- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fahanginana Tsy Ampoizina Amin'ny Manodidina Ny Tanandehibe Ao Japana An-Tsary

Sokajy: Japana, Mediam-bahoaka, Saripika
Suburban Japan Tumblr Blog

Tahirim-bilaogy Tumblr amin'ny manodidina ny tanandehiben'i Japana

Tena mifanaraka amin'ny anarany mihitsy ny ataon'ny blaogy Tumblr Japanese Suburbia: manolotra ireo sary tsy dia hita loatra, be kokoa ny sehatra andavanandron'ny “suburbs” Japoney (na dia maro amin'ireo sary nopihana aza no nalaina avy amin'ny toeram-ponenana mihaja milamina amin'ny manodidina ny ivon'i Tokyo).

Tsy misy filazalazana amin'ny kaonty Tumblr; miteny ho azy ny sary.

Araka ny lazain'ny mpisera Twitter iray monina ao Japana:

Mifikitra ny ho very ao amin'ny tumblr Japanese Suburbia rehefa mahita ahy mitendry ity.

Manangona ireo sary hita ao amin'ny Tumblr and Flickr ny blaogy Japanese Suburbia, ary tahaka ny vitsy ny avy amin'ny mpanoratra ny blaogy. Lavitry ny mankaleo, maro amin'ireo sary matetika no mampiseho ny toetra tsy ampoizina amin'ny tanàna manodidina ny tanandehibe ao Japana.

Eto isika mahita ny Tokyo Sky Tree [Hazo manaka-danitr'i Tokyo] avy amin'ny lalana somary manodidina tanandehiben'ny lalan'i Asakusa, ao amin'ny faritra antitr'i Tokyo antsoina hoe “shitamchi”, atsinanan'i Ueno.

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145306307477/ninetail-fox-electric-wires-asakusa [4]

Eto ny sehatra toeram-ponenana mangina ao Yushima Tenmangu [5], ao afovoan-tanànan'i Tokyo. Mihofahofan'ny faneva ireo trano, tahaka ny hoe eo ampahatsiaovana fetim-pirenena:

suburban japan

Yushima Tenmangu. avy amin'ny mpisera Flickr Yamauchi [6]. Lisansa: CC BY 2.0. Hita ao amin'ny Japanese Suburbia [7].

Manaraka, hitan'ny Japanese Suburbia [8] ny sarin'ny lalana fifamoivoizana ao Shinjuku. Efapolo taona lasa izay dia noheverina ho faritra manodidina tanandehiben'i Tokyo ity toerana ity.

A photo posted by Tokyo, Japan (@446i) [9] on


Manaraka, fivarotana iray ao Shimokitazawa [10] ahitana fafana lehibe fanaovana dokambarotra fitsifirana kadradraka sy vitsi-kazo. Io Shimokitazawa io dia miorina ao Setagaya, distrika iray manodidina an'i Tokyo.

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145549689921/mojinolog-下北沢-shimokitazawatokyo [11]


Fanaovana nahandron-tsakafo iray ao Chofu, tanàna iray any andrefan'i Tokyo:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145500458821/gekishibu-調布市仙川のお惣菜屋さん [12]


Indro ny sary iray amin'ny toeram-pivarotana misy lohalambo miavaka izay mety hita amin'ny tanàna rehetra ao Japana, mbola ao Chofu ihany:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145502479863/gekishibu-調布市仙川の神代書店前 [13]


Toeram-ponenana mampiavaka ny Japoney; nopihanao tao Takamatsu, ao amin'ny nosin'i Shikoku ny sary:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145351718735/uoduk-takamatsu [14]


Sary iray nopihana “tany ho any amin'ny toerana manodidina any” nandritra ny vakansin'ny Herinandro Volamena niitatra tamin'ny volana Mey:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145341266314/xizang325-201651-gw3日目-近隣ポタ [15]

Angon-tsarin'ny lohalambon'ny toeram-pivarotana mampiavaka ny toerana tsirairay amin'ny manodidina ny tanànadehiben'i Tokyo:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145257368527 [16]


Maro amin'ireo garan'ny tanàna manodidina ny tanandehibe ihany koa no mannaa toeram-pivarotana lehibe mitsangana manodidina ny garan-dalamby:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/144908486732 [17]


Filentehan'ny masoandro any amin'ny tanàna manodidina. Mifaningotsingotra amin'ny ankamaroan'ny lalana ao Japana ny tariby mitondra angovo:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/144729121753/japan-overload-by-m-louis [18]


Asongadin'ny blaogin'i Japanese Suburbia ihany koa ireo sary maro mirentirenty, toy ny maodely amin'ny plastika ny orana (makamba) entin'ny fiarakely mpitondra entana iray:

http://japanesesuburbia.tumblr.com/post/145598202999 [19]