- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanzania : Lehilahy Iray Mety Higadra Telo Taona Noho Ny “Faniratsiràna” Ny Filoha Tao Amin'ny Facebook

Sokajy: Afrika Mainty, Tanzania, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Image shared on Twitter by Tanzanian Member of Parliament Zitto Kabwe Ruyagwa. (@zittokabwe) [1]

Sary nozarain'ny mpikambana ao amin'ny Parlemanta Tanzaniana Zitto Kabwe Ruyagwa tao amin'ny Twitter. (@zittokabwe)

Voaheloky ny [2] fitsarana tao an-toerana tany Arusha ny olom-pirenena Tanzaniana, Habakuk Emily, noho ny naniratsiràny ny Filoha Tanzaniana John Magufuli tao amin'ny pejy Facebook-ny.

Mety higadra telo taona an-tranomaizina i Emily, na handoa onitra dimy tapitrisa shillings ( 2300 dolara Amerikana), vola be izany any Tanzania, Tanzania izay latsaky ny 1000 dolara Amerikana  [3] isan'olona isan-taona [3] ny harin-karena faobe. Nahena ho fito tapitrisa izany noho ny fangatahan'ny mpisolovava azy, araka ny The Citizen [4], tranonkalam-baovao iray ao an-toerana. Tsy maintsy voaloany amin'ny 8 Aogositra ilay onitra, raha tsy izany dia mamita ny saziny any am-ponja izy.

Niakatra fitsarana voalohany i Emily tamin'ny 15 Aprily 2016  noho ny fiampangana azy ho “naniratsira” ny Filoham-pirenena John Magufuli, lazaina ho mifanohitra amin'ny Andininy 16 ao amin'ny Lalàna  [5]faha 14 tamin'ny 2015 mifehy ny heloka atao amin'ny aterineto [5]manao hoe :

Izay rehetra manaparitaka vaovao, angon-drakitra na zava-nisy aseho amin'ny sary, lahatsoratra, marika na endrika hafa ao amin'ny rafitry ny solosaina ka diso, mamitaka, lainga na tsy marina ilay vaovao, angon-drakitra na zava-nisy dia mandika lalàna, ary ho voasazy handoa onitra tsy latsaky ny telo tapitrisa shillings na fitànana am-ponja tsy latsaky ny enim-bolana na izy roa miaraka.

Voampanga ho nandefa hafatra nampiady hevitra, voasoratra amin'ny teny swahili, izy ny 17 Martsa 2015, nefa fantany fa fandikàn-dalàna ny mandefa filazalazàna tsy marina na lainga momba ny filohan'ny firenena. Mahakasika ilay antso mivantana tsy nampoizina nataon'ny Filoha Magufuli  tamin'ny 360, [6] fandaharana momba ny zava-misy amin'izao fotoana izao tao amin'ny Clouds TV [7] ilay fanehoankeviny.  Nisaotra sy naneho ny fankasitrahany ireo mpanolotra noho ilay seho tao amin'ny fahitalavitra ny filoha tamin'ny fotoana nisehoany.

Tsy ireo fikarohana [8] tao amin'ny pejy Facebook manokan'i [9]Emily, na ny pejy natao iadiana hevitra izay nilazàna fa nandefasany ilay fanehoankevitra no navoaka , fa ilay fanehoankeviny tao amin'ny Facebook izay heverina fa mivaky toy izao :

Hizi siasa za maigizo, halafu mnamfananisha huyu bwege and Nyerere wapi buana.

Fampisehoana ara-politika [ ilazana ilay fiantsoana mivantana], ahoana no ampitahana an'io adala io [Magufuli] amin'i Nyerere [ Mwalimu Nyerere, Filohan'i Tanzania voalohany mamim-bahoaka ?]

Ny saziny dia nitontona tamin'ny voalazan'ilay lalàna mifehy ny heloka atao amin'ny alàlan'ny aterineto, [10]izay nolanian'ny parlemanta tamin'ny 1 Aprily 2015 hiatrehana ny olan'ny heloka atao amin'ny alàlan'ny aterineto toy ny sary vetaveta misy ankizy, ny fandrahonana amin'ny aterineto, fisandohana ny mombamomba ny tena amin'ny aterineto, ny famokarana votoaty elektronika momba ny fanavakavahana sy ny  fankahalana vahiny, spam, fandraisana tsy ara-dalàna ireo vaovao sy ny fanaparitahana vaovao tsy marina.

Na dia niparitaka aza ny fanoherana nataon'ireo mpanao politika, ireo manampahaizana amin'ny haino aman-jery sosialy, ary ireo mpiaro zon'olombelona, dia nolanian'ny ny parlemanta ilay tolo-dalàna na dia tsy nifanakalozana hevitra na niadiana hevitra firy aza. Nosoniavin'ny [11]filoha taloha Jakaya Kikwete ho lalàna izany ny volana May 2015.

Amafisin'ireo mpanohitra [10] ilay lalàna mifehy ny heloka atao amin'ny alàlan'ny aterineto fa manome fahefana be loatra ireo mpitandro filaminana — tsy manao fanarahamaso marina– ilay lalàna, manome azy ireo fahafahana hisava ny tranon'ireo ahiana ho nandika lalàna, ary haka ny fitaovana elektronikany, sady hitaky ny angon-drakitra avy amin'ny sampana mpanome tolotra aterineto.  Nampitandrina ihany koa ry zareo  [12] fa mety hampiasa ny heriny mba hisotasotàna ireo mpisera amin'ny aterineto sy amin'ny haino aman-jery sosialy ny mpitandro fimalinana na ny fanjakana.

Tamin'ny Oktobra 2015, Tanzaniana roa no voalohany [13] niharan'ilay [13] lalàna vaovao. Voampanga [14] ho nanaparitaka vaovao ” diso na tsy voamarin'ny manampahefana mahefa” i Benedict Angelo Ngonyani, 24 taona mpianatra ao amin'ny Sekoly Ambony Momba ny Teknolojia. Voalaza fa namoaka lahatsoratra tao amin'ny Facebook izy izay milaza fa nampidirina hopitaly ny Lehiben'ny Hery Fiarovana Tanzaniana, ny Jeneraly  Davis Mwamunyange, rehefa avy nihinana sakafo voapoizina.

Tamin'iny volana iny ihany, mpisera iray hafa amin'ny aterineto, Sospiter Jonas, no nampanantsoin'ny [15] fitsarana ambaratonga voalohan'ny faritr'i Dodoma ary nampangaina ho “nanao ny tsy mety tamin'ny aterineto ” tamin'ny nandefasany hafatra tamin'ny Facebook milaza fa ” ho tonga mpitory ny filazantsara ihany” ny Praiminisitra Tanzaniana Mizengo Pinda.

Tamin'ny Novambra 2015, tanzaniana efatra — Leila Sinare, Godfrey Soka, Deo Soka ary Monica Gaspary Soka — no voampanga  [16] ho nanaparitaka vaovao tsy marina momba ny fifidianana tao amin'ny vovonan-kafatra sosialy WhatsApp [17] araka ny Andininy 16 amin'ny lalàna 2015 mifehy ny heloka atao amin'ny aterineto. Niakatra fitsarana [5]tany Dar Es Salaam izy efatra ireo ny 6 Novambra 2015. Nohamafisin'ny mpampanoa lalàna fa namoaka vaovao azo henoina tao amin'ny vondrona WhatsApp antsoina hoe   “Vondrona Soka” ireo voampanga, vondrona izay natao mba hanakorontanana ny saim-bahoaka nandritra ny fifidianana solombavam-bahoaka Tanzaniana, [18]  izay efa rakotry ny fiampangana [19]fa fifidianana hosoka ny tamin'ny Oktobra 2015 [18].