Rivodoza Roanu: Andro Ratsy Nananontanona, Sy Ny Valinkafatra “Fahombiazana” Avy Amin'i Bangladesh

Satellite Image of Cyclone Roanu as on May 21, 2016. Image credit NASA Earth Observatory.

Sary avy amin'ny zanabolana mikasika ny rivodoza Roanu tamin'ny 21 May 2016. Sary an'ny Toaram-pandinihana ny Tany ao amin'ny NASA.

Nisedra làlana lavitra i Bangladesh mikasika ny fiomanana hiatrehana ireo loza mahatsiravina hatramin'ny taona 1970, fony olona 500.000 no maty nandritra ny rivodoza Bhola. Nanangana fialofana maherin'ny 2.500 tamin'ireo toerana natao avo toerana ny firenena, izay nampiasaina ho sady sekoly no ivontoeran'ny fiarahamonina rehefa tsara ny toetrandro. Namokatra rafitra fampandrenesana mialoha nasiana fanatsaràna, ary nomena fiofanana ireo mpirotsaka an-tsitrapo hanampy amin'ny famindràna ny olona ho any amin'ireo toerana fialofana.

Na izany aza, ady iray tsy miato ny fiomanana, indrindra fa nokapohan'ireo loza tropikaly mandritra ireo taona vitsy nifanesy ny firenena. Fitsapana farany ho an'i Bangladesh ny rivodoza Roanu.

Ny 14 May teo, nisy faritra manana tsindry ambany niforona teo amin'ny elodranon'i Bengale ary nihamafy lasa ho faritr'andro ratsy tropikaly rehefa tao amin'ny morontsiraka atsinanan'i Sri Lanka. Hatramin'io fotoana io, manakaiky ny antsasaky ny tapitrisa ireo olona nafindra toerana ary 82 ireo olona maty tao Sri Lanka vokatry ny orana be loatra sy ny fihotsahan'ny tany naterak'ilay andro ratsy, izay nanjary lasa rivodoza tropikaly Roanu tamin'ny 19 May. i Maldiva no nanome ny anarana; midika hoe “kiram-boanio” ny “Roanu” ao Maldiva (Dhivehi).

Nitondra orambe mivatravatra ihany koa i Roanu tao amin'ireo firenena Indiana ao Tamil Nadu, Andhra Pradesh sy Odisha. Nirona nankany amin'ny faritra avaratra-atsinanana izy io ary nifarana tamin'ny fihotsahan'ny tany tao amin'ny faritra atsimo-atsinanan'i Bangladesh.

Rivodoza Roanu mikapoka ireo morontsiraka https://t.co/ce5nNbhy5u#CycloneROANU #Cyclones pic.twitter.com/IB7MsT36b0

Tsara fiomanana kokoa i Bangladesh tamin'ity indray mitoraka ity. Olona manodidina ny 2 tapitrisa no nafindra toerana mialohan'ny nitondran'i Roanu rivotra mahery sy orambe ho an'ireo vondrom-piarahamonina tany amin'ny morontsirak'i Bangladesh, 24  farafahakeliny ireo olona maty ary olona manodidina ny antsasaka tapitrisa no nafindra toerana.

Ambany ny tahan'ny maty, raha ampitahainao amin'ilay rivodoza Sidr tamin'ny taona 2007 izay nahatratra 3.447 ny isan'ireo maty tamin'izany ary niteraka fahasimbana an-tapitrisany dolara. Tamin'ity indray mitoraka ity, niaraka niasa ny minisitra misahana ny fiatrehana ny loza, ny mpamono afo ary ny sampan-draharaha mpamantatra toetrandro mba hitazonana ho amin'ny ambany indrindra ny voka-dratsin'i Roanu. Na izany aza, maro ireo trano sy làlana no simba, mamela ireo fianakaviana ho tsy manan-kialofana mandritra ny vanim-potoan'ny orana efa manakaiky.

Mamindra toerana olona 500.000 i #Bangladesh mialohan'ny Rivodoza #Roanu, mba hisorohana famoizana ain'olona maro  https://t.co/7VQ9jiori7

Efa 6 sahady no maty & an-tapitrisany no nafindra toerana noho ny fikapohan'ny rivodoza Roanu an'i Bangladesh. Miakatra ny taham-pahafatesana. #PrayForBangladesh pic.twitter.com/46fBpdVxBp

Antsipirihany maro mikasika ny vokatry ny rivodoza #Roanu tao Banshkhali, distrika voa mafy indrindra, avy amin'ny tarika @UNDP_BD izay eny an-toerana pic.twitter.com/5vCmVX7JoT

Tao amin'ny media sosialy, nizara lahatsary maro momba ilay rivodoza, nalaina tamin'ny findainy,  ireo olona sasany, toy ity ampahany avy amin'ny YouTube ity:

Namariparitra tao amin'ny Facebook mikasika ny fiovan-javatra nisy tao amin'ny fireneny i Naser Imran Hossain Bangadeshi mpila ravinahitra:

Ny tena harem-be ananan'ny firenena iray dia ny mponina ao aminy, na io vahoaka tsy mahalala na inona na inona, na io mpanaraka am-bokony, na tsy manana fandeferana ara-pinoana sy ara-tsosialy – ireo no mpifehy ny tany, ireo no mpitondra ny faneva, ireo no tena mety hiroborobo tsara sy afaka ny hivoaka velona. Raha tamin'ny 10 taona lasa aza, olona anjatony no mety ho faty noho ny rivodoza sahala amin'i Roanu, fonenana an'arivony rava – jereo ny fiovan-javatra, toy inona no fihenan'ny isan'ny maty, toy inona no fahazavana nentin'ny teknolojian'ny fampahalalam-baovao ary nanavotra aina anjatonjatony ny fanentanana, amin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo fahafahana mba hanomboka fanindroany indray, hanavao indray avy amin'ireo lavenona.

Na izany aza, tsy mitovy ny eritreritry ny rehetra. Kaberi Gayen nampitandrina nanohitra ny fanamaivanana mikasika ny isan'ireo nindaosin'ny fahafatesana vokatr'i Roanu:

রোয়ানু নেই নেই করেও ২৬ জনের জীবন নিয়ে নিয়েছে।
এটি ঘোষিত হতে পারতো জাতীয় দুর্যোগ। কিন্তু মৃত্যু আমাদের গা-সওয়া হয়ে গেছে।

Na dia toa sahala amin'ny fandresena aza, aina 26 no nafoy vokatr'i Roanu. Afaka ambara ho loza amin'ny firenena izany. Saingy toy ny efa zatra ireo isa marobe mikasika ny maty isika.

Tsy tapitra akory ny fizotry ny fanatsarana ny fiomanana hiatrehana ireo loza ao Bangladesh, saingy mizotra mankamin'ny làlana tsaratsara kokoa, hoy i Khurshid Alam teo amin'ny bilaogin'ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fampandrosoana:

Tsy hihena akory ny mety hiantefan'ny rivodoza amin'i Bangladesh – ny tena marina, noho ny fiovan'ny toetrandro, mety ho hitantsika foana fa ny morontsiraka no matetika rava, mahery vaika ary amin'ny fomba tsy azo vinaniana. Tamin'ny taompolo farany, nikisaka avy  amin'ny fomba fiatrehana ny loza nankany amin'ny fampihenana ny met hisian'ny loza i Bangladesh – ankoatr'ireo zavatra hafa – ny fanovàna ny toetsain'ny mponina sy ny politikan'ny governemanta, ny fanapariahana ireo fomba fanairana mialoha sy ny firotsahana an-tsitrapo ary ny fandraisana andraikitra avy amin'ireo vondrom-piarahamonina amin'ny famantarana sy ny fiatrehana ny mety hiseho ao an-toerana.
[…]

Tsy maintsy mametra-panontaniana amin'ny tenantsika isika: ahoana no fomba ahafahantsika manampy mba tsy ho fanamaivanana fotsiny ny hirifiry, fa manohana ireo vondrom-piarahamonina mba ho afaka hisedra kokoa amin'ny ho avy?
Manome ny sasany amin'ireo ohatra tsara indrindra mikasika ny fomba hahafahan'ireo ezaka ataontsika hiarehana na hampihenana ireo krizy, fa tsy hitantana azy ireo fotsiny ny asantsika ho fampihenana ny loza mpandravarava ao Bangladesh.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.