Nandresy ny Hafanana Tsy Mila Ny Herinaratra Ny ‘Eco-Cooler’ Ao Bangladesh

Making of an eco cooler. Screenshot from YouTube Video

Ny fanamboarana ny eco cooler. Dikasary avy amin'ny lahatsary YouTube

Manana toetrandro mafana, lena, ary mando i Bangladesh miaraka amin'ny maripana tafakatra hatrany amin'ny 45 degre Celsius (113ºF) amin'ny fahavaratra. Mipetraka any ambanivohitra amin'ny trano fanitso ny ankamaroan'ireo mponina  Bangladeshi izay mety hiteraka hafanana mampidi-doza  noho ny  masoandro mahamay. Maro amin'ireo trano no tsy manana herinaratra ka tsy afaka mampiasa ny fitaovana fampangatsiahana takatry ny be sy ny maro, toy ny fanely rivotra eny amin'ny valindrihana.

A new social venture has come up with a simple idea to provide a cheap solution to the problem. Grey Dhaka, the Bangladesh wing of New-York-based advertising agency Grey, and the Grameen Intel Social Business, a social business information technology company created in 2009 by Grameen Trust and Intel, teamed up to create the Eco-Cooler.

Nisy orinasa ara-tsosialy vaovao iray nahita hevitra tsotra mba hanomezana vahaolana mora vidy manoloana ny olana. Niara-niasa tamin'ny famoronana ny Eco-Cooler ny Grey Dhaka, sampandraharaha Bangladeshi momba ny dokambarotra Grey manana foibe any New-York , sy ny Grameen Intel Social Business , mpandraharaha ara-tsosialy momba ny famakafakana ny orinasa teknolojia  noforonin'ny Grameen Trust sy Intel tamin'ny 2009 .

Tena mahagaga ! ny #EcoCooler ao Bangladesh, izay mandeha tsy misy  herinaratra no afaka nanome ny vahaolana amin'ny fiakaran'ny hafanana https://t.co/NYUNHGtb5w @YourStoryCo
— Nileena (@nileenags) 24 May 2016

Vita amin'ny baoritra sy mampiasa tavoahangy plastika ny Eco-Cooler, izay hita manerana an'ny Bangladesh. Lavahana asiana makarakara amin'ny baoritra, miaraka amin'ny tavoahangy plastika apetaka amin'ny lavaka. (Efa nesorina ny lohan'ny tavoahangy , alohan'ny ity dingana ity.) Rehefa mandeha eo amin'ny faritra lehibe kokoa amin'ny tavoahangy ny rivotra dia manome hafanana ny lohan'ny tavoahangy , voamarika fa mihamangatsiaka ny rivotra mitsoka ao an-tokantrano  . Afaka mampidina ny mari-pana hatramin'ny 5 ° C (9ºF) ny Eco-Cooler ao anatin'ny ny fotoana fohy ary izay no maha hafa azy.

ECO-COOLER:Ny Fanavaozana ao B'Deshi : Mandeha ao amin'ny tavoahangy ny rivotra mafana , mandalo @ lohany, mamoaka rivotra mangatsiatsiaka kokoa  alohany idirany ao an'efitra!

Tena tsotra ilay teknôlôjia. Afaka maka ny famolavolana malalaka sy manamboatra ny Eco-Cooler ao an-trano ireo mpisera aterineto. Manazava ny dingana ity lahatsary manaraka ity :

Nanoratra tao amin'ny Facebook i Sambeet Chakraborty :

An amazingly simple idea..making lives better for millions in Bangladesh.

Ilay hevitra tsotra sy mahagaga..miaina tsara kokoa ny olona an-tapitrisany ao Bangladesh.

Hoy i A.R. Mashrur Hasan Mukut  hoe:

Absolutely Brilliant idea!! so easy and simple to execute!! we all should spread this idea out among those who need this !!

Tena hevitra mamirapiratra tanteraka !! mora sy tsotra atao!!  tokony haparitatsika izany hevitra izany ho an'ireo rehetra izay mila izany !!

Instructions to make the eco-cooler is available in its website

Toromarika hanamboarana ny eco-cooler hita ao amin'ny tranonkalany

Natao tamin'ny Martsa 2015 ny andrana voalohany  ary naparitaka tamin'ny Febroary 2016 rehefa vonona. Napetraka  tamin'ny tokantrano an'arivony maimaimpoana ny Eco-Coolers ho toy ny ampahany amin'ny andraikitra fandaharan'asa ara-tsosialin'ireo orinasa tao amin'ny tanàna kely ao Nilphamari, Daulatdia, Paturia, Modonhati, ary Khaleya manerana an'i Bangladesh. Nampianatra ny olona ny fomba fampiasana ireo fitaovana ireo ihany koa ny orinasa, ary avy eo hampianatra ny hafa hanao toy izany koa.

Adinoy segondra vitsivitsy ny momba ny #startups sy ny famadihana ho vola, mila ireo hevitra mahay manao fahagagana toy ity iray ity #ecoCooler https://t.co/NRfWjBSAFa isika

Mora hita eny rehetra eny ny akora, ary mety ho vahaolana mahomby ho an'ny fampangatsiahana sady miaro ny tontolo iainana any amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao ny Eco-Coolers.

Tsy mila fomba famerenana manokana ny fandefasana tsotra kely ny eco-cooler izay azo jerena amin'ny aterineto, fa raha efa nanamboatra izany kosa ianao na nanandrana azy , dia ampahafantaro anay.

1 hevitra

  • Toa tsy mety resy lahatra amin’io zavatra io aho.

    Marina fa mety hangatsiaka kokoa ny tandrifin’ilay rindrina, satria hisy rivotra hitsoka, fa tsy maintsy hiverina hiangona ao afovoan’ny efitra ny hafanana.

    Tsy ampy izany io, fa zava-dehibe koa ny fisian’ny fomba mahomby hivoahan’ny rivotra mafana ho eny ivelany.

    Raha mitady fampangatsiahina tsotra dia ireto angamba no azo antoka kokoa :
    – misy lavarangana ny trano mba tsy ho tratran’ny masoandro mivantana ny rindrina,
    – tokony ho avoavo ny efitra (grande hauteur de plafond)
    – miditra avy amin’ny lafiny ambanin’ny rindrina iray ny rivotra mangatsitsiaka (aération basse)
    – mivoaka eny amin’ny lafiny ambonin’ny rindrina ankilany kosa ny rivotra mafana (aération haute)

Ajanony ihany

Hiresaka koa -> barijaona

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.