Nahoana No Tsy Mahita Fanavakavaham-bolonkoditra Ao Anatin'ilay Dokambarotry Ny Savony Fanasàna Lamba An'ny Qiaobi Ny Shinoa Sasany.

Pikantsary avy amin'ilay dokambarotry ny savony fanasàna lamba Qiaobi. Avy amin'ny Hong Kong Free Press.
Niteraka hatezerana tany ivelan'i Shina momba ny fanavakavahana mibaribary tsy amin-tahotra misy any aminy ny lahatsarin-dokambarotra iray niparitaka be ho anà savony fanasàna lamba, nanehoana lehilahy iray mainty hoditra nasesiky ny vehivavy Shinoa iray ho ao anaty milina fanasana lamba, ary nivoaka avy ao ‘voasasa’ ho toy ny tovolahy Shinoa iray tsara tarehy sy madio hoditra.
Nanao fialantsiny haingana sy nanaisotra ilay dokambarotra ny Qiaobi, mpamokatra ilay savony fanasàna lamba, saingy ny fanambaràna nataony dia niampanga ireo kiana avy any ivelany ho diso nisafoaka loatra tamin'ny fanehoankevitra. Fiarovantena notohanan'ny maro tamin'ireo Shinoa mpampiasa aterineto, izay nilaza fa fahasamihafàna ara-kolontsaina fa tsy fanavakavaham-bolonkoditra no nasehon'ilay dokambarotra, ary nilaza fa tsy ho vitan'ireo Shinoa ny ho mpanavakavaka manoloana ireo mainty hoditra.
在国外,可能是会被认为种族歧视,但是在中国,可能就不是这样,只是一则广告而已!这是每个国家的文化不同,所以会有不同的看法!
Any ivelan'i Shina no afaka jerena ho fanavakavahana io dokambarotra io. Fa aty Shina, zavatra hafa mihitsy. Dokambarotra fotsiny io. Samy manana ny kolontsainy ny firenena tsirairay, ary samihafa ihany koa ny fomba fijery.
可以再拍一个浑身毛茸茸的白人塞进洗衣机洗一洗。告诉美国人,我们不仅歧视黑人,也歧视白人,你满意了吧。
Azon'ilay orinasa atao ny mamokatra dokambarotra iray hafa ka manesika lehilahy iray fotsy hoditra sy voloina ao anatin'ilay milina fanasàna lamba. Teneno ry zareo Amerikàna hoe manavakavaka ny fotsy sy ny mainty izahay. Afa-po ianareo izay ?
没觉得有什么问题,请不要把种族歧视政治正确强行引进中国
Tsy misy olana na kely aza io dokambarotra io. Isaorana ianareo tsy manafatra ny politika madion'ny fanavakavaham-bolonkoditra avy any Shina.
黄种人没有搞过黑人奴隶制,没搞过强迫黑人奴隶劳动,没搞过大规模贩卖黑奴,也没有三K党,更没有种族隔离制度。所以,冤有头债有主,白人歧视黑人才是种族主义,黄人歧视黑人不过是文化差异。 白人才是天然种族主义者。
Tsy nanandevo velively ny olona mainty hoditra ny olona mavo hoditra, tsy nanery velively azy ireo hanao asa an-terivozona, na nivarotra azy teny an-tsena. Tsy manana Ku Klux Klan na ny fanavakavahana foko [izahay]. Izay tena fahavalonareo marina atrehana. Ny fanavakavahan'ny fotsy hoditra ny mainty hoditra no hany tena fanavakavaham-bolonkoditra. Fahasamihafàna ara-kolontsaina fotsiny ny fanavakavahana ataon'ny mavo hoditra amin'ireo mainty hoditra. Nateraka hanavakavaka volonkoditra ny fotsy.
Mba hanakanana ireo kiana miiba ataon'ny gazety tsy ho lasa olana ara-diplaomatika, notsipihan'ny mpitondra tenin'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny, Hua Chunying, fa tranga maningana fotsiny ilay dokambarotra, ary “mpirahalahy amin'ireo firenena afrikàna” ny Shinoa.
Raha ndeha holazaina fa tranga maningana ilay dokambarora, tsy marina kosa ny fandàvana ny fanavakavahana misy ao Shina atao an'ireo mainty hoditra, ary ny fandàvan'ireo Shinoa “hanam-pifandraisana toy ny mpirahalahy” amin'izy ireny, hoy ireo roa mpianatra momba ny fandinihana ny olombelona ao amin'ny The Initium, sehatra natao ho an'ny asa fanaovana gazety arahana fandalinana.
Saingy, hoy izy ireo manazava, efa lasa zavatra mahazatra io fanavakavahana io ka tsy hain'ny maro amin'ireo Shinoa intsony ny manavaka azy.
Ny antoko kaominista shinoa, rehefa nandray ny fifehezana an'i Shina tamin'ny 1949, dia niezaka mihitsy ny hiaraka/hitambatra amin'ireo “rahalahiny afrikàna voageja” hanohitra ny imperialisma tandrefana. Nahazatra ireo shinoa tomponandraikitra ihany koa ny fampiasàna ny teny hoe “rahalahy” mba ho entiny mamaritra ilay drafitra “Làlam-baovaon'ny Lamba Landy” amin'izao fotoana natao hampiroboroboana ny varotry ny shinoa mitodika mankany Eurasie sy Afrika Atsinanana.
Na izany aza, hita tao Shina ny fitomboan'ny fanavakavahana ny mainty hoditra hatramin'ny nanombohan'io firenena io nanokatra ny toekareny sy nandrindràny kokoa ny fanindrahindràny ny fireneny, hoy ny nosoratan'ireo mpianatra ireo. Nandritry ny andian-taona 1980, betsaka ireo trangam-panavakavahana namelezana ny afrikàna mpianatra tany amin'ireo anjerimanontolo shinoa, hoy izy ireo manazava :
80年代的中國在今天令許多人心生嚮往,然而那個時代也有它被遺忘的黑暗一面。其中一例,便是驅趕非洲學生的校園運動。對「劣等民族」的偏見,加上對非洲人獲得留學生優惠的不滿,對愛滋病傳播的恐懼,和保護本民族「純正性」的呼籲一起,激起了綿延80年代的中非學生衝突。
1979年7月3日,上海的一名馬里學生被中國學生毆打,並因為膚色較淺而被後者一邊喊着「太淺了」,一邊不斷潑墨水。雙方在宿舍門口爆發鬥毆,導致50名外國學生和24名中國學生受傷。在此之後,一百多名非洲學生聚集到天安門廣場遊行,呼籲停止送非洲留學生到中國,因為中國「反非洲傾向非常嚴重」。而中國政府僅承諾加強上海學生的「國際主義」教育,否認事件與種族歧視相關。
1979年後,中非學生之間的衝突不但沒有停止,反而繼續擴大。1979到1989年的10年間,南京、合肥和杭州等地,陸續有反黑人事件發生,每次均有數百人涉及。如1988年12月29日,華中科技大學的300名中國學生向留學生宿舍扔石頭,並砸傷了一名斯里蘭卡學生。中國學生給校方寫信,要求驅逐非洲學生。因為「非洲學生和中國女生的交往破壞了中國社會的穩定」。類似這些事件,往往以女性和非洲黑人交往為導火索。與非洲學生交往的中國女生,也被污名化成了「漢奸」和「妓女」。
Betsaka ny olona no tsy mahita afa-tsy ny fivoarana tsara tamin'ny 1980 fa adinon'izy ireo izay mitranga any an-katakonana. Ohatra iray amin'izany ny fanentanana tao amin'ny toeram-ponenan'ny mpianatra mba hanenjika ireo afrikàna mpianatra. Ny filazana fisianà “firazanana ambany” no hery nanosika ny fifandonana teo amin'ny shinoa sy ireo afrikàna mpianatra tamin'ny 1980, teo koa ny tsy hafaliana noho ny vatsimpianarana aloa amin'ireo afrikàna mpianatra, ny tahotra hisian'ny fianahan'ny SIDA ary ny fahavononana hiaro ny fahadiovan'ny taranaka shinoa.
Ny 3 Jolay 1979, Maliana iray mpianatra no nodarohan'ny andianà shinoa mpianatra. Nambaran'izy ireo fa fotsy loatra ny lokon-kodiny ka dia notondrahany ranomainty. Lasa ady nifanandrinana teo ivelan'ny toeram-ponenan'ny anjerimanontolo ilay izy, nahitàna 50 vahiny mpianatra andaniny, ary shinoa 24 mpianatra naratra ankilany. Avy eo, an-jatony ireo afrikàna mpianatra no nanao fihetsiketsehana teo amin'ny kianja Tiananmen mba hanaitra ny governemantan-dry zareo tsy handefa intsony mpianatra ho any Shina noho ny toepo henjana be feno fankahalàna afrikàna ananan'io firenena io. Nanome toky i Shina hanatsara ny fanabeazana “mitodika amin'ny sehatra iraisampirenena” ho an'ireo mpianatra tao Shangai, no sady nandà ny maha-trangam-panavakavahana ny zavatra niseho.
Taorian'ny 1979, tsy foana ny fifandonana nifanaovan'ireo shinoa sy afrikàna mpianatra.Teo anelanelan'ny 1979 sy 1989, nisy tranga nitovy tamin'izany niseho tao amin'ireo tanàna toa an'i Nankin, Hefei sy Hanzhou. Isaky ny misy izany, olona anjatony no voarohirohy. Araka izany, ny 29 Desambra1988, shinoa 300 mpianatra tao amin'ny Anjerimanontolo Fianarana Siansa sy Teknolojia ao Huazhong any Wuhan no nitoraka vato ireo vahiny mpiara-mianatra tamin'izy ireo, naharatràna mpianatra iray avy any Sri Lanka. Nanoratra taratasy nitakiany tamin'ny Anjerimanontolo mba handroahana ireo afrikàna mpianatra tao ireo shinoa mpianatra ireo, satria “manohintohina ny fahamarinan-toeran'ny fiarahamonina shinoa ny fisian'ireo afrikàna mpianatra misakaiza amin'ny tovovavy shinoa”. Tantaram-pitiavana misy amin'ireo Afrikàna sy ny tovovavy Shinoa hatrany no vanja mandrehitra ny afon'ireny tranga ireny, notondroina ho “mpamadika ny Shinoa Han” sy “mpivarotena” ireo tovovavy shinoa.
Taorian'ny hetsika demaokratika nataon'ireo mpianatra teo an-kianjan'i Tiananmen tamin'ny 1989, nanenjana mafy ny fitsipika tany amin'ireo toeram-ponenan'ny mpianatry ny anjerimanontolo ireo shinoa manampahefana, ary vokatr'izany dia nifarana ireo fampielezankevitra feno fanavakavahana. Saingy tsy nahafongotra ny fanavakavahana akory ny famoretana ireny fanehoana am-pahibemaso ireny, hoy ireo mpanoratra miaro ny heviny :
然而枱面上種族歧視的消失,讓公開的反思變得更不可見。中國的種族觀念,不但沒有得到指出和討論,反而變本加厲地發展成了對「劣等民族」的鄙夷。
Ny fanjavonan'ny fanavakavaham-bolonkoditra mivandravandra dia nanamarika fahambangan'ny fifanakalozankevitra iraisan'ny maro, ny adihevitra ary ny fandinihana ny fanavakavahana raikitampisaka ao amin'ny shinoa, izay lasa toy ny fanavakavahana manara-penitra atao amin'ny “firazanana ambany” amin'izao fotoana izao.
Tsipihan-dry zareo fa nitàna toerana goavana ny aterineto tamin'ny fanaovana io fanavakavahana io ho fenitra :
中國網民們,則激進地傳播反黑文章,把子虛烏有的黑人移民視為中國21世紀最大的危險——甚至上升到「亡國滅種」。在「小粉紅」發源的「晉江論壇網友交流區」裏,年輕女性為主的網民經常討論廣州「黑人圍城」的主題,熱度也不下政治討論。
中國民族主義也和種族階序的想象結合在一起。著名的民族主義動漫《那年那兔那些事》,就在第二季中用動物形象描述了非洲人——好吃懶做愚蠢不堪的河馬。中國援非的歷史也被簡化成了「第一世界不和我們玩」的無奈。而性和帶着生殖意味的種族想像,也仍然是排斥黑人的核心焦點。在百度貼吧,微信朋友圈裏傳播的反黑言論,乃至今天這則廣告中,黑人都像是目的不純,只想睡中國女人的渣滓;與黑人交往的中國女性被污名化為「重口味」或者「窮,沒受過教育」。
Nizara tanteraka ny fomba fijeriny mankahala ny mainty hoditra ireo shinoa mpisera amin'ny aterineto. Soratan'izy ireo fa ny fifindramonin'ireo mainty mankany shina no tena loza goavana mitatao ho an'ny taonjato faha-21, ary resahan'izy ireo ho toy ny “resaka na maty na velona izy io ho an'ny firenena sy ho an'ny taranaka shinoa”. Ao amin'ny Jinjian, sehatra natao hifampiresahana, misy vondrom-piarahamonina virtoaly natao ho an'ireo mpanaradia ny antoko kaominista shinoa, ny tanànan'i Guangzhou “anjakazakan'ny” mainty [izay ahitàna afrikàna betsaka indrindra] no lohahevitra mahamay mitàna ny toerana voalohany ho an'ireo tovovavy mpisera amin'ny aterineto.
Naorina teo ambonin'ny resaka foko ny nasionalisma shinoa. Ao anatin'ny andiany novokariny, ny sariitatra ety anaty aterineto Year Hare Affair dia mampiseho Afrikàna roa amin'ny endrika hipopotàma — biby kamo sy adala. Notsotsorina ho toy ny fanavotana farany ihany koa ny fanampian'i Shina an'i Afrika satria “nandà tsy hiaraka hilalao amintsika ny tontolo voalohany”. Ny firaisana ara-nofo sy ny fananahana no ivon'ny toepo mankahala ny mainty. Ao amin'ny sehatra fifampiresahana ao amin'ny Baidu, any amin'ny WeChat ary ilay dokambarotra izay resahantsika androany, lokoina ho toy ny fako ireo mainty hoditra, izay mikasa fotsiny ny hiara-mandry amin'ireo vehivavy shinoa. Ireo vehivavy misipa aminà mainty hoditra indray dia lazaina fa mpankafy “zavatra maherihery” na “mahantra sy tsy nandia fianarana”.
Ny kolontsaina shinoa malaza hatramin'ny 1980 koa dia nanamafy ny “lafy maha-mavo” ny shinoa, mifangarika amin'ireo zavabitan'ny fivoarana siantifika sy ny vaninandro maoderina. Ao anatin'ilay lahatsary shinoa fanadihadiana “River Elegy” [Hiram-pisaonan'ny Ony], ohatra, natao hanehoana ny sivilizasiona shinoa mitoboka sy mikatona ny Ony Mavo, raha ny loko mangan'ny ranomasina kosa anehoany ny fiarahamonina tandrefana “demaokratika sy mivelatra”, hoy ireto mpanoratra.
Nandray anjara daholo tamin'ny fisian'ny fanavakavaham-bolonkoditra amin'izao fotoana izao atao amin'ny mainty ao Shina ireny, hoy izy ireo:
而到了「走向中華民族偉大復興」的今天,之前還是階級兄弟的亞非拉同胞已經被拋諸腦後,黃種人略差於白種人的自我歧視也被放棄,中國人開始要求和白人平起平坐。這一切如兩個世紀以前的白人們一樣,依然要騎在黑人的頭上來完成。
Ankehitriny, raha manakaiky ny “fifohazam-panahy goavana ho an'ny firenena shinoa” ilay firenena, efa nihoarana ny tantaran'ireo rahalahy afrikàna ary efa tsy manana ny toerany intsony ny fiheverantenan'ny mavo hoditra ho ambany eo anatrehan'ny fotsy hoditra. Ny shinoa te-hilahatra amin'ny fotsy hoditra, saingy toy ny fotsy, tsy maintsy mipetraka ery ambonin'ny mainty hoditra ry zareo mba hahatratrarana io sata io.
Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...