Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tsarovana Ao amin'ny Media Sosialy Ilay Mpihira Iraniana Habib Mohebian

Habib Mohebian. Sary avy amin'ny Wikipedia Commons. CC BY-SA 4.0

Mitatitra ny Mehr News ao Iran fa namoy ny ainy noho ny fijanonan'ny fo tampoka tao avaratr'i Iran ilay Iraniana mpihira sady mpamoron-kira Habib Mohebian. 63 taona i Mohebian, fantatra kokoa amin'ny fanampin'anarany tamin'izao nindaosin'ny fahafatesana izao.

Rehefa nandao an'i Iran tamin'ny fiandohan'ny taompolo 1980, dia niverina nody ihany i Habib tamin'ny taona 2009. Tamin'ny antsafa tamin'ny taona 2011 nifanaovana tamin'ny Kodoom, nanazava ny zananilahy, Mohamad:

Habib was yearning to be back in Iran for a very long time, he missed his homeland and saw no reason not to be able to work there. He was also tired of the Persian entertainment business in Los Angeles…

Naniry mafy hiverina ao Iran nandritra ny ela be i Habib, nalahelo ny tanindrazany izy ary tsy nahita antony tsy ahafahana hiasa tao. Leon'ny fandraharahana ara-pialam-boly Persianina tao Los Angeles ihany koa izy …

Nampiavaka azy tamin'ny mpihira maro niaraka taminy ny feony mikatrakatraka sy ny feony mitovy amin'ny besinimaro. Raha tsy dia malaza ivelan'ny Iraniana i Habib, dia nampifandray ny lohahevitra Persiana nentim-paharazana sy ny mozika malaza Tandrefana ny mozikany. Voasarik'i Jimi Hendrix sy John Lennon, ankoatra ny hafa izy.

Notsarovana tao amin'ny media sosialy miaraka amin'ny teny rohy  #حبیب (#Habib) i Habib.

Iray amin'ireo hira malaza indrindra an'i Habib ny “Night's Lonely Man (Lehilahy Manirery amin'ny Alina)”. Nilaza izany hira izany ilay mpisera Twitter @persis_design raha nahatsiaro ity mpihira namoy ny ainy ity:

Veloma ry lehilahy manirery

Naneho fahatezerana tamin'ny famoahana ny sarin'ny vatana mangatsiakan'i Habib nofonosina lambam-paty ilay mpisera Twitter miantso ny tenany ho Amir Whiskey. Nipoitra tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana Iraniana ny sary. Nihevitra izy fa manelingelina sy tsy mifanaraka amin'ny etika ny famoahana nataon'izy ireo.

Namoaka ny sarin'i Habib ao anaty lambam-paty ny sampam-pampahalala vaovao Iraniana 😑 Fantatro fa tsy manana fanajana ho an'ny rariny izy ireo, saingy manana etika arak'asa ve izy ireo? Tsy manam-pahalalana?

Tsy hampanginin'ny fahafatesany ny feon'i Habib. Nisioka i Azadeh hoe:

Na dia maty aza ny mpanakanto, velona ny zava-kantony

Tsy nety raha tsy mizara ny fahatsiarovako manokana ny mozikan'i Habib ny tenako:

Na dia manana fahatsiarovana amin'ny kapila #حبیب nanomboka tao Tehran hatrao Ahwaz amin'ny kasety iray averimberina henoina hatrany aza aho: Habib Mohebian no manana ny ampahany tsara indrindra amin'izany

Mpihira ihany koa ny zanakalahin'i Habib, Mohamad. Niara-nandrakitra ny Javuni (Tanora) tamin'ny taona 2003 izy ireo, izay nalaza teo amin'ireo mpihaino Iraniana ao anatiny sy ivelan'i Iran.

Hofaranantsika amin'ny feon'i Habib manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.