- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nilaza Ny Arsevekan'i Sypra Fa ‘Afa-po’ Tamin'ny Fandresen'ny Antoko Ankavanana Tamin'ny Fifidianana

Sokajy: Eoropa Andrefana, Sipra, Fifidianana, Fivavahana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika
Chrysostomos II., the Archbishop of Cyprus, at the Horasis Global Russia Business Meeting in April 2013. Photo by Richter Frank-Jurgen. CC BY-SA 2.0 [1]

Chrysostomos II., Arsevekan'i  Chypre nandritra ny Fivoriana Manerantany momba ny Fandraharahana tao Rosia tamin'ny volana Aprily 2013. Sary avy amin'i Richter Frank-Jurgen. CC BY-SA 2.0

Niteraka resabe tao amin'ny tranonkala miteny Grika ny “fahafaham-pon’ [2]” ilay Arseveka Ortodoksa iray tamin'ny fahombiazan'ny antoko ankavanana hiringiriny tamin'ny fifidianana.

Nandatsa-bato i Sipra tamin'ny Alahady 22 May. Nandresy tamin'ny fifidianana [3]tamin'ny 30% teo ho eo ny antoko kaonservativan'ny fitondrana ao amin'ny firenena, raha nahazo seza voalohany tao amin'ny mpanao lalàna kosa ny Antokom-bahoakam-pirenena (ELAM) [4]. Mamaritra ny tenany ho misolotena ny “nasionalisma malaza sy ara-tsosialy” ny ELAM, izay manana rohy ara-politika amin'ny hetsika neo-Nazi malaza Grika Golden Dawn [5]. Mankahala fifindramonina sy tsy mino ny tombontsoa azo amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana ihany koa izy.

Na izany aza, inona marina no nitranga tamin'ny fotoana nisian'ny halabato tamin'ny fifidianana, hoy ny fanehoan-kevitry ny Arseveka Ortodoksa Chrysostomos II ao Cypre [6] tamin'ny vaovao milaza fa mpikambana roa ao amin'ny ELAM no manana toerana ao amin'ny Parlemanta ankehitriny.

Hoy izy [7] raha nangatahana mba haneho hevitra: [7]

I didn’t believe they would get in but I can say I’m satisfied. Other voices will be heard now. Many times you need extremists so the others are more careful.

Tsy nino aho fa ho tafavoaka izy ireo saingy afaka milaza aho fa afa-po. Feo hafa indray no ho re ankehitriny. Matetika ianao mila ireo mahery fihetsika mba hitandreman'ny hafa kokoa.

Eto ambany ny lahatsary Youtube (navoakan'ny mpisera mpitati-baovao) [8] misy ny hafatry ny arseveka amin'ny teny Grika (maharitra 10-15 segondra):

Teo aloha, nanambara [9] tamin'ny antsafa an-gazety i Chrysostomos fa “mazava tsara sy mifanaraka amin'ny ahy ny ankamaroan'ny fomba fijerin'ny ELAM”.

‘Mampidi-doza. Sy Fasista ianao”

Niteraka adihevitra be antserasera ny fanamarihana nataony. Misy ny ady naharitra ela tamin'ny [10]fisarahan’ (na ny tsy fisian'izany ) ny fiangonana sy ny fanjakana tao Gresy, ary raha hitarina dia hatrany Shipra, ka nampirehitra adihevitra bebe kokoa ny fitsabahana hita ataon'ny Fiangonana Ortodoksa amin'ny politika.

Mivaky [11]toy izao manaraka izao ny fanehoan-kevitra amin'ny lahatsary Youtube etsy ambony:

ole9898 [12]5: [11]i ekklisia na kamnei tin doulia tis k na men mplekete sta politika dromena…

Tsy maintsy manao ny asany ny Fiangonana fa tsy mitsabaka amin'ny raharaha politika…

Tamin'ny lahatsoratra fomba fijery [13] mitondra ny lohateny hoe “Arse-Fasista faharoa, Ny Fahataperany” tamin'ny vavahadim-baovao Cyprus News, nampiasa fiteny mahery tamin'ny olo-malaza ara-pivavahana i Leontios Filotheou (@leontios_ [14] ao amin'ny Twitter):

Επικίνδυνος είσαι. Και φασίστας.
Δεν είναι εξάλλου η πρώτη φορά. Ήταν οι «κρυστάλλινες τους απόψεις». Ήταν τα «καλά παιδιά». Και ήρθε και το κερασάκι. «Η ικανοποίηση από την είσοδο του ΕΛΑΜ στη Βουλή. Για να ακούγονται κι άλλες φωνές».
Μα γιατί; Άμα θέλαμε να ακούσουμε κανά φασίστα σε ακούγαμε εσένα; Χρειαζόμασταν λες και το ΕΛΑΜ;
Και τι σε ικανοποίησε ακριβώς;
Το ότι είναι ένα παράρτημα της Χρυσής Αυγής;
Σε ικανοποιούν οι απόψεις τους σε ότι έχει να κάνει με τον άνθρωπο; Με το συνάνθρωπο μας;  Με το μετανάστη; Τον πρόσφυγα; Τον κατατρεγμένο;
[…]
Σε ικανοποιεί που δεν καταδικάζουν το ναζισμό; Σε ικανοποιούν οι σβάστικες; Οι αγκυλωτοί σταυροί; Και όλα αυτά που έστειλαν εκατομμύρια ανθρώπους σε φούρνους στο μεγαλύτερο έγκλημα της ανθρωπότητας;
Σε ικανοποιεί το στυλ τους; Τα μαύρα; Η στρατιωτική πειθαρχία;
[…]
Τι στο διάολο σε ικανοποιεί επιτέλους;

Mampidi-doza ianao. Ary fasista.
Na izany aza, tsy vao voalohany izany. Nanana ny “fomba fijery mangarahara tanteraka izy ireo”. Izy ireo no “boay tsara”. Ary avy eo, ny tsara indrindra amin'ny rehetra. “Ny fahafaham-po fa tafiditra tao amin'ny Parlemanta ny ELAM. Ka handre feo hafa indray ankehitriny”.
Saingy nahoana? Raha te-hihaino ny fasista izahay, dia ho nihaino anao. Tsy mila ny ELAM ihany koa izahay?
Inona no tena nahafa-po anao?
Ny hoe satria sampan'ny Golden Dawn [Mazava Volamena Atsinanana] izy?
Afa-po amin'ny fomba fijerin'izy ireo mikasika ny olombelona ve ianao? Ny olom-pirenena namantsika? Ny mpifindramonina? Ny mpitsoa-ponenana? Ny ampahoriana?
[…]
Afa-po ve ianao fa tsy miampanga ny Nazisma izy ireo? Afa-po amin'ny swastikas ve ianao? Amin'ny vokovoko Nazi? Amin'ireo rehetra vahoaka an-tapitrisany nalefa ho may ao anaty lafaoro, ny heloka bevava goavana indrindra nataon'ny olombelona?
Afa-po amin'ny fomban'izy ireo ve ianao? Akanjo mainty? Fitsipika miaramila?
[…]
Inona mihitsy izany no ratsy mahafa-po anao?

Ny hafa kosa nanasongadina ny fitomboan'ny politika ankavanana hiringiriny manerana an'i Eoropa sy ny fifandraisana eo amin'ny fomba fisainana kaonservativa sy ny fepetram-pitsitsiana napetraka tao anatin'ny taona vitsivitsy tao amin'ny firenena samihafan'ny Vondrona Eoropeana, satria niatrika krizy ara-bola i Shypra taona vitsy lasa [15][mg] izay :

Ny fidiran'ny ELAM ao amin'ny Parlemanta Shipra dia miantoka fa ny fitsitsiana sy ny Troika [ny komity telo toko ahitana ny Vaomieran'ny Vondrona Eoropeana, ny Banky Foibe Eoropeana sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena] no tena mpandray indrindra ny fasisma maoderina!

Fahatairana goavana noho ny fidiran'ny ELAM farany ankavanana ao amin'ny Parlemanta Sypra. Miely manerana ny Vondrona Eoropeana rehetra ny bibilava. Ary ity no loza goavana noho ny fatiantoka ara-bola.

Big shock by the entrance of far-right ELAM into the Cypriot Parliament. The serpent spreads all over EU. And this is a bigger danger than financial deficits.

Manondro ny teny hoe “atodin'ny bibilava” ny “bibilava”, izay fomba fiteny mahazatra amin'ny teny Grika midika fiakaran'ny fasisma na Nazisma. Raha ny marina, lohatenin'ny sarimihetsika 1977 notontosain'ilay mpamokatra sarimihetsika Soedoà Ingmar Bergman izany, aingam-panahy avy amin'ny andalan-dahatsoratr'i Shakespeare, mampiseho ny taorian'ny ady tao Alemaina izay nilentika tanaty fahantrana sy ny fiakaran'ny vidim-piainana.

‘Milaza zava-marina ny Arsevekan'i Sipra’

Mazava ho azy, nisy ny hafatra fanohanana, na avy amin'ny mpanao politika farany ankavanana na avy amin'ny mpisera haino aman-jery sosialy, izay nihevitra ny ELAM ho meloka fotsiny amin'ny fanehoana ny soatoavina nasionalista tena izy sy tia tanindrazana.

Nilaza ny sioka avy amin'i Christos Pappas, Golden Dawn Grika mpikambana ao amin'ny parlemanta hoe:

Ho Ela Velona ELAM
Ho Ela Velona Golden Dawn
Firenena roa, fanjakana iray
Antoko politika roa, tolona iray

Feno fanehoan-kevitra midera ny fandresen'ny ELAM na ny tenin'ny arseveka ny tati-baovao na ny lahatsoratra amin'ny Facebook:

Γιώργος Χατζηθεοδωρίδης [20] ΣΥΓΧΑΡΗΤΙΡΙΑ ΣΤΟΥΣ ΚΥΠΡΙΟΥΣ ΠΑΤΡΙΩΤΕΣ ΓΙΑ ΤΗΝ ΕΠΙΛΟΓΗ ΤΟΥΣ 

Arahabaina ireo Sipra tia tanindrazana noho ny safidin'izy ireo

27/05/2016 02:43
Πολύ σωστά τα λέει ο αρχιεπίσκοπος Κύπρου

Milaza zava-marina ny Arsevekan'i Sipra

«πρέπει να ακούγονται πολλές φωνές και οι ακραίοι, ώστε οι άλλοι να είναι προσεκτικοί και να μην αποφασίζουν κατευθείαν επειδή έχουν τη δύναμη».
Ορθότατη τοποθέτηση, με εξαίρεση το «ακραίοι». «Λαϊκά δεξιά κόμματα», θα ήταν καλύτερο.

“Maro ireo feo tsy maintsy renesina, ny mahery fihetsika ihany koa, ka mba hitandrina ny hafa ary tsy manapa-kevitra avy hatrany, satria hoe manana fahefana fotsiny izy ireo”.
Ohatra tena tsara, ankoatra ny kely momba ny “mahery fihetsika”. Mety ho tsara kokoa ny miteny hoe “antoko elatra havanana malaza”.

Nandray ny fijery nasionalista ny [21]ELAM tamin'ny fifampiraharahana ankehitriny amin'ny Sypra Tiorka mba hampitambatra ny firenena. Amin'izao fotoana izao, nizara roa ara-poko [22]ny nosy misy ny Shiprioty Grika avaratra ankatoavin'ny iraisampirenena sy ny nisintahan'ny Shiprioty Tiorka atsimo, vokatry ny fanafihan'i Torkia tamin'ny 1974 taorian'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila tao Shipra izay nikendren'i Gresy mba hanjanaka azy ary noho izany hampitambatra ny roa tonta.