- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miteny An'ireo Mpitsikera Ny Fanambadian'Ankizy Any Trinité & Tobago Ny Mpitarika Fivavahana Hindo Hoe ‘Ny Raharahanareo iasàna Saina’

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fanabeazana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
"Child Marriage"; image by flickr user SAM Nasim, used under a CC BY 2.0 license. [1]

“Fanambadian'ankizy”. Sary avy tamin'ny mpampiasa Flickr, SAM Nasim, ambany fahazoandalana CC BY 2.0.

Lalàna efa tao anaty boky efa ho taonjato iray [2] izay ny mariazin-jaza, araka ny hita ao amin'ireo fiarahamonina Hindo sy Silamo an'i Trinité sy Tobago, fa nony farany kosa nisy tsindry avy amin'ny  vahoaka mba hanafoanana azy io

Ireo vondrona mpiaro vehivavy sy zon'olombelona — ary ireo olontsotra mpisera amin'ny Aterineto — samy miampanga ilay fomba fanao ho fanararaotana ankizy [3], izay lazain'izy ireo ho mifanohitra mivantana amin'ny fotokevitry ny Fifanarahan'ny  Firenena Mikambana momba ny Zon'ny ankizy (UNCRC) [4], izay nosoniavin'ny Trinité sy Tobago, ary mamaritra ny zaza tsy ampy taona ho “ireo olona rehetra latsaky ny 18 taona”.

Tao amin'ny zavatra nalaza farany tao amin'ilay raharaha nahatonga resabe, i Sat Maharaj, sekretera jeneralin'ny Sanatan Dharma Maha Sabha [5], ilay fikambanana Hindo ambony indrindra ao amin'ny firenena, dia niteny mafy [6] tamin'ireo olona fantadaza niteny nanohitra ilay fomba fanao ary ireo rehetra miady ho an'ny fanovàna ny lalànan'ny mariazy.

Nilaza tamin'i Joseph Harris, arseveka Katolika Romanan'ny firenena izay nitsikera ny mariazin-jaza izy, raha injay tonga teo ambany fanarahamason'ny vahoaka ilay raharaha, hoe:

Arseveka, ny raharahanareo iasàna saina. Raharahan'ny fiarahamonina Hindo sy ny fanjakana ito.

Nilazà [7] mazava tamin'ny ambasadaoro'ni Etazonia eo amin'ny firenena, John Estrada, tsy hiditriditra amin'ilay raharaha koa i Maharaj:

Any amin'ny fanjakana tsirairay, misy taona samihafa, ary latsaky ny 13 taona [8] ny any Etazonian'i Amerika ry Atoa. Ambasadaoro. Tsaboy aloha ny zava-dratsinareo alohan'ny hitenenanareo anay hoe ahoana ny hitsaboana ny zava-dratsinay.

Ho an'ireo mpisera amin'ny Aterineto maro, manaporofo fa “zava-dratsy” ny fampanambadiana ankizy, ny filazan'i Maharaj. Naneho hevitra [9] ankolaka ilay mpampiasa Facebook, Mark Lyndersay:

Satria ny fitondran'ny tovovavy ny vatany, miankina amin'ny finoana izay nahaterahany.

Nilaza [10] tsotra izao fotsiny ilay mpitoraka bilaogy sady mpampiasa Facebook, Rhoda Bharath:

Tsy misy ambara.

Tsy nahavita tsy naneho hevitra [11] tamin'io fahadisoana farany io ilay vohikala mpanadrohadro, Wired868:

Ny ‘raharahara’ arovan'i Maharaj, hatreto, dia ny zon'ireo ankizy vavy Hindo ho ampanambadiana, eo ambany Lalànan'ny mariazy Hindo, manomboka ny faha 14 taona. Hatreto, mihemotra izany.

Ankehitriny, raha toa ka mety hoe tsy arakao io— angamba, ohatra hoe, nifantoka tamin'ny toekarena mihambahamba ianao, fiparitahan'ny rà eny an-dàlana, fitohanan'ny resaka fitsaràna, faharatsian'ny asan'ny polisy, na ny baomba amopiasàba famantaranandro atsy  Venezoela tsy lavitra atsy — namboraka ny Rahalahy filohan'ny Fikambanana Iraisan'ireo Fivavahana (IRO), Harrypersad Maharaj, roa volana lasa izay, fa tian'ireo fikambanana fivavahana eo an-toerana ny hevitra hitazonana an-databatra ny resaka fampanambadiana ankizy [12].

Aminà tranga fahamaizana, mazava ho azy.

Izay miteraka fanontaniana kely: Karazana olana inona, raha tsy hoe misy fandroahana miandry angaha, no hiheverana ny fanaovana mariazy maimaika ho fitsaboana amin'ny taona 2016? […] Tena mahatonga henatra tokoa ve ny mariazy? Sa mampitombo fotsiny ny isan'ireo afa-baràka?

Niresaka manokana [11] ilay fanazavan'i Maharaj mba hitazonana ilay lalàna ho toy izao ihany, ny lahatsoratry Wired868:

‘Afaka manao zazakely [izy ireo],’ hoy i Maharaj, miaraka amin'ireo lehilahy antitra’. Tsy misy hanidy ireo lehilahy antitra ireo…

‘Rehefa tanora ianao, mirisika amin'ny zavatra ato. Ary raha miroso ka bevohoka ny ankizivavy 14 taona, samy tonga miaraka ireo ray aman-dreny roa, ary hanome fanohanana azy, averin'izy ireo any an-tsekoly ry zareo. Ary raisin'izy ireo an-tànana ilay zaza.’

Andraso aloha… Araka izany, ny fiarovantenanao izany dia hoe rehefa tsy hahavita hanenjika tsara ireo mpanolana ihany ireo polisy, nahoana raha atao ara-dalàna ilay zavatra atao ary avela haka ireo olona kendreny izy ireo?

[…]

Miala tsiny. Tsy misy ho lazaina. Izany mihitsy no karazana hevitra izay, raha avela kely fotsiny hihitatra ao an-dohanao, mahalasa adala.

Tsy anisan'ireo gaga [13] anefa ilay mpitoraka bilaogy ao amin'ny Watch mpila ravinahitra, Jumbie. Mitanisa ny andalana voalohany sy fahaefatry ny lalampanorenan'i Trinité sy Tobago, izay miresaka ny fahalalahana “mifototra amin'ny fanajàna ny ara-moraly sy ara-pivavahana ary ny fanjakàna tan-dalàna”, hoy izy nanoratra:

Mamaky na maheno matetika ao amin'ny media, ny fanehoankevitr'ireo olona maro samihafa aho, hoe fanjakàna laika i Trinité sy Tobago.Tsy fantatro mihitsy hoe ahoana na avy aiza io resaka diso io […]

Misaraka tsara amin'ny fivavahana sy ny kolontsaina ny ara-moraly, fa ao an-tsain'ny ankamaroan'ny vahoaka, fivavahana sy kolontsaina ny ara-moraly.

[…] Antenaiko ny vahoaka ho afaka hanaiky hoe TSY firenena laika i Trinite sy Tobago, ary hoe omena lanja lehibe eo amin'ny fandraisana fanapahankevitra ny fivavahana.

Menatra tamin'ireo fanambaràn'i Maharaj ireo Hindo sasany; nilaza [14] izao tao amin'ny lahatsoratra hitan'ny daholobe tao amin'ny Facebook i Shane Anthony Mohammed:

Henatra tsy misy toy izany ho an'ny razambentsika. […]
Nanao izay nahamenatra ireo Hindo eto amin'ny firenentsika izy, ary tena nanala baràka ny fomba amam-panaontska tamin'ireo ompany sy ireo fanamarihany mampivonto fo.
‪#‎shutupsatmaharaj [15]

Fa nanana ireo mpanohana azy ihany koa i Maharaj. Naneho hevitra [16] ampahibemaso tao amin'ny Facebook i Leigh López:

Tsy maintsy lazaiko, TIAKO ny valintenin'i Sat Maharaj! “Ny raharahanareo iasàna saina” ‪#‎WhoVexLoss [17]

Iray tamin'ireo tsikera ny fanehoankevitra mafy [18] tamin'ilay fanambaràn'i Maharaj, saingy voafaritra tsara izao ny faritry ny ady. Mety ho tafiditra ao an'ady ny governemanta, satria mitombo hatrany ny fisisihan'ny olona hanovàna ilay Lalàlan'ny Mariazy.