- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Oops! Navadiky ny Facebook Tsinahy Ho “Tany Miady” i Filipina

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Hehy, Mediam-bahoaka, Tantara
Facebook joined Filipinos in celebrating the Philippine Independence Day. However, it unintentionally inverted the country's flag. [1]

Nanatevin-daharana ny Filipiana amin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena ny Facebook. Saingy navadiny tsinahy ny sainan'ny firenena.

Fetin'ny Fahaleovantena ny 12 Jona ao Filipina. Nanambara ny fahaleovantena amin'i Espaina i Filipina tamin'ny 12 jona 1898 rehefa niaritra fanjanahantany mihoatra ny 300 taona.

Ho fanomezam-boninahitra ity andro manokana ity, niarahaba ny Filipiana tamin'ny fanehoana ny sainan'i Filipina ny Facebook. Saingy, nivadika ny saina izay midika fotsiny hoe miady ny firenena.

Nahamarika [1] ny fahadisoana ny Philippine Star:

LOOK: In honor of Philippine Independence Day, Facebook's home page greets Filipino netizens with a banner of the Philippine flag—except that it's displayed with the red part at the top and the blue at the bottom, signifying the country is in a state of war.

JEREO: Ho fanomezam-boninahitra ny Fetin'ny Fahaleovantenan'i Filipina, dia niarahaba ny mpiserasera Filipiana tamin'ny alalan'ny fanevan'i Filipina ny pejy fandraisan'i Facebook—saingy naseho ho ambonyny loko mena ary ho ambany ny loko manga , izay midika fa ao anatin'ny tany miady ny firenena.

Nihomehy tamin'ny fahadisoana ny Filipiana mpisera Facebook na dia mankasitraka ny Facebook tamin'ny fandefasana fiarahabana ny fetin'ny fahaleovantena aza ny ankamaroany.

Kanefa misy ihany koa ireo mpiserasera nitsikera ny tsy fanehoan'ny Facebook araka ny tokony ho izy ny sainan'i Filipina.

Ireto ambany ireto ny sasantsasany amin'ny valiny ao amin'ny Facebook sy Twitter:

Manontany ny mpisera Facebook Berniemack Arellano fandrao [2] dokambarotra am-pitaka sarimihetsika ilay fahadisoana:

Dear Facebook,
Has the President and the Congress declared war on some country? Ano to, marketing ng Independence Day: Resurgence?

Ry Facebook Malala,
Namaky ady tamin'ny firenena sasantsasany angaha ny Filoha sy ny Kongresy? Inona ity, dokambarotry ny Fetin'ny Fahaleovantena: Fipoirana Indray?

Milaza i Facebook fa miady isika. Arahaba Nahatratra ny Fahaleovantena i Filipina, Ho afaka tokoa anie isika.

Ry @facebook: tsy fiarahabana fetin'ny fahaleovantena am-pifaliana raha tahaka izao ny fanevanay. Tsy mampino

Izao no fanehoana araka ny tokony ho izy ny sainan'i Filipina. Teo amin'ny tantaran'ny firenena, ny fotoana farany nampisehoana [10] ny tapany mena ho ambony dia nandritra ny Ady Lehibe Faharoa tamin'ny 1941 ka hatramin'ny 1945.

Philippine flag. Image from the official website of the Philippine government [11]

Fanevan'i Filipina. Sary avy amin'ny tranonkala ofisialin'ny governemantan'i Filipina