 12 May monja, nangataka ny hiditra malalaka [1] ao amin'ny Sampan'asa Federaly Misahana ny Fanarahana Maso Ara-bola ireo mpiasam-panjakana avy ao amin'ny Minisiteran'ny Fitsarana ao Rosia, nilaza tamin'ny governemanta fa mila fahefana vaovao ho fanarahana maso hitsongoana dia ny vola miditra an-tsokosoko ao amin'ny firenena.

Saingy tsy niraika tamin'ny ampamoakan'ireo Taratasin'i Panama mikasika ireo fifanarahana sy fampindramambola  mitentina 2 dolara lavitrisa [2] natao tany ivelany, ary nahavoarohirohy an'i Sergei Roldugin naman'i Vladimir Putin, ny Minisiteran'ny fitsarana tao Rosia. Te-ho afaka miditra malalaka amin'ireo rakitahirin'ny fanjakàna ny mpitandro filaminana Rosiana, mampanahy azy ireo mantsy ny momba ireo fikambanana tsy mikatsaka  tombontsoa ara-bola mampiasa ireo orinasa voasoratra anarana ao Rosia ho fantsona hidiran'ny vola avy any ivelany ho an'ireo tsy mikatsaka tombontsoa ” miasa manohitra ireo tombontsoam-pirenena”. Ampahany amin'ireo fanentanana mavitrika mba hiatrehana ny fandrahoanan'ireo “mpiasa vahiny”, ny fangatahan'ny Minisiteran'ny Fitsaràna.

Raha mbola mitaingin-tsoavaly hiatrika fanafihana iray hafa hanohitra “ireo mpiasa vahiny” i Maosko, tsy afaka naka fotoana tsara akory i Ilya Ukhov raha nanoratra [3] tamin'ny Facebook tamin'iny herinandro iny fa mety nandray miafina famatsiana vola avy amin'ny governemanta Amerikana ny fahitalavitra tsy miankina Dozhd. Ukhov, tanisaina amin'ny maha-“manampahaizana mikasika ny fandefasana” tantara vaovao azy, dia mpiara-miasa tsy tapaka amin'ireo tambajotra mpilaza vaovao mpanohana an'i Kremlin toa an'i Vzglyad [4] sy Ridus [5]. Nandefa ireo lahatsoratra tao amin'ny tambajotra ofisialin’ [6]ny Youth Guard ihany koa izy, ilay sampana tanora ao amin'ny antoko politika Rosia Mitambatra izay eo amin'ny fitondrana, izay ilazàna azy ho “mpandalina ny fiarahamonina”.

Feno fahasahiana ny filazàn'i Ukhov. Milaza izy fa telo amin'ireo fampahalalam-baovao liberaly hajaina indrindra (ary angamba hankahalaina indrindra) ao Rosia — Dozhd, RBC, ary ny Feon'i Mosko – no mahazo fanohanana avy amin'ny governemanta Amerikana, ary fanampin'izay, ny fanitrikitrihana ny fahazoan'ny Dozhd vola avy any ambany latabatra.

Ho porofo, asongadin'i Ukhov ireo antontan-taratasy fahiny “sarobidy saingy tsy nampirimina” ary novolavolain'ny Birao Amerikàna Fitsirihana Ankapobeny (OIG) tamin'ny 2013 [7] sy 2015 [8] momba ny Broadcasting Board of Governors (BBG), masoivohon'ny governemanta Amerikana an'i Washington manaraka akaiky ny “fampielezampeo sivily iraisampirenena”, tafiditra amin'izany ny “Voice of America, Radio Free Europe/ Radio Liberty”, sy ny maro hafa. Tanisain'i Ukhov ihany koa ny Fangatahana Tetibola amin'ny Kaongresy ho an'ny Taompiasana 2017 momba ny hetra [9], nataon'ny BBG manokana, ka ao anatin'izany no itanisàna ny iray amin'ireo “zavabita”-n'ny “Voice of America” tamin'ny 2015 ho toy ny “tambajotra nasionaly natsofoka ho sampan'ny VoA Rosiana ao amin'ny RBC, Echo Moskvy, ary Dozhd ho an'ireo mpihaino manerana an'i Rosia”

Lazain'ny tatitry ny OIG tamin'ny 2013 fa nisy “fifanarahana fifamatorana niarahan'”ny Biraon'ny Tetikady sy Fampivoarana nosoniavina tamin'ny RBC, nametrahana mpanao gazety iray avy amin'ny  Voice of America ho ao amin'ny fantsom-pahitalavitra fanapariahana vaovao momba ny fandraharahàn'ny RBC isankalina mandritry ny herinandro. Faritan'ilay tatitra ihany koa ny fisian'ny “karazana fifanarahana fifamatorana” tahaka izany miaraka amin'ny Dozhd, na dia “tsy tena fifanarahana ofisialy aza”, noho ny fisalasalàny tsy mety manao sonia antontan-taratasy miaraka aminà masoivoho vahiny raha mbola ny toedraharaha politika amin'izao fotoana izao no manjaka.” Tohizan'ilay tatitra amin'ny fandrosoana hevitra hoe ilain'ny governemanta Amerikàna ny mametraka  “politika ofisialy manazava amin'ny antsipirihany momba ny rafitra iray anatiny ho an'ny fiarahamiasa tsy misy fifamatorana arak'asa.” Tao anatin'ny tatitra 2015 avy amin'ny OIG, nampidirina ho toy ny “fampiharana akaiky” io raharaha io, midika hoe “vita tanteraka ny asa fanitsiana nifanarahana.”

[10]

Ilya Ukhov. Sary: Facebook

Milaza i Ukhov fa manahy izy – tahaka ny nazavainy tamin'ny Facebook, tanatin'ireo fanehoankevitra ao amin'ny tranonkalam-baovao Vzglyad, sy tao anatin'ny tafatafa [11] iray niaraka tamin'ny fahitalavitra Life – hoe ny “fifandraisana tsy ofisialin'i” Dozhd miaraka amin'ny BBG dia mety ho tetika hanafenana ny famatsiambola avy amin'ny governemanta Amerikana.

Отсутствие официальных контрактов может говорить о ненадлежащем исполнении «Дождем» налогового законодательства и использовании им мошеннических схем для легализации поступающего от BBG финансирования.  Как вы понимаете, тут очень широкое поле для проверок телеканала по линии Федеральной налоговой службы и Генеральной прокуратуры РФ.

Ny tsy fisian'ny fifanarahana arak'asa ara-dalàna dia mety milaza ny tsy fanajàn'ny Dozhd ny andraikiny manoloana ny hetra sy ny fampiasàny tetika miendrika hosoka mba hanaovany ny famatsiambola raisiny avy amin'ny BBG ho toy ny ara-dalàna. Araka ny mety hahazoanao azy an-tsaina, manome antony midadasika be ho an'ny Sampandaharaha Federaly misahana ny Hetra sy ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana io mba hanao fitsirihana ilay tobim-pahitalavitra.

Angamba amin'ny ampahany satria ny BBG mitanisa ny fiarahany miasa miaraka amin'ny media liberaly Rosiana ao anatin'ny fangatahany ny tetibolany ho an'ny taona 2017, heverin'i Ukhov fotsiny fa misy idiran'ny fifanakalozana ara-bola ireny fifamatorana ireny. Tsy azo lavina, iray amin'ireo “fiovàn'ny fandaharana” voafaritra ao anatin'ilay fangatahana tetibola no mampitovy ny loza mitataon'ny “filazana vaovao diso ataon'ny Rosiana” sy “ireo ezaka fakàna olona ataon'ny ISIL”, amin'ny filazàna fa tetiky ny Voice of America ny handefa tetikasam-botoaty dizitaly mitentina 3,5 tapitrisa dolara “ikendrena ny Rosia sy ISL.”

Raha tondro iray, anefa, ny fiarahan”ny Voice of America miasa amin'ny RBC, dia tombatombana fotsiny ihany ny fiheverana fa mamatsy vola ireo media tsy miankina ao Rosia ny governemanta Amerikana, amin'ny alàlan'ireo “fifanarahana fiarahamiasa”. Rehefa miresaka ny olany amin'ilay fifamatorana tsy aradalàna misy amin'ny BBG sy ny Dozhd, ohatra, nampitandrina fotsiny ny OIG hoe mety “hitarika fanapahana samirery ny asa,” ireo olana, tamin'ny famaritana azy io ho toy ny olana iray amin'ny fakàna onjampeo rosiana, fa tsy olan'ny fitazonana bokim-bola.

Milaza i Ukhov fa hanatona mpisolovava mba hamaritana raha misy ireo antony ara-pitsaràna hangatahana fanadihadiana ataon'ny mpitandro filaminana momba ilay “karazana fifanarahana fifamatorana” tsy ofisialin'ny Dozhd  amin'ny masoivoho irain'ny governemanta Amerikana.