- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona No Afaka Ataon'i Shina Mba Hanajanonana Ilay “Areti-mifindran'ny” Famonoantena Eny Anvon'ireo Mpiasan'ny Governemanta?

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Lalàna, Mediam-bahoaka
Photo by Evan Lavine. CC BY-NC-ND 2.0 [1]

Sary avy tamin'i Evan Lavine. CC BY-NC-ND 2.0

Naka aina roa indray ny onjanà famonoantena eny anivon'ireo mpiasan'ny governemanta. Ny 12 Jona, maty namono tena ireo mpiasam-panjakana roa ao amin'ny faritanin'i Guangdong. Liu Xiaohua, sekretera jeneraly lefitry ny governemantan'i Guangdong, nananton-tena [2] samirery tao an-tranony, ary nitsambikina teny amin'ny tetezana kosa ny Lehiben'ny Sekretera Itokian'i Xiao Bibo avy ao amin'ny Distrika Shenzhen Yantian.

Maherin'ny 80 ireo Shinoa mpiasan'ny governemanta [3]no maty tamin'ny famonoantena na maty “tsy tamin'ny fomba natoraly” hatramin'ny taona 2014, ary maro amin'izy ireo no teo ambany fanadihadiana noho ny kolikoly teo am-panaperan'izy ireo ny fiainany. Efa tena henjana ny toe-draharaha ka nisy mihitsy ireo media teo an-toerana sasany nanao io hoe “areti-mifindran'ny”  famonoantena [4].

Notaterin'ny media miaraka amin'ny fanjakana fa nanapitra ny ainy ireo mpiasan'ny governemanta ireo noho ny hamafin'ny asa na rarintsaina [5]. Kanefa, toa misy ifandraisany amin'ilay hetsika fanoherana ny kolikoly ataon'ny governemanta Shinoa amin'izao ilay fahabetsahan'ny famonoantena, mahatonga ireo Shinoa maro hino fa miezaka ny hanajanona ireo fanadihadiana atao aminy amin'ny alàlan'ny famonoan'izy ireo ny tenany ireo mpiasam-panjakana. Raha tokony ho fitserana azy ireo ny ataon'ny vahoaka, jeren'ny olona ho toy ny fanaronana azo atao farany ny kolikoly ihany ny fahafatesan'izy ireo.

Noho izany, tsy mahazatra ny mahita fanamarihana eo ho eo ihany na eso mihitsy, ao amin'ireo fanehoankevitra ao amin'ny Aterineto, mikasika ny vaovaon'ny famonoantenan'ny mpiasam-panjakana, toy ny trangan'ny [6] fahafatesan'i Liu Xiaohua:

死了你一个,平安千万官!
弃车保帅,这就是官场斗争
官太多,多点自杀好!

Iray no maty ary mpiasam-panjakana an'arivony no miezaka miaina!
Avelao ho any ny lefitra mba hiarovana ny eo ambony, izany no lojikan'ny fahefàna ao amin'ny governemanta.
Maro loatra ireo mpiasam-panjakana, vao maika tsara rehefa betsaka ny mamono tena.

Satria nitombo be tokoa ny isan'ireo famonoantenan'ireo mpiasam-panjakana, niezaka ny hijery ny olana ireo sasany, ary nijery vahaolana.

Mamerina ny fihetsehampo malaza, nandroso hevitra [7] ilay mpamelabelatra vaovao, Yu Shenghai,  mba hanitarana ny fahefan'ny hetsika fanoherana ny kolikoly, amin'ny fanovàna ny lalàna Shinoa mikasika ny ady heloka bevava, mba hanome fahefàna ny fitsaràna ho afaka haka ireo volan'ny kolikoly any amin'ireo mpikambana amin'ny fianakavian'ireo mpiasam-panjakana maty:

绝大多数官员是畏罪自杀。他们自认为在罪行败露之前,为了掩盖贪腐之实选择自杀是贪腐官员最好的逃避方法,只要“死无对证”,以前的贪腐烂账便无从查起,既可以全自己的名声,又能保住赃款,不给家人子女留下耻辱的骂名,“牺牲我一个,幸福一家人”。[…] 当前,无论是官场“潜规则”,还是“明规则”,都不利于查明官员自杀的真相。[…] 按照刑事诉讼法第15条的规定,犯罪嫌疑人、被告人死亡的,不追究刑事责任,这样一来就放纵了贪官。
针对越来越多的官员非正常死亡事件,应该修改法律,来应对贪官以自杀的方式来逃避法律制裁,而不应再死守“人死就不再追查”的旧规。贪官即使自杀身亡,也要一查到底,对于畏罪自杀者应该没收其赃款,不让其家人或其他既得利益者钻法律的空子,逍遥法外。这既有利于减少官员“抑郁自杀”,也有利于反腐走向深入。

Nanapitra ny ainy noho ny tahotra ny ankamaroan'ireo mpiasam-panjakana. Hitany hoe ny famonoantena no làlana farany hanaronany ny kolikoly nataony, satria ny olona maty tsy afaka hanontaniana mikasika ny heloka vitany. Izany ihany koa no làlana tsara indrindra hiarovany ny lazany, manafina ny vola azo tamin'ny kolikoly ary miaro ireo mpikambana ao amin'ny fianakaviany amin'ireo fanadihadiana lalindalina kokoa– ny lojika izany dia ny “manao sorona ny tenany hitondra fahasambarana ho an'ny fianakaviany manontolo”. […] Ankehitriny, samy tsy misy manamora ny fahitàna ny marina amin'ireo famonoantenan'ireo mpiasam-panjakana, na ireo lalàna tsy voasoratra na voasoratra. […] Araka ny Lalàna faha 15 amin'ny lalànan'ny ady heloka bevava, tsy mizaka ny andraikiny amin'ny maha meloka azy ireo voarohirohy amin'ny heloka bevava rehefa maty. Mandrisika ireo mpiasam-panjakana mpanao kolikoly handray ny safidiny io tsy fahabangàn'ny lalàna io.

Satria mitombo hatrany ireo tranganà fahafatesana tsy natoraly eny anivon'ireo mpiasam-panjakana, tokony hasiana fanovàna ny lalàna, amin'izay afaka manohy ny fanadihadiany foana ny mpampihatra lalàna aorian'ny nahafatesan'ny voarohirohy. Tokony hitady fomba hakàna ireo volan'ny kolikoly [ny lalàna], amin'izay tsy misy mahazo tombontsoa amin'ilay famonoantena. Tokony hanena ny isan'ny famonoantena eo amin'ireo mpiasam-panjakana io, ary hampiroso lalindalina kokoa ny hetsika ady amin'ny kolikoly.

Ny tsy hitan'i Yu, anefa, dia natao ivelan'ny zotran'ny fanadihadiana ny heloka bevava ao Shina ny hetsika ady amin'ny kolikoly. Araka ny Kaomisiona Foibe Fanarahamaso ny Famaizana ny Fitondrantena [8] ny fanadihadiana ny kolikoly tao Shina, sampan'ny Antoko Kaominista Shinoa, izay manana fahefana ny hampihatra ny “Shuanggui [9],” fizotran'ny famaizana ara-pitondrantena anatiny, atao amin'ireo voarohirohy amin'ny kolikoly eo anivon'ny antoko sy ny governemanta. Satria tantanan'ny antoko ny rafi-pitsaràna Shinoa, vao toriana fotsiny ireo voarohirohy, tonga dia hifandray amin'ny fitsaràn'ny antoko ny fanapahankevitry ny fitsaràna. Tsy misy toerana ho an'ny fitsarana mahaleo tena sy tsy mitanila izany.

Araka ny fanamarihan'i Chen Youxi, nahita [10] ilay resaka ho olan'ny tsy fahaleovantenan'ny fitsaràna sy ny fahambonian'ny lalàna i @jamescao2016. Nanoratra lahatsoratra lava sy mampisaintsaina izy tao amin'ny sehatry ny media sosialy, Weibo:

开始,看见官员这样死那样死,我心里是有一丝幸灾乐祸的。

但是,当我看到越来越多的官员,跳楼,溺水,上吊,喝药……
心里就不是滋味了。

按道理,作为官员,无论经济条件,还是社会地位,都比一般屁民好的不是一点半点。
为什么依旧会自杀,或者被自杀?

不管他们生前如何,死了,都现场患上了“忧郁症”。
好像突然之间,官场以忧郁症为荣,以自杀为流行时尚。

中国奋斗了67年,为了狗屎主义已消耗了三代人,得到了一个什么样的社会?

内无精神,外无尊严。
如同陷入一个迷宫,或者噩梦,找不到出路,挣不脱恐惧,得不到幸福。

曾经,老耄把中国搞的乌烟瘴气,把开国元勋知识分子社会精英屠杀的干干净净。
那时候的官员,在批斗打压监狱里,还有咬牙死挺坚持的毅力。

现在,没看见批斗,没看见羞辱,没看见毒打,没看见众叛亲离,走投无路,为什么这届官员会这样络绎不绝的死去?

这需要每一个人讨论和思考的问题:中国现在这个状态正常吗?

政府的职责,是保护每一个人的合法权益和人身安全,包括官员的。
官员,贪腐了,作恶了,有罪了,应该由法律去审判和惩罚。
不应该,也不能够,就这样“扑腾”“扑腾”各种姿势死去。

如果依旧是老耄的那一套,中国,会越来越恐怖和暴力,越来越疯癫和倒退。

所以,要求民主自由,不单单是觉醒公民的诉求和梦想,也应该是每一个中国人的包括公务员官员的。[…]

必须要求法治:要求在公平独立民主自由的框架下,依照宪法来治理国家。

Tamin'ny voalohany, raha namaky ny fomba nahafatesan'ireo mpiasam-panjakana aho, nifaly tamin'ny nahazo azy ireo aho.
Fa nitombo ihany ireo mpiasam-panjakana [namono tena] tamin'ny fitsambikinana teny amin'ny tranobe, filentehana an-drano, fanantonan-tena, fisotroana pozina… nahatsiaro ho tsy netinety aho.

Amin'ny ankapobeny, miaina tsara noho ireo olon-tsotra ireo mpiasan'ny governemanta amin'ny satany ara-toekarena sy ara-tsosialy.

Nahoana ary izy ireo no mbola misafidy na voatery hanapitra ny ainy?

Na ahoana na ahoana izy ireo fony mbola velona, vao maty izy ireo dia lazaina ho samy niaina rarintsaina avokoa.

Sahala amin'ny hoe karazana voninahitra ny rarintsaina ary lamaody fitondrantena malaza eo anivon'ireo mpiasam-panjakana ny famonoantena.

Niady nandritra ny 67 taona i Shina [hatramin'ny 1949, raha nandresy tamin'ny ady an-trano ny antoko kaominista]. Andian-taranaka telo no nampiainina tamin'ny fotokevitra tain'alika, ary karazana fiarahamonina toy inona no ananantsika ankehitriny?

Foana ny ara-panahy ao anaty ary tsy misy fanajàna ety ivelany.

Toy ny hoe raha tratran'ny fandriky ny làlana tsy ahitàna fivoahana na nofy ratsy, tsy misy fivoahana, tsy misy fifaliana fa tahotra.

Tany aloha, namotika an'i Shina ary namono ireo mpanorina sy manampahaizan'ny firenena ilay lahiantitra [filoha Shinoa teo aloha] Mao [Zedong].

Tamin'izany, nohenjehina sy natao am-ponja ireo mpiasam-panjakana. Fa niharitra ny fanenjehana sy tafavoka velona ny ankamaroany.

Ankehitriny, tsy misy fanenjehan'ny fanjakana, tsy misy fanalàna baràka, tsy misy fampijaliana, tsy misy famitahana, fa mbola manan-tsafidy izy ireo, koa nahoana izy ireo no misafidy ny ho faty?

Manaraka lojika ve izany ? Fanontaniana tokony ho saintsainintsika tsirairay avy izany.

Andraikitry ny governemanta ny miaro ny ain'ny tsirairay, tafiditra amin'izany ny an'ireo mpiasam-panjakana. Raha manao kolikoly, haratsiana na fahotàna ireo mpiasam-panjakana, tokony tsaraina sy sazian'ny lalàna izy ireo.

Tsy tokony ho faty toy izao izy ireo.

Raha manaraka an'ingahy antitra Mao isika, hirotsaka ao anaty fampihorohoroana, herisetra ary hadalàna i Shina.
Tsy tokony avy amin'ireo olompirenena tonga saina ihany ny fangatahana ny demokrasia sy ny fahalalahana, fa avy amin'ny olon-tsotra tsirairay avy, tafiditra amin'izany ireo mpiasa sivily ao amin'ny governemanta sy ireo mpiasam-panjakana. […]

Tokony tazonina ny fahambonian'ny lalàna, ary tokony tantanintsika araka ny fotokevitry ny fifandanjana, ny fahaleovantena, ny demokrasia ary ny fahalalahana, araka ny lalàmpanorenana ny firenena.

Ny rarintsaina tsy voatsabo no antony voalohany amin'ny famonoantena. Azo tsaboina tsara ny rarintsaina ary azo sorohana ny famonoantena. Afaka mahazo fanampiana amin'ny mpanohana azo itokiana aty amin'ny Aterineto misahana ireo olona mitady hamono tena sy ny olan'ny fihetsehampo ianao. Tsidiho ny Befrienders.org [11] mba hahitànao ny laharana fanampiana amin'ny Aterineto ao amin'ny firenenao.