Mahatsiaro An'i Muhammad Ali Tamin'ny Lalao Ady Totohondry ‘Thrilla In Manila’ Ny Filipiana

Muhammad Ali (right) against Joe Frazier (left) during the 'Thrilla in Manila' boxing fight. Photo from The Kahimyang Project by Primo Esteria, shared on the official Facebook page of the Philippine presidential palace.

Muhammad Ali (ankavanana) mifanandrina amin'i Joe Frazier (ankavia) nandritra ny lalao ady totohondry ‘Thrilla In Manila’. Sary avy amin'ny Tetikasa Kahimyang an'i Primo Esteria, navoaka tao amin'ny pejy Facebook ofisialin'ny lapam-panjakana Filipina.

Nitarika ny maro manerana izao tontolo izao mba hanome voninahitra ilay olomangan'ny ady totohondry ny vaovaon'ny fahafatesan'i Muhammad Ali. Tao Filipina, nizara ny fahatsiarovan'izy ireo tamin'ny lalao ady totohondry ‘Thrilla in Manila’ teo amin'i Ali sy Joe Frazier ireo Filipiana mpankafy fanatanjahantena.

Tamin'ny alina tao amin'ny Kôlize Araneta ho an'i Muhammad Ali.

Natao tamin'ny 1 Oktobra 1975, nanjary iray tamin'ireo lalao ady totohondry fanta-daza indrindra teo amin'ny tantara ny fifanandrinana, izay nanasongadina ny fihaonana fahatelo sady farany teo amin'ireo tompon-daka kalazan'ny sokajy mavesatra. Nandresy i Ali, na dia efa saika niala an-daharana aza tamin'ny faramparan'ny ady. Nahatsiaro ny ekipan'i Ali fa zara raha tafavoaka tamin'ny ady ny mpilalaon'izy ireo ary nanome tsiny ny mpitsara izy ireo tamin'izany. Nampahatsiavin'i Carlos Padilla, mpitsara Filipiana nisahana ny lalao izany:

When I went to Ali’s corner to raise his hand, they weren’t really happy with me and the way I officiated. They surrounded Ali and basically didn’t allow me to go to him and declare him the winner. They figured I made Ali’s life difficult that day. They were none too pleased, but I said, ‘No, no, no, give way.’ They just circled around him. I told Ali, ‘I have to raise your hand.’

Raha nankeo amin'ny zoro nisy an'i Ali aho mba hanangana ny tanany, tsy faly tanteraka tamiko sy ny fomba nisahanako ny lalao izy ireo. Nohodidinin'izy ireo i Ali ary tsy navelan'izy ireo aho hanatona azy sy hilaza azy ho mpandresy. Nieritreritra izy ireo fa nanao tsinotsinona ny ain'i Ali aho tamin'izany andro izany. Tena tsy faly mihitsy izy ireo saingy hoy aho: Tsia, tsia, tsia, omeo lalana aho. ‘Nataon'izy ireo tanaty faribolana fotsiny izy. Hoy aho tamin'i Ali: ‘Tsy maintsy manangana ny tananao aho.’

Nampiantrano sy nanohana ara-bola ny lalao ady totohondry ny governemanta Filipiana noho ny dokambarotra mety aterak'izany ho an'ny firenena. Nanoratra i Ronnie Nathanielsz, mpanelanelana notendren'ny governemanta tamin'ny ‘Thrilla in Manila’, fa tian'ny Filoha Ferdinand Marcos tamin'izany ny hetsika iraisampirenena mba hampiseho fa nilamina sy niroborobo ny firenena na dia teo aza ny fanambarana ny lalàna miaramila:

…he wanted the “Thrilla in Manila” so he could ‘show the world that the country was peaceful, we have no peace and order problems, the economy is doing well and our people are content.

I remember the fight itself before a jam-packed Araneta Coliseum which was re-named the Philippine Coliseum on instructions of President Marcos who wanted the country's name to gain international recognition.

…niriny ny “Thrilla in Manila” ahafahany “mampiseho amin'izao tontolo izao fa nilamina ny firenena, tsy manana olana ara-pilaminana sy ara-piarovana izahay, mandeha tsara ny toekarena ary faly ny vahoakanay.
Tsaroako ny ady tao amin'ny Kôlize Araneta hipoka olona izay nomena anarana indray hoe Kolizen'i Filipina noho ny toromariky ny Filoha Marcos satria tiany hahazo fankatoavana iraisampirenena ny anaran'ny firenena.

Eny tokoa, nahavita nanodina ny saim-bahoaka manoloana ny fihoaram-pefy nataon'ny governemanta tohanan'ny miaramila tamin'ny lalao ady totohondry ny ‘Thrilla in Manila’.

Mpisera Facebook Manny Payumo nanoratra ny antony nahatonga ny ‘Thrilla in Manila’ nitarika ny fahavitsian'ny fihetsiketseham-panoherana governemanta herinandro talohan'ny hetsika:

I was at the college of engineering during the Thrilla in Manila fight at Araneta Coliseum. The week into the fight was the only time we were not out in the street protesting against the martial law regime of Marcos.

Tao amin'ny oniversiten'ny injeniera aho nandritra ny lalao Thrilla ao Manila tao amin'ny Kôlize Araneta. Ny herinandron'ny lalao ihany no fotoana tsy nivoahanay teny an-dalambe mba hanohitra ny lalàna miaramilan'ny fitondran'i Marcos.

Ho fanomezam-boninahitra an'i Ali, nampitondraina ny anarany ny tsenambarotra iray. Natsangana teo akaikin'ny toerana “Thrilla in Manila” tamin'ny 1976 ny tsenambarotra Ali, tsenambarotra voalohany ao Filipina,

Nitranga ny Thrilla ao Manila raha mbola mpianatra taona faharoa aho tamin'ny Oktobra 1975. Avy eo nomena ny anarana Tsenambarotra Ali fotoana fohy taty aoriana.

Tsenambarotra Ali, tsenambarotra ao Filipina nomena ny anaran'ilay goavana Muhammad Ali ho fanomezam-boninahitra azy taorian'ny Thrilla ao Manila.

Nitarika ny Filipiana mba hanome voninahitra an'i Ali i Manny Pacquiao ilay tompondaka manerantany amin'ny ady totohondry sady senatera voafidy.

World boxing champion and senator-elect Manny Pacquiao led Filipinos in honoring Ali:

Namoaka fanambarana momba ny fahalasanan'i Muhammad Ali i Manny Pacquiao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.