- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Mety Amin'ireo Vehivavy Pakistane Ny Faneken'ny Filankevitra Silamo Ny Herisetra ‘Maivana’ Ao An-tokatrano

Sokajy: Pakistana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona
#TryBeatingMeLightly: A photo series featuring Pakistani women. Photos by Fahhad Rajper

#TryBeatingMeLightly (Andramo Vonoina Moramora Aho). Andian-tsary ahitàna vehivavy Pakistane. Sary avy tamin'i Fahhad Rajper

Tao anatin'ireo folo taona lasa, nandany lalàna maro mikasika ny herisetra manjo ireo vehivavy ny parlemanta ao Pakistàna. Manomboka amin'ny fanararaotana ara-nofo any amin'ny toeram-piasàna ka hatramin'ny “famonoana noho ny voninahitra,” novolavolain'ireo ela nihetezana mpiady ny zo ho an'ny vehivavy no sady mpisolovava ireo lalàna ireo, ary natosika ho ao amin'ireo trano roan'ny parlemanta (ny Antenimieran'ny Solombavambahoaka sy ny Antenimieran-doholona), na teo aza ny fanoherana mafy avy amin'ireo antoko politika mpandàla fivavahana.

Ny fiandohan'ity taona ity, nandany ilay “tolodalàna efa nandrasana ela momba ny Fiarovana Ireo Vehivavy Amin'ny Herisetra” ny Antenimieran'ny Solombavambaka tao Punjab, niresahana ireo sakana atrehan'ireo vehivavy rehefa mitatitra fanolanana sy ireo karazana fanararaotana hafa. Ho valin'izany, namolavola ny “tolodalàna lasitra manokana avy aminy ho fiarovana ireo vehivavy” ny Council of Islamic Ideology (CII) (Filankevitry ny Fotokevitra Silamo) — ahitàna olona roapolo, niforona ny taona 1962, izay manome torohevitra tsy voatery arahina ho an'ny governemanta, mikasika ny toetra ara-pivavahana amin'ilay lalàna sy ny fiarahamonina. “Manome alàlana” ny lehilahy hidaroka  malefaka ny vadiny ny tolokevitry ny CII, ankoatr'ireo zavatra hafa. Lasa ratsy tamin'ireo olona maro io toetran'ilay lalàna manokana io, hany ka maro ankehitriny ireo mpikatroka mafana fo manerana ny firenena miantso ny fandravàna ny CII.

Tsy voalohany izao ny CII no namoaka karazana fanambaràna toy izany. Teo aloha, niantso ny handrosoana ny taona ahafahana manambady ilay filankevitra ary nanambara fa tsy araka ny finoana Silamo ny fanaporofoana amin'ny alàlan'ny ADN rehefa misy fanadihadiana fanolanana. Tsy nampisy fiovàna mazava tamin'ny politika momba io raharaha io ny tolokevitry ny CII izay tsy voatery narahana, fa kosa nahazo tsikera be dia be tokoa.

Miaraka amin'ilay “tolodalàna lasitra ho fiarovana ny vehivavy”, maro no mino fa nihoatra ny tsipiky ny azo ekena ny CII.

Mikasika ny fananantany, mariazy, politika, fiterahana, ary ny herisetra atao amin'ny vehivavy ireo zavatra sasany asongadin'ilay “tolodalàna lasitra”. Raha “manome alalana” ireo lehilahy hidaroka maivamaivana ireo vadiny ilay volavolandalàna, tokony ho helohan'ny lalàna ihany koa ireo fanafihana amin'ny asidra sy ny famonoana noho ny voninahitra. (Tsara ny manamarika fa efa misy any Pakistana ireo lalàna manameloka ireo karazana herisetra sy zavatra hafa ireo. Raha ny marina, tsy maintsy niady ho an'ireny fiarovana ireny ireo vondrona mpiaro zon'olombelona.)

Manolotra hevitra ihany koa ilay tolodalàna hoe tokony hanana safidy malalaka ny hanambady ireo vehivavy, ary mikojakoja ny “mety hisian'ny” vehivavy ho lasa mpitsara, nefa kosa mandràra azy ireo tsy hahazo mandray vahiny avy any ivelany, mandràra ny fanomezana ronono tsy avy amin'ny reniny ho an'ny zaza, ary milaza amin'ireo reny hampinono ireo zanany mandritra ny taona roa voalohany.

‘Mitotongana, tsy ara-dalàna, na tsy misy fiovàna’

Nitsikera mafy ny tolokevitry ny CII ny Kaomisionan'ny Zon'olombelona ao Pakistana (HRCP), nilaza fa “Raha toa ny HRCP mbola tsy te-hanatsara amin'ny fanehoankevitra momba ilay tolokevitra tsy misy dikany nataon'ny CII mikasika ny ‘famonoana malefaka’ ireo vehivavy,  eritreretin'ny kaomisiona fa tsy maintsy manameloka tsy misy fepetra ny karazana filankevitra tahaka izany izay olona rehetra  tena manaja ny zon'ny hafa. Tsy tokony ho very ao amin'ny tsirairay ny fanadrohadroana amin'ny fitakiana ny fepetra fiarovana ireo vehivavy.” Tsy ny HRCP ihany no vondrona miampanga ilay tolodalàna. Naneho fihetsika feno fahatairana, hatezerana, ary hanihany ireo Pakistane manerana ny firenena, manoratra ao amin'ny Aterineto miaraka amin'ilay tenirohy “#TryBeatingMeLightly.”

Mpilalao sarimihetsika ary mpilatro malaza, Humaima Malick, manamafy hoe:

#AndramoDarohanaMalefakaAho ary jereo ny tenanao lasa lehilahy kely.

#AndramoDarohanaMalefakaAho ary ho potehako MORAMORA ny rantsan-tànanao tsirairay 🙂

Ny tsy iombonako hevitra tanteraka amin'ny valintenin'ny  #AndramoDarohanaMalefakaAho hoe  tsy tokony ho herisetra no asetry herisetra, tsy resaka fitoviana ity fa resaka kolontsaina mamotika

#AndramoDarohanaMalefakaAho dia aza milaza ny tenanao ho lehilahy intsony raha mamono ny vadinao ianao. Mandehana manjohy ‘cirque’ ry ilay adala ireto a!

‘Tena fotoanany ve izao?’

Tsy nijanona teo io. Tototra fangatahana fandravàna ilay filankevitra ny media sosialy.

Naneho ny fiafaràn'ny fandeferany amin'ny CII ilay mpisolovava sady mpanoratra lahatsoratra, Ayesha Ijaz Khan:

Fotoana izao handravantsika ny CII. Raha te-hivoatra i #Pakistana, tsy tokony hisy fandeferana ny #CII mihitsy.

Namoaka vava mafy tamin'ilay mpitarika fivavahan'ny CII, Mulana Shera, ilay mpikatroka mafana ela nihetezana, Valerie Khan:

HENATRA ho an'i Pakistana ny CII, ary tokony henjehana amin'ny fitsaràna mpanenjika ny  asa fampihorohoroana i Sherani sahib, noho ny fanaparitahana herisetra eny amin'ireo olompirenena Pakistane.

Mametra-panontaniana momba izay laharampahamehana ho an'ilay filankevitra i Humaira Khan:

Fandre isan'andro ireo vaovao mikasika ny herisetra atao amin'ireo vehivavin'i Pakistana, fa tsy laharampahamehana ho an'ny CII ny hiaro ireo vehivavy amin'ny lalàna! #WPB #Abbotabad #Karachi

Mandritra izany, mieritreritra ilay mpanoratra, Sehar Tariq, izay miasa amin'ny sehatry ny fampandrosoana, fa mendrika ny famaliana mangingina ny CII:

Nahoana ireo Pakistane sy ireo media iraisampirenena no miresaka be momba io vondrona lehilahy antitra milaza ny tokony ataon'ireo vehivavy io? #CII #Pakistan

Namoaka sary mampiseho ireo vehivavy Pakistane tsy mitovy taona sy fiaviana, miresaka mafy manohitra ilay lalàna mahatonga resabe, i Fahhad Rajper,  mpakasary.  Nampitondraina tsara ny lohateny hoe “#trybeatingmelightly” ilay andian-tsary.


Tsy ilaina intsony ny milaza fa tsy moramora no andraisan'ireo vehivavy sy lehilahy Pakistane ireo tolokevitry ny CII.