- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manana Olana Ara-Pahasalamana Tsy Mahazo Onitra Ny Mpiasan'ny Kariera Ao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Zon'olombelona
Workers at a quarry in Ohn Chaw Village off the Mandalay-Lashio road, near Mandalay. Photo and caption by Zaw Zaw / The Irrawaddy [1]

Ireo mpiasa ao amin'ny kariera ao amin'ny tànanan'ny Ohn Chaw ivelan'ny làlana ho any Mandalay-Lashio, any akaikin'ny Mandalay. Sary sy fanazavana: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Ity lahatsoratr’ [2]i Zaw Zaw avy ao amin'ny The Irrawaddy, tranonkalam-baovao iray mahaleotena ao Myanmar,ity dia navoaka tato amin'ny Global Voices indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Manao vivery ny fahasalamany ireo mpiasa mba hivelomana ao amin'ireo toerana fihadiam-bato tsy miankina ao amin'ny tanàna ivelan'ny làlana ho any Mandalay-Lashio.

Maro ireo mpiasa no voalaza fa mijaly mafy amin'ny aretin'ny havokavoka vokatry ny fifohana ny vovoky ny poti-bato isan'andro ao amin'ireo kariera  ao an- tanànakelin'i Ohn Chaw, akaikin'i Mandalay.

Ao amin'izany toerana izany, mahazo vola hatramin'ny 4000 kyat farafaha-betsany [eo amin'ny 3$ Amerikana] ireo mpiasa isan-andro, ary mahazo 2$ fotsiny ireo mpiasa tsy ampy taona _ izay vola kely loatra mba  hikarakarany ireo olana ara-pahasalamana vokatr'izany any aoriana .

Koa satria isan'andro izy ireo no mandray ny vola, dia tsy afaka maka fialan-tsasatra ireo mpiasa rehefa marary satria midika izany fa tsy hahazo ny vola izay ilainy izy hampaharitra ny fivelomany.

Na dia mety mahatonga fiantraikany ratsy ara-pahasalamana ilay asa, dia tsy misy ny planina hanonerana ao an-toerana ireo mpiasa.

Mpifindra monina anatiny ny ankamaroan'ireo mpiasa izay mody any an-tranony hitsabo tena rehefa tsy zakany ny olana mahazo azy ara-pahasalamana.

Araka ny voalazan'ireo mpiasa, nisy tamin'ny mpiasa no maty amperinasa tao amin'ny toeram-pitrandrahana, nefa tsy nisy nandray onitra.

Jereo eto ambany ny sary hafa maromaro amin'ireo mpiasa ao amin'ny toerana fihadiam-bato:

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [3]

Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [4]

Sary:Zaw Zaw / The Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [5]

Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [6]

Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [7]

Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [8]

Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Quarry land in Mandalay. Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [9]

Toerana fihadiam-bato ao Mandalay. Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Workers' housing center at the quarry site. Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [10]

Ny misy ny tranon'ireo mpiasa ao amin'ny toerana fihadiam-bato . Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy

Photo by Zaw Zaw / The Irrawaddy [11]

Sary: Zaw Zaw / The Irrawaddy