Famokarana Ny “Les Miserables”: Noho Ireo Fitarainana, Nesorin'i Singapaoro Ny Orok'ireo Lehilahy Roa

Photo from the official Facebook page of the Les Miserables production in Singapore

Sary avy amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny Famokarana ny Les Miserables ao Singapaoro.

Nodidian'ny governemanta ao Singapaoro ny hanesorana ireo ampahany fohy ahitàna lehilahy roa mifanoroka ao anatin'ny famokarana ny “Les Misérables”, taorian'ny nilazàny fa naharaisany fitarainana maro avy amin'ny olona.

Ny Les Misérables dia seho an-tsehatra amin'ny alàlan'ny hira nalaina avy amin'ilay tantara Frantsay manana ny lazany nosoratan'i Victor Hugo tamin'ny 1862. Iray amin'ireo tantara an-kira tsy lefin'ny vanimpotoana nanerana izao tontolo izao izy io.

Mandritry ny seho iray ahitàna fampakarambady any akaikin'ny fiafaràn'ny fampisehoana, misy olona masiaka iray maneso ireo vahiny nasaina no sady manoroka lehilahy iray mpiantsehatra izay milaza ny tenany ho “pelaka”. Oroka noheverina hatao rehefa alefa ilay hira “Beggars at the Feast” (Mpangataka Miravo) .

Raha ny fahitàna azy, nanafintohina mpijery maro ilay oroka, ka notaterin'izy ireo tamin'ny manampahefana, tamin'ny filazàna fa tsy voasoratra ao anatin'ny famokarana ny tantara niandohana mihitsy ilay oroka.

Ho famaliana ny fitarainana, nanome baiko ny Media Development Authority (MDA) – Sampandraharaha misahana ny Fampivoarana ny Media ao amin'ny governemanta mba hanapahana ilay ampahany misy fifanorohana. Ito ambany ito ny tsonga avy amin'ny fanambaràn'ilay masoivoho :

Noho ny fehezandalàna fanasokajiana eto amintsika, dia tsy ho tafita amin'ny fitsirihan'ny “mpanolotsaina” ny seho tahaka izany. Noraisin'ilay mpangataka ny fanapahankevitra ny hanaisotra ilay ampahany, mba hitandremana ny fitsirihana “ankapobeny” ho an'ny tohiny rehetra. Handray fepetra momba io fanitsakitsahana ny fepetran'ny fahazoandàlana io ny MDA.

Neken'ireo mpikarakara ilay hetsika mozikaly ny fandaminana, tamin'ny fanoloana ilay oroka taminà fifamihinana maharitra, na dia nisisika aza izy ireo—tamin'ny ezaka hita mibaribary hanamaivana ilay seho mampivoitra ny fifankatiavan'olona mitovy taova—hoe natao ho fampihomehezana ilay oroka.

Nisokatra tamin'ny 31 May ny fampisehoana, ary ny 3 Jona no nesorina ilay seho misy oroka.

Nahasorena ny maro tao Singapaoro ilay hetsika nataon'ny MDA, indrindra fa ny vondrom-piarahamonin'ny LGBT izay nahatsapa izany ho tsy nilaina akory.

Nasongadin'ilay olana ny mbola fibahanan-toeran'ireo soatoavina mpifikitra amin'ny nentindrazana eny anatin'ny fitantànana ao Singapaoro. Na eo aza ny fisian'ny vondrom-piarahamonina LGBT tsy azo tsinontsinoavina ao amin'ilay firenena, mitohy ho olana iray saro-bahana ny fanavakavahana. Raha ny marina, dia voaràra ao Singapaoro ny firaisan'ny lahy samy lahy.

Olona iray nanatrika ny Les Mis no nahita oroka nifanaovan'ny lehilahy 2  tanaty fotoana fohy & ary nangorintsina. Araka izany dia nihazakazaka nampandre ny manampahefana izy

Nalefa tao amin'ny pejy Facebook “We Are Against Pinkdot in Singapore,” ny fitarainana momba ilay seho nisy oroka nifanaovan'ny samy lehilahy, pejy manondro ilay fankalazàna isantaona ny “Teboka Mavokely” fanaon'ny LGBT ao amin'ny firenena.

Nanainga ny olona i Gwyneth Teo, mpampiasa Facebook, dia ireo olona nitaraina momba ilay oroka, mba hifantoka amin'ireo lohahevitra hafa hita ao anatin'ilay hetsika mozikaly:

…ny fifantohan'ireo be taraina amin'ilay oroka, izay teboka tena bitika tsy misy fiantraikany amin'ireo lohahevitra midadasika be amin'ilay seho an-tsehatra, dia tena tsy fijerena lavitra ankoatry ny eo ampototry ny orony (ny hazo fa tsy ny ala). Tokony hijoro hianatra lesona iray na roa momba ny fifamelàna avy amin'ilay seho natrehany ry zareo.

Alfian Sa'at, mpilalao an-tsehatra, mandritra izany fotoana izany, dia niteny fa nampalahelo azy ilay fanapahankevitry ny MDA:

Mety hihevitra ianao hoe ny fanafoanana ilay seho ahitàna fifanorohana dia mampiseho endrika fandresena manoloana ny LGBT sy ireo liberaly, saingy amin'ny fo tsy miangatra, tsy dia misy dikany loatra io miohatra amin'ny fandresena ny tsy fahalalàna sy ny fisaritahana noho ny fahatsapàna iraisan'ny maro sy ny fahaizana mandinika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.