Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Senatera Pakistaney Nandrahona Hanolana Mpikatroka Tamin'ny Fandaharana Mivantana Amin'ny Fahitalavitra

Senator Hamdullah, Barrister Masroor and Marvi Sirmed during the argument. Screenshot from Dawn News video.

Senatera Hamdullah, Mpisolovava Masroor, ary Marvi Sirmed nandritra ny adihevitra. Sary: Dawn News

Nandritra ny fandaharana resadresaka tao amin'ny fahitalavitra tamin'ny Zoma 10 Jona, nanao vava tamin'i Marvi Sirmed, mpanadihady ny fandaharana sy mpikatroka ny zon'olombelona ilay Senatera Pakistaney Hafiz Hamdullah, ary nandrahona hanolana ilay vehivavy mihitsy aza. Niteny ratsy tao amin'ny fahitalavitra tamin'ireo mpanohitra politika taloha i Hamdullah, solontenan'ny antoko politika ara-pivavahana Jamiat-i-Ulema Islam-i-Fazl (Jui-F).

Fotoana fohy taorian'ny fandraketana ny fandaharana, nanoratra momba ny zava-nitranga tao amin'ny Facebook i Sirmed, ka niteraka resabe sy nitarika tatitra tany amin'ny polisy ary antso fitoriana ny Senatera Hamdullah:

I've just undergone a very traumatic experience at a News One program (Nadia Mirza Show) when Hafiz Hamdullah of JUIF got angry on a comment by Barrister Masroor. When my turn came, I started my comment by saying “I agree with Masroor sahib to the extent that…” and here Hamdullah cut me and went on and on with his arrogance and rudeness. I responded in almost the same coin. And that's when he started abusing me with worst possible expletives. Called me a whore and said “tumhaari shalwaar utaar dooN ga aur tumhaari maaN ki bhi” (I will take off your trousers and your mothers). I returned this to his own family women. And then he tried to beat me. All of this recorded in camera. Fayaz ul Hassan Chauhan held him so his punches don't reach me. He had to be taken away by the News One security.

And this religious merchant was fasting while he did all this.

Vao avy nandalo zava-niainana mampahonena aho tamin'ny fandaharana News One (Fandaharan'i Nadia Mirza) raha tezitra tamin'ny fanehoan-kevitry ny mpisolovava Masroor i Hafiz Hamdullah avy ao amin'ny JUIF. Rehefa tonga ny fotoana nitenenako, nanomboka ny fanehoan-kevitra tamin'ny hoe: “miombon-kevitra amin'i Masroor Sahib aho amin'ny filazana fa …”, ary avy eo notapahan'i Hamdullah aho ary nanohy hatrany ny avonavonany sy ny tsy fahalalam-pombany izy. Saika namaly tamin'ny fomba mitovy aho raha nanomboka nihoa-pefy tamin'ny ompa ratsy indrindra izy. Niantso ahy ho vehivavy janga izy ary nilaza hoe: “tumhaari shalwaar utaar dooN Ga aur tumhaari maaN Mpanj Bhi” (ho esoriko ny patalohanao sy ny an'ny reninao). Naveriko ho any amin'ny vehivavy fianakaviany izany. Ary avy eo niezaka nidaroka ahy izy. Voarakitra ao anaty kamera avokoa izany rehetra izany. Notazonin'i Fayaz ul Hassan Chauhan izy ka tsy nahazo ahy ny tanany saika hidaroka. Tsy maintsy noesorin'ny mpiambina ny News One izy.
Ary nifady hanina ity mpivarotra ara-pivavahana ity raha nanao izany rehetra izany.

Mahatsikaiky, nitranga izany rehetra izany raha noraketina ny fandaharana natokana ho an'ny adihevitra ao Pakistan mikasika ilay antsoina hoe “famonoana olona noho ny fiarovam-boninahitra” (famonoana atao amin'ny fianakaviana, indrindra fa ny ankizivavy na vehivavy, izay hita fa nitondra fahafaham-baraka ho an'ny fianakaviana) sy ny fahanginan'ny Filankevitry ny Fotokevitra Silamo (CII) manoloana ny olana- ny CII dia fikambanana ahitana mpikambana 20 natsangana tamin'ny taona 1962, izay manome torohevitra tsy voatery hotanterahina ho an'ny governemanta mikasika ny lafiny ara-pivavahana amin'ny lalàna sy ny fiaraha-monina. Nahazo tsiny ihany koa ny CII noho izy tsy manaiky ny fisian'ny herisetra atao amin'ny vehivavy amin'ny ankapobeny.

Nahazo tsikera ny Filankevitry ny Fotokevitra Silamo vao haingana noho ny fandrafetana lalàna mamela ny lehilahy ‘hidaroka ny vadiny moramora’. Marihina fa i “Hamdullah, no filohan'ny Komitin'ny Fandrindrana Ara-pivavahana Iraisampinoana ao amin'ny Antenimieran-doholona.

Nandritra ny fandaharana tamin'ny fahitalavitra, nilaza tamim-panebahana ilay mpanolotra ny fandaharana Mpisolovava Masroor fa “Pee K soey Hue Hain‘” (matory rehefa avy mamo) ny Filohan'ny Mpitondra Fivavahana CII Maulana Sherani sy ny Senatera Hamdullah. Nanohy nitsikera ny CII noho ny fandeferana amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy i Masroor. Nitodika tany amin'i Sirmed avy eo ny mpanolotra ny fandaharana ary nanontany ny heviny mikasika ny toeran'ny CII momba ny zon'ny vehivavy sy ny tsy fahombiazany amin'ny fanamelohana ny famonoana olona noho ny fiarovam-boninahitra. Niombo-kevitra tamin'i Masroor i Sirmed, nampahatezitra an'i Hamdullah, izay nanomboka nitabataba, izany. Nihamafy loatra ny tohan-kevitra ka nandrahona an'i Sirmed tamin'ny fanolanana i Hamdullah nony farany.

Ady teo amin'i Hafiz. Lahatsary: Shoaibvideos

Tsy nametraka ilay fandrahonana fanolanana sy ny ompa ny lahatsary efa nasiam-panovana. Nizara ny antsipirihan'ny fikasana hiherisetra ara-batana tao amin'ny pejiny Facebook sy tamin'ny fandaharana amin'ny fahitalavitra hafa i Sirmed. rehefa niampanga an'i Hamdullah tamin'ny heloka bevava. Na dia mbola tsy nivoaka aza ny lahatsary mampiseho ny fikasana hiherisetra ara-batana, nisioka nanohana an'i Sirmed ny mpisolovava Masroor ary nanamarina ny tantarany:

Talanjona raha nanatri-maso ny ompa mahatsiravina (fikasana hiherisetra ara-batana) nataon'i Hafiz Hamdullah tamin'i  @marvisirmed tao amin'ny @10pmwNadiaMirza androany @nadia_a_mirza

Rehefa avy nizara ny tantarany i Sirmed, tonga nilaza momba ny herisetra nataon'i Hamdullah tamin'izy ireo ihany koa ny hafa maro.

Niaka-peo nanohana an'i Sirmed ny parlemantera Dr. Arif Alvi ary nizara ny zava-niainany manokana ihany koa:

Talanjona aho. Efa nandrahona ahy indray mandeha teny an-kalamanjana کہ میں تمہاری زبان کاٹ دوں گا ity lehilahy mpanararaotra ity (hotapahako ny lelanao) Mahamenatra. Tokony raràna amin'ny fahitalavitra.

Nitanisa ireo hafa niatrika herisetra tamin'i Hamdullah taloha ilay mpiserasera Rana Waleed, anisan'izany ireo mpanolotra fandaharana maromaro amin'ny fahitalavitra:

Hatramin'izao, ny olona efa norahonan'i Hafiz Hamdullah na nitenenany ratsy dia i:
1) @AamirLiaquat
2) @ArifAlvi
3) @Fereeha
4) @marvisirmed

Efa nanatontosa fandaharana maromaro niaraka tamin'i Hamdullah i Sirmed teo aloha, ary tsy mbola nanafina ny tsy fitovian-keviny marobe amin'ny politikany. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa, tsy navelany tsotra izao hiteny i Sirmed, fa nampiasa fandrahonana herisetra mihitsy aza. Na dia eo aza ny lahatsary avy amin'ny Studio-n'ny fahitalavitra, nilaza ny maro tamin'ireo mpiserasera fa nihantsy ady i Sirmed. Ny mpanohana azy kosa, mandritra izany, manosika hatrany:

Tsy mampino fa manome tsiny ny lasibatra tamin'ny fifamalian'i Marvi Sirmed mifanandrina amin'i Hafiz Hamdullah ny olona kanefa mampiseho mazava ny lahatsary fa tsy nihantsy ady izy. Adala!

Ny tianao ambara izany dia mety ho simban'i Hafiz Hamdullah tamin'ny fomba feno habibiana sy tsy islamika i @marvisirmed

Izy no nanao herisetra fa tsy izaho. Izy no nitabataba fanolanana sy fandrahonana ho faty fa tsy izaho. Izy no niantsambotra hidaroka fa tsy izaho

You responded to him so now why are you pretending to be innocent? aren't men and women equal?

Namaly azy ianao koa nahoana ianao ankehitriny no milaza fa tsy manan-tsiny? fa angaha moa tsy mitovy ny lehilahy sy ny vehivavy?

Niampanga ny zava-nitranga ny senatera Sherry Rehman ary namerina ny fitakiam-bahoaka mba handray fepetra ho an'ny senatera Hamdullah:

Eny @marvisirmed efa nandefa hafatra  ho an'ny filohan'ny Antenimieran-doholona aho. Tsy tokony hisy senatera avela hiala maina amin'izao fotsiny

Nitaky ilay mpikatroka malaza ny zon'ny vehivavy Gulalai Ismail mba hosaziana araka ny lalàna ny Senatera Hamdullah noho ny fandrahonana an'i Sirmed. Tamin'ny lahatsoratra amin'ny Facebook, nizara ny hatezerany sy ny fahadisoam-panantenana momba ny fitondran-tenan'ny Senatera i Ismail:

Mullah Hafiz Hamdullah has not just used “derogatory sexist language”, through his statement he has given rape threat to Marvi Sirmed and to her mother. Through is statement, he is reinforcing that being a man having the power of a religious political party at his back, he can rape women and beat women at his disposal. He should not just be banned from media, he should be put in jail for life time because he is a threat to all women.

Tsy vitany hoe nampiasa “fiteny manambany vehivavy” i Mullah Hafiz Hamdullah tamin'ny alalan'ny fanambarany handrahona hanolana an'i Marvi Sirmed sy ny reniny, fa manamafy ihany koa izy fa amin'ny maha-lehilahy manana fahefana amin'ny antoko politika ara-pivavahana manohana azy ao ambadika, dia afaka manolana vehivavy sy midaroka vehivavy eo aminy izy. Tsy tokony ho voaràra amin'ny haino aman-jery ihany izy, fa tokony hogadraina mandra-pahafaty satria mampidi-doza ho an'ny vehivavy rehetra.

Ny dika voalohan'ity lahatsoratra ity dia nilaza ny Senatera Hamdullah ho Hamdani, efa voahitsy ny fahadisoana ary novaina tamin'ny anarana tena marina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.