- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Misy Azafady, Saingy Amin'ny Lafiny Tsara No Ijeren'ny Japoney Maro Ny Fitsidihan'i Obama An'i Hiroshima

Sokajy: Azia Atsinanana, Japana, Ady & Fifandirana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Tantara
President Obama visits Hiroshima

Sary malaza mampiseho an'i Obama mankahery an'i Mori Shigeaki [1], hibakusha tafavoaka velona tamin'ny fipoahan'ny baomba tao amin'ny Zaridaina Fahatsiarovana Ny Fandriampahalemana Ao Hiroshima tamin'ny Zoma 27 May. Pikantsary avy amin'ny ANN [2].

Nitsidika ny Zaridaina Fahatsiarovana ny Fandriampahalemana Ao Hiroshima, [3] Japana ny filoha Amerikana Barack Obama tamin'ny Zoma 27 May.

Sambany nisy filoha Amerikana nitsidika an'i Hiroshima hatramin'ny naharavan'ny tanàna noho ny daroka baomba atomika nataon'ny Amerikana tamin'ny 6 Aogositra 1945 [4]. Teo amin'ny 30% n'ny mponina [5] tao Hiroshima no namoy ny ainy tamin'ny fipoahana namely ny tanàna. Farafahakeliny olona 140.000 no namoy ny ainy [5]vokatry ny daroka baomba tamin'ny faramparan'ny taona 1945.

Ny hagoavan'ny herisetran'ny fandringanana nitranga tao Hiroshima, sy tao Nagasaki telo andro taty aoriana [6] tamin'ny 9 Aogositra dia nitarika adihevitra mikasika ny hoe tokony sa tsy tokony sokajiana ho heloka an'ady [7], fihetsika fampihorohoroam-panjakana [8] na fomba mahomby [9]hampitsaharana ny Ady Pasifika sy hisorohana ny fahafoizan'aina ny daroka baomba tao Hiroshima sy Nagasaki.

Raha nisy ny adihevitra sasany [10] fa natao ho fiarovantena [10]tamin'ny fandringanana nihatra tamin'i Hiroshima ny fitsidihan'i Obama, natao mba hamantarana izay zava-nitranga tao anatin'izay fitopolo taona mahery izay no tena anton-dian'ny filoha, ary koa fiangaviana tsy hampielezana ny [fitaovam-piadiana] nokleary.

Araka ny fitsapan-kevitra notontosain'ny Kyodo News [11], 98% tamin'ireo mpaneho hevitra Japoney no nahita ny fitsidihan'ny filoha Obama an'i Hiroshima fa tsara ary 74,5% kosa nanaiky fa tsy nisy ny fanamarinan-tena nanaovana ilay fandarohana tamin'ny baomba atomika.

Tena sarotra ve ny hiteny hoe “miala tsiny”?

Nipoitra ny fitsidihana manan-tantaran'i Obama taorian'ny fivorian'ny G7 tao Japana [12], sy taorian'ny fitsidihana [13]nataon'ny Sekreteram-panjakana Amerikana, John Kerry tao an-tanàna tamin'ny 11 Aprily, ary koa ny fitsidihana tsy mbola nisy toy izany nataon'i Caroline Kennedy, [14]ambasadaoron'i Etazonia any Japana  tamin'ny 2015.

Nahitana lanonana fametrahana fehezam-boninkazo, kabary fohy sy fifanakalozan-kevitra niarahana tamin'ny hibakusha, sisa velona tamin'ny baomba atomika, ny fitsidihana nataon'ny Filoha Obama tao amin'ny Zaridaina Fahatsiarovana ny Fandriampahalemana.

Mampiseho ny telegrama tafaporitsaka avy amin'ny Wikileaks tamin'ny 2011 [15] fa efa nisy hatry ny ela ny fanoherana goavana [15]ataon'ny manampahefana Amerikana amin'ny fitsidihan'ny Filoha Obama ao Hiroshima. Araka ny Asahi Shimbun [1] sy ireo seha-baovao hafa, dia manahy tanteraka ny manampahefana Amerikana fa ny fifanakalozan-kevitra teo amin'i Obama sy ireo sisa velona tamin'ny daroka baomba atomika dia tsy hampiseho fahatsapana fa nisy karazana fialan-tsiny tafiditra.

Raha tsy izany, niteraka sary malaza ahitana ny filoha Amerikana Obama mamihina  an'i Mori Shigeaki [1], sisa velona tamin'ny daroka baomba Amerikana izay nanohy nanao fikarohana sy nikaroka ny manjò ireo Amerikana gadra an'ady [1] tao Hiroshima tamin'ny fotoanan'ny 6 Aogositra 1945, nisian'ny daroka baomba sy aina nafoy vokatr'izany, ny fihaonana.

Raha tsy nisy ny teny fialan-tsiny, mampiseho ny fahatsapana tao anatin'ny tsirairay (tamin'io andro io) ity fihetsika iray ity

Gazety Japoney maro [19] no nanonta pirinty indray ny lahatsoratra feno misy ny kabarin'i Obama tao Hiroshima [20], izay amin'ny ampahany miantso ny fanafoanana ny fitaovam-piadiana nokleary:

But among the nations, like my own, that hold nuclear stockpiles, we must have the courage to escape the logic of fear and pursue a world without them. We may not realize this goal in my lifetime, but persistent effort can roll back the possibility of catastrophe.

Saingy amin'ireo firenena, tahaka ny ahy manokana, izay mitana tahiry fitaovam-piadiana nokleary , tsy maintsy manana herim-po hiala amin'ny lojikan'ny tahotra sy hanohy izao tontolo izao tsy misy azy ireo isika. Mety tsy ho tsapantsika izany tanjona izany amin'ny androm-piainana, saingy afaka manafoana ny mety hisian'ny loza ny ezaka maharitra.

Sokajian'ny Japoney ho fahombiazana ny Fitsidihan'i Obama an'i Hiroshima

Tafakatra 55.3% ny tahan'ny fanohanana ny kabinetra saingy nahazo 98% ny kabarin'i Obama: fanadihadiana I The Japan Times

Tsy ny rehetra no afa-po tamin'ny fitsidihan'i Obama. Nilaza, ohatra, ireo niharam-boina tamin'ny daroka baomba atomika tao Nagasaki, izay voatafika tamin'ny Aogositra 1945 ihany koa fa naniry ny mba nitsidihan'ny filoha ny tanànan'izy ireo ihany koa izy ireo.

Na dia hanomboka ny fitsidihany any Nagasaki tsy ho ela aza ny Filoha Obama, nanomboka nivorivory tao amin'ny Zaridainan'ny Fandriampahalemana ao Nagasaki ny olona hatramin'ny maraina, tanàna iray hafa voadaroka baomba tamin'ny 1945. Mitaky ny fampitsaharana ny fitaovam-piadiana nokleary ireo nitangorona tao Nagasaki, ary mivavaka ho an'ireo niharam-boina tamin'ny daroka baomba atomika. Nilaza ny Hibakusha iray fa maniry izy mba hoavy ao Nagasaki ihany koa i Obama.

Nanery ny hanaovan'i Etazonia fialan-tsiny ofisialy ihany koa ny hibakusha Koreana sisa velona, miaraka amin'ny fitsidihana ny tsangambato fahatsiarovana ireo matin'ny Baomba-A ao Korea Atsimo [25]. Zanatany Japoney tamin'ny fotoana nisian'ny  fipoahana i Korea, ary olona 70.000 hatramin'ny 100.000 raha kely indrindra ireo Koreana tao Hiroshima sy Nagasaki [26] raha nipoaka ny baomba.

Re: 朝日新聞: misy fivoarana ny fitsidihan'i #Obama [27] saingy tsy ampy, Hoy ny #Korean [28] #hibakusha [29] #Hiroshima [16]

Nanontany ireo Japoney mpisera Twitter sasany taorian'ny lanonana tao amin'ny Zaridainan'ny Fandriampahalemana hoe nahoana no folo minitra fotsiny ny fitsidihana nataon'ny filoha Obama tao amin'ny Mozea Fahatsiarovana ny Fandriampahalemana [25].

Folo minitra fotsiny no nitsidihan'ny filoha Obama ny Mozea Fahatsiarovana ny Fandriampahalemana ao Hiroshima….tsy fohy loatra ve ny fitsidihana nataony? Inona no mba zavatra hitany tao anatin'izany fotoana fohy izany?

Na izany aza, nalaza ny fampiasan'ny Twitter ny fandinihan'ny @satoss_kiki [34] momba ny hafohin'ny fitsidihan'i Obama tao amin'ny Mozea.

Na dia 263 fotsiny aza ireo mpanjohy an'ilay milaza tena fa “mpikarakara tokantrano avy any an'ala” (田 舎 の お ば ち ゃ ん, inaka no obachan) ao amin'ny Twitter, efa nisy nampita (retweet) in-30.000 ny siokany mandà ny hevitra fa fohy loatra ny fitsidihan'i Obama ny Mozea:

Raha mihevitra ianao fa tsy misy dikany ny folo minitra nitsidihan'ny filoha Obama ny Mozea, fantaro fa na dia feno aza ny fandaharam-potoanan'i Obama, nahavita nanokana fotoana tao izy. Tsy “folo minitra” fotsiny izany ho azy.