- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manendry Maodelim-Pitantanana Iarahan'ny Fanjakana sy Tsy Miankina i Shina Hanivanana Ny Aterineto

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fanampenam-bava, Mediam-bahoaka, Teknolojia
Remix image from Hong Kong Free Press. [1]

Sary natambatra avy amin'ny Hong Kong Free Press.

Nampiditra politika vaovao natao handrindràna ireo sehatra fandefasana lahatsary mivantana antserasera i Shina vao tsy ela akory izay. Araka ny tatitry ny gazety fandraharaham-barotra Caixin, dia hotakian'ny manampahefana tsy ho ela ny sehatry ny fandefasana lahatsary mivantana malaza hivarotra ny 1 ka hatramin'ny 10 isanjaton'ny ampahan-drenivola amin'ireo lazaina fa orinasam-panjakana, ka ireto farany dia manana fahefana hanara-maso ny famokaram-pandaharana sy ny fanapahan-kevitra amin'ny fanaovana programa.

Io fandaminana ara-petrabola tsy manam-paharoa io, izay fantatra amin'ny hoe “Ampahan-drenivolam-Pitantanana Manokana”, io dia mitovy amin'ny hevitry ny “golden share [2]” [petrabola volamena [3]] [fr], izay manome alàlana ny tompony hanana ny vato tsy azo ivalozana manoloana ireo mpitazona petrabolan'ny renivola hafa rehetra. Raha tsy tokony hirotsaka an-tsehatra amin'ny fihodinan'ny orinasa andavanandro ny tompon'ity petrabola volamena miavaka ity, ny an'ny Shinoa kosa manamafy fa ny petrabola amin'ny “fitantanana” dia afa-miditra an-tsehatra amin'ny fijerena mialoha [ny lahatsary], amin'ny fanapahan-kevitra raisina amin'ny fampiasam-bola sy ny fiaraha-miasa vaovao, ny zo hanivana ary ny fanapahan-kevitra amin'ny fanendrena ny tompon'andraikitra ambony indrindra eo amin'ny fandraharahana sy ireo mpiasan'ny fitantanana ny orinasa.

Ny lisitra voalohany amin'ireo orinasam-panjakana handray anjara amin'ny fividianana renivola fiaingana ity dia saiky ahitana ireo vondrona fampitam-baovaom-panjakana avokoa, anisan'izany ny China National Radio, China Radio Internationals, Beijing Media Network, Hunan Media Network, ary ny Shanghai Oriental Pearl Media Co.

Nandrisika ireo goavan'ny sehatra fampitana lahatsary an-tserasera, ahitana ny Youku & Tudou, Let's TV, Tecent TV ary ny hafa, ny sampan-draharaha misahana ny Gazety, Famoahana, Radio, Sarimihetsika ary Televiziona (SAPRFT) nandritra ny fivoriana tamin'ny 18 Mey mba hanao sonia an-tsitrapo ny fifanekena santatra miaraka amin'ireo orinasam-panjakana voalaza etsy ambony alohan'ny 10 Jona ary hamita ny fifanarahana ho feno alohan'ny volana Jolay.

Mandrara ny mpampiasa vola avy any ivelany ny lalàna vaovao tsy hanao fandraharahana ara-barotra ao an-toerana amin'ny fandefasana lahatsary mivantana an-tserasera. Izany no mahatonga ny Youku & Tudou, izay voalisitra ao amin'ny Tsenan'ny Petrabola ao New York , namita ny maha-tsy miankina amin'ny fanjakana azy tamin'ny volana lasa [4], ka hiverina ao amin'ny Tsenan'ny Petrabolan'ny Shina tsy ho ela. Voarara amin'ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany ny tsenan'ny petrabola ao Shanghai .

Mandeha amin'ny lalan'ny maha-tsy miankina amin'ny fanjakana azy ihany koa ny sehatra lahatsary mivantana an'ny Baidu iqiyi.com izay efa nahazo fampiasam-bola avy amin'ny Providence Equity Partners LLC ary nikasa hiditra ao amin'ny lisitry ny Tsenan'ny petrabola ao Shina amin'ny 2017.

Niroborobo ny fandraharahan'ny lahatsary mivantana tato anatin'ny taona maromaro izay. Nandray sehatra mivantana efa ho 50 isa i Shina, mihodina ao amin'ny tsena mitodika amin'ny maodelin'ny raharaham-barotra ny ankamaroan'izy ireo .

Ny hevitry ny “Ampahan-drenivolam-Pitantanana Manokana” dia hevitra niainga avy amin'ny fanapahan-kevitra nataon'ny Komity Foiben'ny antoko tamin'ny volana Novambra 2013 nikasana hanaraha-maso ireo fikambanana fampitam-baovao nasionaly. Na izany aza dia hita ho fanerena fiaraha-mitantana eo amin'ny orinasam-panjakana sy tsy miankina ny fampiharana azy ankehitriny  .

Nilaza [5] tamin'ny Global Times an'ny fanjakana i Xiang Ligang ao amin'ny orinasan'ny fifandraisan-davitra fa ikendrena ijerena fomba vaovao hanaraha-maso ny aterineto izao fametrahana fiaraha-mitantana izao:

For many years, there have been various problems on different media platforms. Most of these websites are privately run…In the past, the government has had little influence over the operations of video websites. The government cannot punish [the websites] on a daily basis or shut down [a website] at will as it would trigger a backlash […] To some extent, [the special management stakes] show the government's attitude, which is that it wishes to find a way to exert influence on these websites.

Maro ny olana teo amin'ny sehatry ny fampitam-baovao isan-karazany nandritra ny taona maro. Miasa mahaleon-tena ny ankamaroan'ireo tranonkala ireo… Tsy dia nanana fiantraikany firy teo amin'ny asan'ny tranonkalan'ny lahatsary ny governemanta taloha. Tsy afaka hanasazy [ny tranonkala] teo amin'ny zavamisy andavanandro, na hanakatona [tranonkala] amin'ny sitrapony ny governemanta amin'ny maha mety hampisy fiantraikany ratsy izany[…] Azo lazaina fa mampiseho ihany ny toe-tsain'ny governemanta [ilay Ampahan-drenivolam-Pitantanana Manokana] , izay mikatsaka amin'ny fomba hafa hanindriany bokotra ireo tranonkala ireo.

Nolazain'i Zhu Wei,manam-pahaizana momba ny fifandraisana, fa “fomba ametrahana fepetram-pisorohana” izao lalana vaovao izao.

Amin'ny fananana zoro fampitam-baovao hafa noho ny sehatra fampitam-baovao mahazatra izay manana manampahefana avy amin'ny departemantan'ny fampielezan-kevitra mipetraka amin'ny toeram-piasany ary mijery mialoha ny votoaty alohan'ny hamoahana azy, dia mampihatra ny sivana aorian'ny famoahana an-tserasera amin'ny alàlan'ny fanomezana torolàlana ireo mpandrindra tranokam-pifandraisana ny fampitam-baovao antserasera. Hitan'ny manam-pahefana fa ahitana lavaka be dia be loatra izany fanao izany.

Naminavina mialoha [6] i He Qinglian,manampahaizana momba ny toekarena monina an-tsesitany, fa tokony ampiasain'ny manampahefana ny “Ampahan-drenivolam-Pitantanana Manokana” hanendrena ireo mpiasan'ny fitantanana mahafeno ny fepetra ilaina amin'ny fanaovana sivana, toy ny fijerena mialoha ny programam-pandefasana lahatsary mivantana . Izao hetsika izao ihany koa dia “hampiditra hotantanim-panjakana” ireo orinasa tsy miankina ao amin'ny sehatra stratejika: miahiahy ny mpanara-maso fa mbola vao fanombohan'ny dingana fanentanana amin'ny tsy maintsy hanaovana ny fiaraha-mitantan'ny fanjakana sy tsy miankina ny orinasa manerana ny firenena izao sehatry ny lahatsary an-tserasera izao.