- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trano Fahiny Asehon'ny Bilaogin-tsary ‘Bits of Tokyo’

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina
Bits of Tokyo

Tranobe Gorilla ao Sangenjaya, Tokyo. Avy amin'ny Fantsona YouTube Bits of Tokyo [1].

Bits of Tokyo [2] dia bilaogin-tsary tsy mitonona anarana mampiseho ny zoro mangina, fahiny ao Tokyo, tanàna lehibe indrindra taloha manerantany.

Raha tokony hifantoka amin'ny endrika maneho ny hoavy mamiratra fampifandraisan'ny olona maro amin'i Japana, ny Bits of Tokyo kosa dia mandrakitra ireo orinasa sy trano tsy dia misy mpikarakara mihitsy ary matetika miha-simba izay tsy mahazatra ao amin'ny faritra marobe ao Tokyo ihany, fa ao an-tanàna hafa manodidina an'i Japana miha-antitra vetivety ihany koa.

Tsena fivarotana fikojakojana tarehy amam-bika ao Tokyo

Efa tamin'ny taona 40 sy 50 ny maro tamin'ireo magazay sy trano voarakitra ao amin'ny bilaogin-tsary, ary natsangana tamin'ny fotoana firoboroboan'ny “fahagagana ara-toekarena” taorian'ny faharesen'i Japana tamin'ny Ady Lehibe Faharoa

Magazay kely elektronika eo anelanelan'i Shibuya sy Yoyogi ao Tokyo

Maka ny sarin'ny fiainan'ny manodidina ao amin'ny tanàna marobe manerana an'i Japana ny Bits of Tokyo

Andiana trano fahiny eo anelanelan'i Daikanyama sy Ebisu ao Tokyo

Tsy ny zavatra rehefa no simba na izany aza, Kappabashi [14], ao amin'ny “tanàna fahinin'i” Shitamachi atsinanan'i Ueno ao Tokyo dia ahitana vondron'orinasa mamatsy ny indostrian'ny trano fisakafoanana

Magazay mivarotra kojakoja an-dakozia ao Kappabashi ao Tokyo

Mampiseho ny antsipirian'ny fomba fiaina efa mihamanjavona, tahaka ny trano fidiovam-bahoaka na sento izay anisan'ny zavatra iankinan'ny aina ao an-drenivohitra taorian'i Ady ao Japana ihany koa ny Bits of Tokyo

Fidirana ao amin'ny trano fidiovam-bahoaka ao Sangenjaya.

Milina fisotroana kafe fahiny eo ivelan'ny trano fidiovam-bahoaka fahiny mitovy aminy ihany ao Sangenjaya ao Tokyo

Mampiseho ny antsipiriany kely momba ny fiainana taorian'ny ady ao amin'ny faritra Showa Japana ihany koa ny bilaogin-tsary, anisan'izany ny takelaka sy ny fialamboly:

Takelaka vary, sigara sy sira ao ivelan'ny magazay ao Meiji Dori ao Tokyo

Eo amin'ny faha-70 sy 80 taonany eo ireo tompon'ny maro amin'ireo tsena ireo. Tsy fantatra izay hitranga ao amin'ny faritra manodidina azy ireo rehefa lasa izy ireo.

Farmasia, toerana fanaovam-bolo sy magazay eo akaikin'ny fiantsonana Gakugeidaigaku ao Tokyo

Sary hafa kosa mampiseho ny fomba fisainana ara-pandraharahan'ireo tompon'ny orinasa madinika sasany amin'ny fitadiavam-bola:

Mpanao volo mamaky momba ny tanana ao amin'ny lalana Keio ao Tokyo

Mazava ho azy fa misy koa ireo ohatry ny maritrano nentim-paharazana tena mahafinaritra

Trano tranainy eo akaikin'i Sangenjava ao Tokyo

Manana ny fantsona YouTube [34]azy manokana ihany koa ny Bits of Tokyo: