- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hanao Hetsika Ho Amin'ny “Zo Hanam-Panantenana” Ny Mozambikana

Sokajy: Mozambika, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Manifestação pública pela situação do país. Imagem: WLSA /Reprodução autorizada

Fihetsiketseham-bahoaka amin'ny toe-draharahan'ny firenena. Sary: WLSA /Nahazoana alalana

Nampitondraina ny anarana “Ho amin'ny zo hanam-panantenana”, manomana fihetsiketsehana milamina ny vondrom-piarahamonim-pirenena [1], [t]amin'ny 18 jona 2016.

Ireo gidragidra [2] iainan'ny faritra sasany ao Mozambika, ny tsy fisian'ny filaminana any amin'ny tanandehibe, ireo famelezana mihatra amin'ny fahalalaham-pitenenana [3] ary ny fitrosam-panjakana atao amin'ny fomba tsy ara-dalàna [4] no antony sasany mahatonga ny fikarakarana ny fihetsiketsehana entina maneho ny fitsipahan'ny vahoaka ny tsy fahaizan'ny governemanta mozambikana mamaha ireo olana ireo.

Tonga tao amin'ny filankevitra monisipaly ny antontan-taratasy [5] filazana ny hanaovana izany fihetsiketsehana izany tamin'ny 9 jona. Tokony hotontosaina eo amin'ny Lalambe Eduardo Mondlane, ao Maputo izao hetsika heverina ho atao am-pilaminana izao:

Convite para Manifestação

Nós, representantes de organizações da sociedade civil, organizações profissionais, religiosas, culturais, académicas e económicas, em nome dos nossos filhos e filhas, dos nossos pais e de todas e todos compatriotas, preocupados com o rumo que o país tem estado a tomar nos últimos anos, e em especial com o agravamento da situação nos últimos meses, convidamos todos e todas interessados/as a juntar-se a nós para uma manifestação pacífica sob o lema:

PELO DIREITO À ESPERANÇA

Defendemos o direito à esperança, para que tanto esta como a geração vindoura possam viver em paz, num clima de justiça e acreditando num futuro em que todas e todos poderão conviver com dignidade e com respeito às diferenças, e que moçambicanas e moçambicanos de todas as confissões religiosas, de todas as filiações partidárias, de todas as origens e estratos sociais, se sintam integrados, tenham trabalho ou meios de vida e possam realizar o seu potencial como cidadãs e cidadãos.

Fanasana hanao fihetsiketsehana

Izahay solontenan'ny firaisamonim-pirenena, fikambanana arak'asa, ara-pivavahana, ara-kolontsaina, ara-pampianarana ambony ary ara-toekarena, amin'ny anaran'ny zanatsika, ireo ray aman-dreny sy ireo lehilahy sy vehivavy mpiray tanindrazana, mijery ny fomba itondrana ny firenena tao anatin'ny taona vitsivitsy farany, indirndra fa ny fiharatsian'ny toe-draharaha tao anatin'ny volana vitsivitsy farany izay, no manasa anareo lehilahy sy vehivavy rehetra liana mba hanatevin-daharana anay amin'ny fihetsiketsehana milamina eo ambanin'ny tarigetra:

NY ZO HANAM-PANANTENANA

Miaro ny zo hanam-panantenana izahay fa izao taranaka izao sy ny taranaka ho avy dia afa-miaina ao anatin'ny fandriampahalemana ao anatin'ny rariny sy finoana hanana hoavy ahafahan'ny tsirairay miaina ao anatin'ny fandriampahalemana sy ny fanajana ny fahasamihafana, ary mba hahatsiaro ho ao anatin'ny fiarahamonina tokoa, manana asa na fivelomana ary afa-mampiasa ny herim-batany sy herintsainy amin'ny maha-olompirenena azy ny lehilahy sy ny vehivavy mozambikana rehetra na inona na inona fivavahana arahiny sy ny antoko na fironana politika misy azy na fiaviana na saranga misy azy.