- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nofoanan'ny Lancôme Ny Seho An-tsehatra Iarahana Amin'ilay Mpihira Mpandàla Ny Demokrasia , Taorinan'ny Faneren'i Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Zavakanto & Kolontsaina
Denise Ho in 2007. Photo by Verity. CC BY-SA 2.0 [1]

Denise Ho ny taona 2007. Sary avy tamin'ny Verity. CC BY-SA 2.0

Manohy mampihatra ny fahefany malefaka i Shina mba hanafaizana ireo olo-malaza avy any Hong Kong, izay mpomba ny demokrasia.

Ny alahady 5 Jona teo, nanafoana fampisehoana kely tany Hong Kong ny orinasa manerantany manao vokatra fikarakarana tarehy, Lancôme, taorian'ny nilazan'ny Global Times, gazety an-tsoratra nasionalista Shinoa, tantanan'ny fanjakana tao amin'ny media sosialy fa manohana “ny mpomba an'i  Hong Kong sy ilay artista avy ao Tibet mpandàla fahaleovantena”, Denise Ho, ilay marika, amin'ny fanasàny azy amin'ireo hetsika fahampahafantarana vokatra ataony.

Mpihira pop mipetraka any Hong Kong i Denise Ho [2], ary mpitondra teny sy mpanohana mafy ny fiarahamonina LGBT ao an-tanàna sy ny hetsika mpomba ny demokrasia. Nanohana ny hetsika “Occupy Central” (Bodoy ny Afovoany) naharitra telo volana tamin'ny taona 2014 izy, izay nangataka ny hisian'ny fifidianana demokratika marina any Hong Kong, faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, izay manana fizakantena ambony tokoa. Noho izany, voarara [3] tsy hiseho any amin'ny taniben'i Shina izy, miaraka amin'ireo olo-malza hafa, tafiditra amin'izany ilay mpanakanto mpivoy pop Anthony Wong Yui Ming sy ilay olo-malazan'ny sarimihetsika Chapman To [4] ary Anthony Wong Chau Sang [4].

Eo ankilan'ilay sazy ofisialy, nentanin'ny milina fanaovana fampielezankevitra Shinoa mafy tokoa ireo mpisera amin'ny Aterineto mba tsy hanaraka ireo mpanakanto avy eo an-toerana ao amin'ny Aterineto. Ny taona 2014, mpisera an'aliny avy ao amin'ny tanibe no nifidy tamin'ny fitsapankevitra iray tety anaty Aterineto, ny hampidirana ireo mpanakanton'i Hong KONG mpomba ny demokrasia ho ao amin'ny lisitra mainty, raha nandefa fanehoankevitra miampanga ireo mpanakanto ho “manorotoro ny vilia mamahana azy ireo” [5], ny vohikalam-baovao tantanan'ny fanjakana Xinhua.

Lancome's concert poster. via Denise Ho's facebook. [6]

Lancome's concert poster. Via Denise Ho's Facebook.

Saika natao tao amin'ny kafe iray tao Hong Kong ilay fampisehoana kely. Ao amin'ny Weibo, ilay vohikala malaza fanaovana bilaogy madinika, tondroin'ny Global Times ny Lancôme sy ilay marika fanontsanana vava Listerine, izay iasan'i Ho toy ny mpitondra teny, hoe maka toerana ara-politika amin'ny fampiasàna azy:

【兰蔻、李施德林被曝请支持“港毒藏毒”的艺人合作?】有网友爆料,内地热销漱口水品牌李施德林,及兰蔻化妆品,近日在香港新推出的品牌推广活动中,皆请了支持港毒、藏毒的何韵诗做代言活动。你們怎麼看?

Mibaribary ve ny asan'ny Lancôme sy Listerine miaraka amin'ny mpomba ny Hong Kong sy ilay mpanakanto mahaleotena avy any Tibet? Naborak'ireo mpisera amin'ny Aterineto fa nasain'ilay marika fanontsanana vava Listerine sy ilay marika mpanao vokatra ho an'ny tarehy Lancôme, ho mpitondra teniny, ilay mpomba an'i Hong Kong sady mpanakanto mahaleotena avy ao Tibet, Denise Ho. Ahoana ny eritreritrareo amin'izany?

Tsy mbola nilaza ny fanohanany ny fahaleovantenan'i Hong Kong na i Tibet mihitsy i Ho, faritra mahavita tena aoi Shina izay ifantohan'ny hetsika “worldwide Free Tibet” (Tibet Malalaka Maneran-tany). Ao amin'ny hafany, mampiasa ny teny hoe “du (毒)” ny Global Times, izay midika hoe mampidi-doza, raha toa ka tokony hoe “du (獨) izay midika hoe fahaleovantena, mba ho fomba iray entina handisoana bebe kokoa ireo mpisera amin'ny Aterineto amin'ny politikan'ilay mpihira pop Cantonaise. Samy manana ny dikany ireo teny roa ireo, fa indraindray afaka ampifanoloana.

Nofafana ilay lahatsoratra taorian'ny namoahan'i Lancôme fanambaràna [7] manazava fa tsy mpitondra teniny i Ho. Tsy nanakana ireo mpisera amin'ny Aterineto ao amin'ny tanibe tsy hanatefotefoka ilay marika anefa ilay fanambarana. Nameno ny Aterineto ireo fanehoankevitra an'aliny, niantso ny tsy hahatongavana any.

Ny farany, namoaka fanambarana hafa tao amin'ny Facebook [8] ny Lancôme, hoe nanapa-kevitra ny hanafoana ilay fampisehoana kely atao ny 19 Jiona ilay orinasa, ho fitandroana ny “filaminana”. Ho azy, nahita ilay fanafoanana tampoka ho tsy azo ekena i Ho. Nanoratra [9] tao amin'ny pejy Facebook-ny izy, nanainga ilay orinasa mpanao ankosotra mba hanazava ny fanapahankeviny:

自由、公義、平等,一直是香港人所追求的,而假如現在我們因為這些堅持而要受到莫名其妙的懲罰,那麼,這早已不是我個人層面上的事情,而是整個世界價值觀的嚴重扭曲。Lancôme是國際品牌,當國際品牌也要屈膝於這種霸凌之下,我們不得不嚴肅正視問題。
我們從來不是獨立個體,面對強權歪理,其實每個人都是受害者,客戶與員工亦然。有人選擇屈服退縮,有人選擇挺直腰板,但你必須記住,你的選擇影響著整個社會,一間公司商業上畏縮而過份自我審查的決定,牽動了一整個社群的恐懼,助長了另一個極權的橫蠻。這真是我們想要的社會嗎?企業除了有營利追求,也有道德責任。向強權屈服了一次,就只會是無止境的後退。

Soatoavina notohanan'ireo olona avy any Hong Kong foana ny fahalalahana, fahamarinana ary ny fitoviana. Raha saziana tsy misy antony izahay, noho ny fanajana ireo soatoavina  ireo, tsy ny momba ahy irery intsony izany. Fanapotehana tanteraka ny soatoavintsika manerantany izany. Marika iraisampirenena ny Lancôme, ary raha tsy maintsy mandohalika eo anatrehan'io fanafoanana io ny marika iraisampirenena iray, tena mila atrehantsika amin'ny fomba matotra ny olana.

Tsy mitokatokana ireo mpiasa sy mpanjifan'ny Lancôme, ary samy mizaka ny vokatry ny jadona tsy misy antony daholo isika. Ny sasany misafidy ny hilefitra amin'ny manampahefana, ny sasany misafidy ny hanohitra izany. Samy hisy vokany amin'ny fiarahamonina manontolo ny safidy tsirairay. Raha orinasa iray, noho ny fomba fijery ara-barotra, no manapa-kevitra ny hanao fanivanana samirery mihoapampana toy izany, mahatonga tahotra eo amin'ny fiarahamonina ihany koa izany, ary mandrisika ny fitondrantena tsy misy antony ataon'ny mpanao jadona. Tena te-hiaina anatin'io karazana fiarahamonina io ve isika? Tokony manana andraikitra ara-moraly ireo orinasa rehefa manaraka tombotsoa ara-barotra. Rehefa indray mandeha manome vahana ny fanaovana jadona ianao, dia hisintaka ny fototra ara-moraly.

Kely finoana ihany i Adrian Chow, mpandrindra hira miteny mivatambatana, momba ny toedraharaha misy ny fahalalahana miteny ao Hong Kong, raha jerena ny famoretana ara-toekarena ataon'i Shina tanibe aminy. Nijery ny tatitra 2015 fanaon'ny L'Oreal isan-taona izy, ilay orinasa renin'ny Lancôme, ary nanao tsoakevitra [10] hoe afaka miala mora an'i Hong Kong ilay orinasa mba hahafahany miditra malalaka amin'ny tsenan'i Shina:

這公司可能完全不知道何韻詩做過說過甚麼,更懶管她是否一個按良知行事的藝人,總之一見《環時》出手,便將她看成是公司在大陸營運的「不利因素」,必需切割。在商業世界的邏輯中,數字是唯一的道德標準,「股東利益」是所有商業行為的理據;甚麼「企業良心」,也只是 marketing & promotion 的技倆。

但當大陸因素與這種商業邏輯合流,便直接影響到香港的創作與言論自由,藝人與創作人定要謹言慎行,千萬不可以令自己成為 potential clients 在大陸營運的「不利因素」,不會作、唱、演、甚至接觸任何在大陸可變成「敏感」的作品和人士,因為他們知道 big brother is watching,隨時會被人「篤灰」。

Mety tsy mahalala ny zavatra nataon'i Denise Ho taloha mihitsy io orinasa io. Tsy miraharaha akory aza io hoe manana feon'ny fieritreretana ve izy. Vao avy namaky ny fanehoankevin'i Global Times izy, tonga dia nataony ho toy ny “vato misakana” ho an'ny varotra ataony any Shina i Denise Ho, ary notapahany ny fifandraisana taminy. Amin'ny tontolon'ny varotra, ny isan'ny vola miditra ihany no mampiasa saina, ary ireo tombotsoan'ireo mpampiasa vola no manamarina ny fitondrantena. Resaka fambaboana ara-barotra fotsiny ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy.

Misy vokany mivantana eo amin'ny fahalalahana miteny ao Hong Kong sy ny famoronany ny fiarahan'ny fisian'i Shina sy ny lojika ara-barotra. Tsy maintsy mitandrina be ireo mpanakanto mba tsy ho lasa “vato misakana” ho an'ny fandraharahàn'ireo mety ho mpanjifa azy any Shina. Tsy maintsy sorohan-dry zareo ny famoronana, ny fihiràna na fanaovana zavatra mety hanohintohina, na mifandray amin'ireo olona manohitohina ny hafa, satria fantatr'izy ireo fa mijery azy ireo razoky lahy. Maro ireo olona vonona ny “hitatitra” [any amin'ireo manampahefan'ny taniben'i Shina momba ny fitondrantenan'ireo mpanakanto].

Kanefa, tsy ireo orinasa rehetra no miankohaka eo anoloan'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Shina. Ny orinasa renin'ny Listerine, Johnson & Johnson izao, tsy niraharaha ny lahatsoratry ny Global Times ary nanohy miaraka miasa amin'i Ho ho toy ny mpitondra teniny ofisialy hatrany. Raha ny marina, maneho [11] ny fiverenany azy ho vehivavy tia vehivavin'ny taona 2012 ny Listerine, ary mampiasa ny rijanteny hoe “fitiavana feno fahasahiana, fiitenenana feno fahasahiana” ho an'ny marikany.

Listerine neglects Global Times' political label and continues using Denise Ho as the brand's public face in Hong Kong. Image from Listerine's Facebook. [12]

Sary avy tamin'ny Facebook-n'i Listerine.

Nahazo fankasitrahana maro avy amin'ireo mponin'i Hong Kong ao amin'ny pejy Facebook-ny [13] ny fanapahankevitr'ilay orinasa:

李斯德林,你好嘢,我欣賞你! 在這個時代,自由不是必然,堅持不是必然,忠於自己不是必然,豈只是一件貨品,當中的意義,香港人的可貴,我們更加要努力捍衛!

Listerine, goavana ianareo. Tiako ianareo. Amin'izao andro sy taonantsika izao, tsy azoazo foana ny fahalalahana, tsy azoazo foana ny fahamarinana, tsy azoazo foana ihany koa ny hoe marina amin'ny tenanao. Tsy vokatra fotsiny ny vokatra, mitondra dikany lalina io, izay omenay avy ao Hong Kong lanjany tokoa. Tsy maintsy arovanay io.