Tantara tamin'ny 21 Jona 2016
‘Ilay Andro Nahalasa Ahy Ho Tarehimarika Adaladala': Ny Dian'ny Siriana Iray Mpialokaloka Ho Any Eoropa
"Zavatra tsy irinao hiainana velively mihitsy raha tsy hoe tena efa tsy mahita hiantorahana intsony ianao," hoy Zozan Khaled Musa manoratra momba ny diany hikaroka fialofana namakivaky ny Atsinanan'i Eoropa.
‘Neny, Aza Mitomany Raha Tsy Hitan'Izy Ireo Ny Fatiko': Fahatsiarovana Ireo Mpitsoa-Ponenana Syriana 4000 Maty Teny An-Dalana Ho Any Eoropa
Namoy ny ainy tany an-dranomasina ireo mpitsoa-ponenana Syriana maherin'ny 4000 anisan'izany ny ankizy maro. Maro tamin'izy ireo no tsy fantatra, ary tsy hita. Ary ny ranomasina no toerana fitsaharany farany. Ny ranomasina no fasany. Ny ranomasina fasana.
Manao Ny Tononkalo Persiana Ho Manana Endrika Politika Ny Mpisera Facebook Tajik
Nandao aho, satria tsy misy toerana ho an'ny fitiavana intsony any amin'izao, Lasa aho ,satria tsy misy antony tokony hijanonako any intsony, Lasa aho, satria mihoatra ny fetra ny fampahoriana sy ny fanaintainana.
Mampanantena Hamaly Fankahalàna Amin'ny Fitiavana Bebe Kokoa Ireo Miari-Tory Tao San Francisco Ho An'ireo Niharam-boinan'i Orlando
"Tsy amin'ny anaranay" hoy izy ireo. Vonona tsy hamela ity zava-nitranga (fanafihana) ity ho ampiasaina amin'ny fanaovana ho lasibatra bebe kokoa ny Silamo any Amerika sy manerana izao tontolo izao ny tsirairay tamin'ireo mpandray fitenenana..'
Tantaram-pitiavana Biby Capybaras Ao Japana
Misy ny zana-kolontsaina antserasera ao Japana izay natokana ho an'ny capybaras, biby mpikiky lehibe fanao namana avy ao Amerika Atsimo.