Hanaovana Topimaso Mahafinaritra An'i Nepal-n'ny Taonjato Faha 20, Jereo Ny ‘Nepal in Pix’ (Nepal An-tsary) Ao Amin'ny Twitter

Ireo mpibata, mitondra ny fiarakodia voalohany indrindra ho any amin'ny Lohasaha Kathmandu. Sary tamin'ny Twitter/NepalInPix
Nandritra ny tantara, tanin'ny mistery i Nepal ho an'ireo mpitsangatsangana avy any ivelany. Ilay Himalaya avo miaraka amin'ireo tendrombohitra avo indrindrany manerantany, ao anatin'ireo havoana sy lohasaha maro miaraka amin'ireo fomba fanao sy fombandrazana tsy fahita, ary lemaka rakotra ala mikitroka any atsimo misy bibidia maro no nanintona foana ireo mpitsidika liana amin'io firenena saro-dàlana io.
Na dia voakasiky ny fandrosoana maoderina aza i Nepal, mitondra anao any amin'ny tany hafa mihitsy ireo sary avy amin'ireo am-polo taonany monja tany taloha. Mamoaka ireo sary tamin'izany vanimpotoana izany ny kaonty ao amin'ny Twitter, Nepal in Pix, maneho ny endriky ny fiainana tsy dia ela akory izay.
Hanombohana izany, ito ny sarin'ireo fanadinana nampanaovin'ny Kaomisionan'ny Asam-Panjakàna (Lok Sewa Aayog) tao Nepal, ny fomba fidirana amin'ny asan'ny governemanta, izay atao eny ampovoan-tokontany tao amin'ny Distrikan'i Lamjung, Andrefan'i Nepal.
Nepali youths giving Lok Sewa Aayog exams on a sunny chaur in Lamjung in 1975. #Nepal pic.twitter.com/0S8hoo8bcE
— Nepal In Pix (@NepalInPix) May 1, 2016
Ireo tanora Nepale manao fanadinana Lok Sewa Aayog eo amin'ny tany mainandron'i Lamjung ny taona 1975.
Zavatra tsy fahita tamin'ny taona 1980 ny fahitalavitra. Ito sary ito mampiseho ireo tovolahy miaraka amin'ny fahitalavitra iray, maka sary eo amin'ireo lalankelin'ny Lohasaha Kathmandu.
Young Newar men bringing home their first TV, in 1987. #Nepal pic.twitter.com/3GCxe07lwV
— Nepal In Pix (@NepalInPix) May 10, 2016
Ireo tovolahy Newar mitondra mody ny fahitalavitrany voalohany, ny taona 1987.
Tamin'ny taona 1960, nandeha tany amin'ny Lohasaha Kathmandu ireo “hippies”. Ara-dalàna ny fivarotana ny rongony sy “hashish” (karazana rongony) teto, ary na ny làlana manakaiky ny Kianja Durbar ao Kathmandu aza nomena anarana hoe ‘Làlana Mampitahotra’.
गाजा र चरेस येहा पाइन्छ | Marijuana was legal in Nepal during 1960's. pic.twitter.com/6NVkVJ0Q3D
— Nepal In Pix (@NepalInPix) April 22, 2016
Ara-dalàna ny rongony tany Nepal nandritra ny taona 1960
Mampiseho ny endriky ny fety tany Kathmandu tamin'izany andro izany ny sary eto ambany, ahitàna ny lamaody nalaza teo amin'ireo tanora:
Time to party like it's 1969. #Nepal pic.twitter.com/KV3YLAKq9D
— Nepal In Pix (@NepalInPix) April 21, 2016
Fotoanan'ny fety toy ny tamin'ny taona 1969.
Raha mbola nanjaka ny fanjakan'olon-tokana, natao ho toy ny ilon'ny fanantenàna ny mpanjakalahy sy mpanjakavavy, ary miandry amin'ny filaharam-be ireo vahoaka mba hanopy maso ireo mpitondra.
People waiting for the arrival of the king & queen at Jumla Bazaar in 1978. #Nepal pic.twitter.com/ryyz2P0ROz
— Nepal In Pix (@NepalInPix) May 4, 2016
Ireo vahoaka miandry ny fahatongavan'ny mpanjakalahy sy mpanjakavavy ao Jumla Bazaar ny taona 1978.
Tena vaovao tokoa miaraka amin'ireo fiara vitsy manodidina, ilay làlana Vaovao mitondra ho any Kathmandu Durbar Square ao afovoan'i Kathmandu.
New Road, Kathmandu 60 years ago. #Nepal pic.twitter.com/u98IQ3mMhM
— Nepal In Pix (@NepalInPix) May 8, 2016
Làlana Vaovao, Kathmandu, 60 taona lasa.
Tsy fahita firy ho an'ny sarambabem-bahoaka ny fiarakodia, izay fananan'ny manankarena sy manampahefana, ary toy izany koa ireo mpivarotra fiarakodia. Mampiseho ny iray amin'izany mpivarotra fiarakodia izany ny sary eto ambany:
Vintage cars! The Ford car dealer at Lazimpat, Kathmandu in 1930s. #Nepal pic.twitter.com/XL3Ioi6u0G
— Nepal In Pix (@NepalInPix) May 6, 2016
Fiarakodia taloha! ilay mpivarotra fiarakodia Ford tao Lazimpat, Kathmandu ny taona 1930.
Raha niroso ho amin'ny vaninandro maoderina ny Lohasaha Kathmandu, mbola ala mikitroka kosa ireo lemaka atsimo, ary paradisa ho an'ireo mpihaza sy ireo vahinin'ny fianakavian'ny mpanjaka. Avy tamin'ilay haza nalazan'ny mpanjaka, niaraka tamin'ireo vahiny, mpanjaka Britanika, mamono bibidia maro, ity sary eto ambany ity.
King George V with the day's kill in Dec 1911. A total of 39 tigers, 18 rhinoceroses & 4 bears were killed. #Nepal pic.twitter.com/aLjGeBe4jR
— Nepal In Pix (@NepalInPix) April 30, 2016
Ny mpanjaka George V miaraka amin'ny haza ny andron'iny, ny Desambra 1911. Ny tontalin'ny novonoina : tigra 39, tokantandroka 18 ary bera 4.
Nitazona ny fahefana teo am-pelatanany efa ho 104 taona, hatramin'ny taona 1951, ny foko Rana niavian'ireo praiminisitra nitàna ny fahefana, nampietry ireo mpanjaka ho endrika famantarana nandritra ny fitondran'izy ireo sisa. Ho azy ireo, nifarana ny taona 2008 ny fitondran'ny taranaka mpanjaka Shah. Ito ny sarin'ny Praiminisitra Chandra Shumsher Jung Bahadur Rana miaraka amin'ireo rahalahiny.
Prime Minister Chandra Sumsher & his brothers at Singha Durbar – 1902 pic.twitter.com/Z9OnTQZEPg
— Nepal In Pix (@NepalInPix) May 12, 2016
Praiminisitra Chandra Sumsher sy ireo rahalahiny tao Singha Durbar ny taona 1902
Vao 40 taona lasa izay, nadio sy tsy nisy fofona ny Renirano Bagmati sy ireo morony– tena mifanohitra ny amin'izao ankehitriny izao mihitsy.
46yrs ago! Ghats along the Bagmati river, Kathmandu in 1969. #Nepal (by Douglas Hall) pic.twitter.com/CXP6SlRSkD
— Nepal In Pix (@NepalInPix) April 24, 2016
46 taona lasa izay! Ghats manamorona ny renirano Bagmati, Kathmandu ny taona 1969. #Nepal (by Douglas Hall)
Toerana fatratra ho an'ny fitsangatsanganana, fivavahana sy fakàna saina ny Boudhanath Stupa voahodidinin'ireo tranobe avo ankehitriny.
The Boudhanath stupa, Kathmandu #Nepal in 1950s. (by William Morris) pic.twitter.com/nXOOyqAYCF
— Nepal In Pix (@NepalInPix) February 3, 2016
Ny Boudhanath stupa, Kathmandu #Nepal ny taona 1950
Raha misy zorony efatra ireo sainan'ireo firenena rehetra, ny sainan'i Nepal ihany no tsy misy zorony efatra. Jereo hoe toy ny ahoana ny endriky ny saina teo aloha.
Nepali National Flag before 1962 pic.twitter.com/mMgWxXciRg
— Nepal In Pix (@NepalInPix) May 13, 2016
Sainam-pirenena Nepale talohan'ny taona 1962
Nalaza teny anivon'ireo mpanangona hajia ny hajian'i Nepal, indrindra ireo hajia voalohany indrindra tsy fahita firy ankehitriny.
The first stamps of Nepal on cover, 1881. pic.twitter.com/ciCRhaL4rZ
— Nepal In Pix (@NepalInPix) March 19, 2016
Ireo hajia voalohan'i Nepal eo amin'ny pejy voalohany, taona 1881.
Tsotra tokoa ny endriky ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena Tribhuvan, ny taona 1950, ny hany seranam-piaramanidina iraisampirenena teo amin'ny firenena.
Tribhuvan International Airport during it's beginning in 1950's pic.twitter.com/0wiV0DJVzN
— Nepal In Pix (@NepalInPix) April 13, 2016
Ny seranam-piaramanidina Iraisampirenena Tribhuvan nandritra ny fiandohàny ny taona 1950
Samy tamin'ny fiandohàny daholo, tsy ny indostrian'ny fitanterana an-habakabaka ihany fa ny fitaterana an-tanety ihany koa. Mampiseho topimaso ny fomba fandehanana lavitra tamin'izany andro izany ity sary eto ambany ity.
Travelling in #Nepal 1950s pic.twitter.com/EXE1xObMd6
— Nepal In Pix (@NepalInPix) March 9, 2016
Ny fandehanana tany Nepal ny taona 1950
Ary ity sary ity, nalaina vao 30 taona lasa fotsiny izay, tany Bhaktapur an'ny Lohasaha Kathmandu, mampiseho lehilahy mitondra ny zanany anaty kharpan, fampiasa hitondràna legioma sy entana hafa no tena izy:
Man carrying his child (Kamal Binayak, Bhaktapur 1985AD) pic.twitter.com/Kew7uJSPTM
— Nepal In Pix (@NepalInPix) April 20, 2016
Lehilahy mitondra ny zanany (Kamal Binayak, Bhaktapur 1985AD)
Raha nampidirina taty afara ho ao anatin'ny tantara ireo fomba fitaterana hafa, lohany i Nepal tamin'ny lafiny “téléphériques”. Tena nalaza teo amin'ny tantaran”ny fitateraa tao Nepal ny “Téléphérique”-n'i Hetauda-Kathmandu, eto amin'ny sary eto ambany, izay tsy niasa izao tato ho ato.
Steel tramway cuts out 67 miles of Nepalese peaks and jungles. [Hetauda – Kathmandu Ropeway 1959] #Nepal pic.twitter.com/ZloB1a7adh
— Nepal Pix (@NepalPix) February 26, 2014
Fiarandalamby Tramway manapaka ireo 67 miles (108 km eo ho eo) an'ny tendro sy ala mikitrok'i Nepal. [Hetauda – Téléphérique Kathmandu 1959]
Raha hijery sarin”i Nepal fahiny, mahaliana kokoa, araho ny Nepal in Pix ao amin'ny Twitter.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...