- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bilaogera Rosiana Nosamborina Rehefa Nanampy Mpanao Gazety Amerikana Nanao Tatitra Resaka Fananana Mifaka Olaimpika Tao Sochi

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanatanjahantena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Akon'ny RuNet
The Sochi seaport, one of the many real estate objects in the Sochi area that benefited from the renovations before the 2014 Winter Olympics. Photo by Roman Ganoshenko, CC BY-SA 3.0.

Ny seranantsambon'i Sochi, iray amin'ireo fananana mifaka maro ao amin'ny faritr'i Sochi izay nahazo anjara tamin'ny fanavaozana goavana talohan'ny Lalao Olaimpika Ririnina 2014 . Sary: Roman Ganoshenko [1], CC BY-SA 3.0.

Nosamborina raha mbola teo amperinasa niaraka tamin'ny ekipa mpilalao sarimihetsika HBO i Aleksandr Valov ,bilaogera sady mpanao gazety Rosiana no tonian-dahatsoratry ny tranonkala BlogSochi, teo akaikin'ny faritra atsimon'i Rosia ao amin'ny tanànan'i Sochi. Voalaza fa nanao fanadihadiana momba ireo fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ireo fananana mifaka naorina nandritra ny Lalao Olaimpika Ririnina 2014 ilay mpanao gazety.

Nitatitra ny mpisolovava an'ilay bilaogera fa ny fitsarana ao Adler nanameloka azy ho “nikarakara lanonam-bahoaka teo amin'ny faritra akaikin'ny sisintany.” Nijanona tany am-ponja nandritra ny dimy andro i Valov .

Notànana tamin'ny 3 Jona tany akaikin'ny sisin-tanin'i Rosia sy Abkhazia i Valov niaraka tamin'ny mpanao gazety Rosiana iray hafa, Dmitry Saltykovsky, ary olona enina tamin'ny ekipa mpilalao sarimihetsika avy amin'ny fantsona Amerikana HBO. Tamin'ny voalohany, nilaza ny mpampihatra lalàna fa niasa tao amin'ny faritra akaikin'ny sisintany izy ireo nefa tsy manana “fahazoan-dàlana tsy maintsy ilaina.” Navotsotra ireo olom-pirenena Amerikana rehefa afaka fito ora, raha notazonina ela kokoa kosa ny mpanao gazety Rosiana roa, ary nentina nankany amin'ny foiben'ny FSB any Sochi.

Noafahana i Dmitry Saltykovsky, izay niasa ho mpandika teny ho an'ny ekipan'ny HBO, saingy nampandoavina lamandy 1.000 robla ( 15 $), araka ny mpisolovavan'ilay mpanao gazety , Alexander Popov, tao amin'ny Twitter.

Nanome didy fisamborana 5 andro ho an'i A. Valov ny fitsarana ao Adler araka ny andininy faha-20.2 (fikarakarana lanonam-bahoaka akaikin'ny faritry ny sisintany?!)
Nandoa onitra 1.000  ny mpanao gazety Saltykovsky .

Tany amin'ny faritr'i Sochi ny mpanao gazetin'ny HBO sy ny Rosiana mpiara-miasa aminy mba haka sary ny sasany amin'ireo tranobe nahazo “famatsiam-bolan'ny vakoka [3]” Olaimpika, izay voalaza fa nataon'ny manam-pahefana mpitantana ao amin'ny tanànan'ny Sochi lavanty, na dia eo aza ny sata manokana nananany. Talohan'ny nakana ny findainy, nanamafy [4] tamin'ny tranonkalan'ny Caucasian Knot i Valov fa voampanga ho “nikarakara hetsika” izy sy Saltykovsky ary nanantitrantitra fa  tsy  “hanao fivoriana na hetsika” ny ekipa tany an-toerana fa “hijery sy haka sary ireo trano izay ho hamidin'ny mpitantana ny tanàna.”