Aleo Hanome Aingam-Panahy Anao ny Faritra Issyk-Kul Ao Kyrgyzstan

Flickr image uploaded by Maximus Shoots.

Sary Flickr navoakan'i Maximus Shoots.

Toerana fandehanan'ny mpanao vakansy hatry ny ela tao amin'ny Firaisana Sovietika taloha ny ‘maso’ manga-safiran'ny tangorombohitra Tien-Shan ao Kyrgyzstan sy ny endritany mikitoatoana manodidina azy. Ankehitriny ry zareo efa manana lahatsary fampiroboroboana mifanaraka tsara amin'izany.

Mbola tiavina indrindra noho ny torapasika sy ny rano fampangatsiahana mandritra ny fotoam-pilomanosana manify dia manify manomboka fiandohan'ny volana jolay ka mifarana fiandohan'ny volana septambra i Issyk-Kul, any amin'ny faritra atsinanan'i Kyrgyzstan izay itoeran'ny farihy an-tendrombohitra faharoa lehibe indrindra eto ambonin'ny tany aorian'ny farihin'i Titicaca.

Saingy araka ny asehon'ny lahatsary novokarin'ny vondrona mpamorona Photosafari.KZ  miorina ao Kazakhstan, dia mbola betsaka noho izany ny zavatra azo atao ao amin'ny faritra indrindra raha mpankafy kodiaran-droa ianao. Ankafizo!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.