- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Namelona Indray Ny Realisma Sosialista Tsy Misy Ny Sosialisma Ny Antoko Mitondra Ao Makedonia

Sokajy: Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Alemaina, Aotrisa, Makedonia, Romania, Shina, Fahalalahàna miteny, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina
Painting depicting Macedonia ruling party chief Nikola Gruevski, his cousin Sasho Mijalkov (former head of Secret Service) and associates at VMRO-DPMNE party rally. Photo by Nova, used with permission. [1]

Sary hosodoko mampiseho ireo lehiben'antokon'ny fitondrana Nikola Gruevski, ny havany Sasho Mijalkov, sy ny mpiara-miasa aminy ao amin'ny fivorian'ny antoko VMRO-DPMNE . Sary: Nova, nahazoana alàlana.

Nanambara ny fandraisam-baovao tsy miankina Nova [2] fa nanome baiko hanao sary hosodoko goavana mihoatra ny 50 mampiseho ny vanimpotoana manantatara izay fanaon'ny Antoko Komonista teo aloha ny antoko mpitondra ao Makedonia.

Niteraka adihevitra ny baiko noho ny antony maro, amin'izany indrindra, nangatahana ho atao amin'ny fomba realista sosialista [3] ny sary hosodoko, raha nanome endrika  ny tenany ho miady amin'ny komonista ny antoko VMRO-DPMNE [4], sady mpikambana ao amin'ny “afovoany-ankavanana” izay Antokon'ny Vahoaka Eoropeana [5]  . Maro tamin'ireo manampahefana ao amin'ny antoko, na ny ray aman-dreniny, no mpikambana ambony tao nandritra ny fitondrana komonista [6]  .

Mampiseho ihany koa ny antoko mpitarika amin'izao fotoana izao Nikola Gruevski [7] sy ny mpiara-miombon'antoka aminy akaiky amin'ny fomba miharihary ny sary hosodoko, raha araka ny hita dia toa tena fanompoana olona [mg] [8]. Miseho miaraka amin'ny vadiny izy amin'ny sary sasany, ary voalaza fa iray amin'ireo sary hosodoko tsiambaratelo mampiseho azy miaraka amin'ireo zanany vavy sy ny reniny izany. Voalaza fa 4 sy 8 metatra ny refin'ny sary hosodoko.

Macedonia ruling party chief Nikola Gruevski, his wife Borkica, flanked by their their godfather Zoran Stavrevski (Minister of Finance), and other associates on an oil painting. Photo by Nova, used with permission. [9]

Lehiben'antokon'ny fitondrana Nikola Gruevski, ny vadiny Borkica, ary ireo mpiara-miombon'antoka akaiky aminy, anisan'izany ny mpiantoka azy. Zoran Stavreski (ny minisitry ny vola), amin'ny sary hosodoko natao tamin'ny loko malama. Sary: Nova, nahazoana alàlana.

Fa ny zava-dehibe kokoa, nametraka ny fanontaniana hoe iza no handoa ny sary hosodoko ny zoro fandraisam-baovao Nova, izay vita avy amin'ny sisiny mivolombolamena izy rehetra. Mitentina an-tapitrisany euros maro ny asa-tànana rehetra. Mpanao hosodoko avy any Okraina sy Bolgaria ireo nanao azy, izay efa nanao fifanarahana karama tamin'ny  governemanta teo aloha mba hiasa ao amin'ny tetikasa Skopje 2014 [10] .

Nanontany ny solontenan'ny VMRO-DPMNE ny mpanao gazety Nova Maja Jovanovska raha tafiditra ao anatin'ny fifampiraharaham-barotra amin'ny fanjakana ny sary hosodoko, fa tsy namaly ny antso sy ny hafatra ny mpitondratenin'ny antoko , Ivo Kotevski.

Natao ho an'ny foiben-toeran'ny antoko VMRO-DPMNE, izay natsangana tamin'ny Jolay 2015, ao afovoan-tanànan'i Skopje ny sary hosodoko. Milaza ny antoko fa tsy nandany vola na ariary aza izy tamin'ny fananganana, satria naorin'ny mpiantoka ao an-toerana maimaim-poana izany izay mikasa ny hampiasa ny ampahany amin'ny trano ho atao trano fandraisam-bahiny. Iray amin'ireo olona manankarena indrindra ao amin'ny firenena ny mpiantoka, Mincho Jordanov, ary nandray anjara tamin'ny tetikasa Skopje 2014 ihany koa ny orinasany .

Headquarters of VMRO-DPMNE, the ruling right-wing party in Macedonia. Photo by F. Stojanovski, CC BY. [11]

Ny foiben-toeran'ny VMRO-DPMNE, antoko eo amin'ny fitondrana elatra ankavanana ao Makedonia. sary: F. Stojanovski, CC.

Natao tamin'ny volam-bahoaka tamin'ny alalan'ny Monisipaly ny zaridaina kely manoloana ny foiben'ny antoko, izay voaravaka marika mifandraika amin'ny Fikambanana Revolisionera Makedoniana [12], ilay hetsika manantantara izay antsoin'ny antoko hoe “fidinana.” Ny mpandoa hetra Makedoniana  ihany koa no nandoa ny vola nanaovana ny loharano izay ampahany amin'ny Skopje 2014 nalaina tahaka avy amin'ny Andrin'i Trajan ary misy mariky ny antoko eo amin'ny tampony (ny liona misy rambony roa).

Noho ny hetsi-panoherana “Revolisiona Maro Loko” [13] amin'izao fotoana izao, mijanona ho faritra tsy azo idirana ny foiben-toeran'ny antoko sy ny zaridaina kely ao Skopje, izay feno  mpiambina mitam-piadiana avy amin'ny mpitandro filaminana.

Painting depicting VMRO-DPMNE rally during their 'Orange Revolution' phase in 2006, when they tried to associate themselves with the Ukrainian Color Revolution to show that they are pro-Western. Photo by Nova, used with permission. [14]

Sary hosodoko mampiseho ny fivorian'ny VMRO-DPMNE nandritra ny dingana “Revolisiona Laoranjy” tamin'ny 2006, rehefa niezaka nampifandray tamin'ny lokon'ny Revolisiona Okranianina izy ireo mba anehoana fa prô-Tandrefana, Sary: Nova, nahazoana alàlana.

Nampitovy avy hatrany io fomba fanehoana kanto io tamin'ny fitondrana hafa izay nampiasa izany tamin'ny tantara vao haingana ireo mpisera amin'ny media sosialy, na tany Eoropa na manerana izao tontolo izao.

Nanondro [15] ny asakanto izay manome voninahitra an'i Nicolae Ceaușescu [16] any Romania sy ny vadiny ny mpisera Twitter @Zivce_Ivanova;

Vinavinao iza no manao an'i Ceauşescu ho sampiny? Soso-kevitra: Jereo eto ambany!

Nanondro ny sary hosodokon'i Mao Zedong [21] any Shina ny mpisera Twitter iray hafa, @ parg0.

Jereo ny fahasamihafana ? “

Manamarika ihany koa ireo olom-pirenena fa ny manam-pahefana ao amin'ny antoko amin'izao fotoana izao dia somary miseho amin'ny fomba  manintona kokoa. Ohatra,  aseho somary lava kokoa i Gruevski, raha oharina amin'i Martin Protuger ilay mpanara-dia azy lava be [24].

Lava in-droa loha noho i Gruevski i Protuger, nefa natao fohifohy kokoa izy amin'ny sary hosodoko .

Voalaza fa naporitsaky ny mpanao ampamoaka antsokosoko ireo sary tamin'ny hosodoko ireo.

Nilaza [26]  ny mpanao hosodoko Matej Bogdanovski raha niresaka tao amin'ny onjam-peo Deutsche Welle fa maka ny endriky ny realisma sosialista ireo sary hosodoko ireo, izay “natao hampisehoana ny fomba fisainan'ny fotoana vaovao, ny firehan-kevitra vaovao  (Komonisma), ny fandrosoana sy ny hasambaran'ny mpiasa ao anatiny” tao amin'ny Vondrona Komonista Atsinanana izany. Nataon'i Bogdanovski ho ” fiovana” karazana ireo sary hosodoko vaovao ireo, na izany aza, milaza izy fa mitoetra ny “fanehoana realista” tsy misy ilay “hasambaran'ny mpiasa”. Nailika tanteraka ny olon'ny firenena, hoy izy, izany hoe misy ny fikasana an-kolaka tiana hambolena hoe “mitovy sy iray ihany ny fanjakana sy ny antoko, fa isika rehetra tsy misy manan-danja.”