- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ndeha Hitaingina Làkana Hitety Ny Amazòna Miaraka Amin'ireo Tanora Sarayaku Mpilalao Baolina Kitra

Sokajy: Ekoatora, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Tanora, Teratany, Rising Voices

Alaivo sary ao an-tsaina izany mitety 67 kilaometatra aminà làkana misy maotera mba hitady tarika mpifanandrina aminà lalao fanatajahantena. Isan-kerinandro, izany no tsy maintsy ataon'ireo tanora mpilalao baolina kitra avy amin'ny vondrom-piarahamonina Kichwa ao Sarayaku [1] amin'ny faritra Amazòna Ekoatoriana mba hiatrehana tsy tapaka fifaninanana.

Ankizin'ny akademian'ny baolika kitra, [2] Club Deportivo Sarayaku ireo ankizy ireo, izay tsy vitan'ny hoe manampy fotsiny ireo tanora kichwas avy amin'ilay vondrom-piarahaonina mba hahay mamitaka, mizara baolina ary miaro tena, fa koa manampy azy ireo tsy hiala amin'ny làlana mahitsy tokony hizorany, amin'ny fanànana firaisan-tsaina anaty tarika, hiala amin'ireo fakàmpanahy tena mampidi-doza. Ny tranonkalan'ny sekoly dia miteny fa miasa ho toy ny arofanina anoherana ny “herisetran'ny fanontoloana” izy io :

La niñez y la juventud de Sarayaku son poseedoras de  inteligencia, talentos y capacidades para vivir en el habitat de su territorio. Son hábiles en el bosque, cazadores, conocedores de la botánica, de los cosmos, de las montañas, de la lluvia, delas cascadas, del rayo, de las piedras, del árbol sagrado del Uchuputo y de la Pachamama. Hoy se van cayendo poco a poco ante la agresión visible e invisible de la globalización, por la postergación y abandono de los grandes ministerios, por los proyectos industriales y la falta de solidaridad que conlleva a un grave riesgo a temprana edad como el alcoholismo y migración de la juventud.

Manana haranitan-tsaina, talenta ary ny fahafahana miaina ao anatin'ny toeram-ponenany ireo tanoran'i Sarayaku. Voaofana tao an'àla ho toy ny mpihaza ry zareo, manana fahalalàna tsara ny zavamaniry, ny tontolon'ny habakabaka, ny tendrombohitra, ny orana, ny riandrano, ny tselatra, ny vato, ireo hazo masina Uchuputo, sy ny Pachamama (Tany Reny). Ankehitriny ry zareo latsaka miandalana ao anatin'ny herisetra hita maso na koa tsy hita maso ateraky ny fanontoloana, ny fanemorana na tsy fanohizana intsony mihitsy ny betsaka amin'ireo asa goavan'ny governemanta, ireo tetikasa indositrialy, ary ny tsy fisian'ny firaisankina izay mitarika mankany amin'ny atahorana ho fibobohana alikaola aloha loatra sy ny fifindramonin'ny tanora.

Ny fanampiana amin'ny fanorenana fanomezan-danja manokana ny tena sy rehareha ho ao anatin'ny kolontsain'ny tanora ao an-toerana dia tanjona hafa iray kendren'ilay sekolin'ny baolina kitra noho ny finamànana niforona teo anivon'ny tarika rehefa misolo tena ny vondrom-piarahamoniny izy ireo. Afaka hita io eny anatin'ny firavoana iaraha-manan'ny tarika rehefa manainga hanatanteraka ilay fitetezana renirano mandritry ny ora enina ry zareo mba handeha hiatrika ny lalao manaraka.

Eriberto Gualinga [3], mpamokatra sarimihetsika avy ao amin'ny vondrom-piarahamonina Kichwa, dia nanaraka ilay tarika mba handrakitra ny diany nitety ny Renirano Bobonanza [4], izay nisy fandehanana fiara fitaterambahoaka naharitra 90 minitra ihany koa. Niatrika ny mpifanandrina taminy farany ny tarika: ny sekoly fampianarana baolina kitra ao amin'ny Kantaon'i Palora [5].

Nandrakitra ny sary tamin'ny alàlan'ny fankantrasy GoPro, noraketin'i Gualinga ireo toejavatra rehetra nizoran'ny dian'ilay andian-tanora mba hilalao ny fanatanjahantena ankafizin-dry zareo:

En la Amazonia el clima es impredecible, se puede ver las cuatro estaciones del año en el mismo día, el sol en la mañana, lluvia en la tarde, fuerte viento, arboles con flores, arboles que pierden las hojas. Los pequeños viajeros se enfrentan a todas estas adversidades.

Ao Amazòna, tsy misy iomananao izany ny toetrandro. Ao anatin'ny andro iray monja dia mety ho hitanao ny vanintaona rehetra mandritry ny taona: masoandro mibalika ny maraina, orana ny tolakandro, rivotra mahery, hazo rako-pelana ary ireo hazo mihintsan-dravina. Natrehan'ireto ankizy madinika mpivenjy ireto daholo izany karazan-javatra samihafa izany.

Masina ny renirano [6] ho an'ny vahoaka Sarayaku, satria tsy hoe hany fomba ahafahana mifanerasera sy mifandray amin'ireo vondrom-piarahamonaina hafa io, fa loharanom-pahavelomana ihany koa. Izay no antony mahatonga ny vahoaka Sarayaku halaza amin'ny fiarovana ny tontolo natoraly manodidina azy ireo noho ny fifandraisan'izy ireo amin'ny natiora. Ary ankehitriny ilay renirano dia fomba iray ihany koa hifandraisany amin'ireo vondrom-piarahamonina hafa mba hanaovana lalao baloina kitra am-pirahalahiana.

Escuela de Futbol Sarayaku. Pantallazo del video de YouTube "Viajando por el Bobonaza con la Escuela de Futbol Sarayaku".

Sekolin'ny baolina kitra Sarayaku. Pikantsarin'ny lahatsary YouTube “Viajando por el Bobonaza con la Escuela de Futbol Sarayaku [7]“.