- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trondro Aman-taonina No Maty Tamin'ny Fomba Hafahafa Tao Vietnam. Anisan'izany Ny Trozona

Sokajy: Azia Atsinanana, Vietnam, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Voina
Screenshot of a YouTube video of residents trying to rescue a stranded whale at Diễn Thịnh’s shore in Vietnam. [1]

Mponina miezaka mamonjy trozona nihitsoka tao amoron-dranomasin'i Diễn Thịnh ao Vietnam. Sary: YouTube

Ity lahatsoratra [2] nosoratan'i Nguyễn Linh Chi ity dia avy amin'ny Loa, tranonkalam-baovao sy fampielezam-peo tsy miankina mandefa tantara momba an'i Vietnam. Navoakan'ny Global Voices indray izany noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nandritra ny roa volana farany, trondro aman-taonina no hita faty tao amoron-dranomasina afovoan'i Vietnam. Tao anatin'ny dimy volana, nahita trozona maty fito farafahakeliny ny mponina ao amin'ny faritanin'i Nghệ An, araka ny filazan'ny tranonkalam-baovao Lao Động [3]. Nifanojo tamin'ny fahafatesan'ireo biby kely kokoa marobe anaty ranomasina izany fotoana izany.

Tamin'ny 25 May, raha nampiroborobo [4] ny fihinanana hazan-dranomasina sy ny hetsika momba ny rano ny manampahefana ao amin'ny faritanin'i Quảng Bình, trozona milanja 17 taonina no hita faty tao amoron-dranomasin'i [5] Thịnh Diễn.

Mampiseho ny ezaky ny manampahefana manavotra ilay biby ny lahatsarin'ny [1] Amatuer nakarina tao amin'ny YouTube, saingy maty fotoana fohy taorian'ny namerenan'azy tany anaty rano ilay biby.

Roa andro taty aoriana, trozona iray hafa milanja 10 taonina indray -izay efa maty sy simba no —hita [6] tao anatin'izany morondranomasina izany ihany. Raha vao nanomboka niakatra ny onja, natosiky ny manam-pahefana hiverina any an-dranomasina ny fatiny.

Na izany aza, niahiahy ny antony mampihetsika ny manampahefana i Thái Văn Dung, mpikatroka monina ao Nghệ An, hoy izy:

I agree that it makes sense to wait for the tide to rise to discard the carcass, but why did they do it in such a hurry in the dark? Why didn’t they wait to examine the cause of death?

Manaiky aho fa misy dikany ny fiandrasana ny fiakaran'ny onjan-dranomasina mba hanariana ilay faty, saingy nahoana no nataon'izy ireo maimaika tao anatin'ny aizina izany? Nahoana no tsy niandry ny fanadihadiana nahatonga ny fahafatesana izy ireo?

Iray amin'ireo mpikatroka maro i Dung izay mihevitra fa misy fifandraisana mivantana ny fahafatesan'ireo trozona sy ny fandefasana rano maloto ataon'ny orinasam-by Taiwaney Formosa, izay mpifanolo-bodirindrina amin'ny faritanin'i Hà tìnhi. Na izany aza, mbola tsy nahavita ny fanadihadiany momba ny fahafatesan'ireo trondro [7]ny fitondram-panjakana. Manohy manohintohina ny fiainan'ireo mpanjono ao an-toerana ny olan'ny tontolo iainana ankehitriny, ary niteraka hetsi-panoherana goavana manerana ny firenena sy ny Vietnamiana ampielezana.

Noraisin'ireo mpanjono Vietnamiana toy ny zavaboahary masina hatry ny ela ny trozona. Raha nandà tsy haneho hevitra momba ireo fahafatesana hafahafa i Hanoi, nilaza ny mponina ao an-toerana fa mampiseho indray ny tsirambina ataon'ny manampahefana ny fahitana ireo faty vaovao.

Tsindrio eto ambany raha hihaino ny andiana fandefasam-peon'ny Loa momba ny olan'ny trozona maty sy ireo tantara vaovao lehibe hafa momba an'i Vietnam tamin'ny volana lasa: